Ny Valosoa, 15 Jolay 2017. Ivandry, Fifidianana 2018, ONU-Genève, Tim…

Ambasadaoro Véronique Vouland

Maniry fifidianana mangarahara sy tsy manavaka

 

Nankalazaina  omaly  14 jolay teny amin’ny  Résidence de France Ivandry  ny fankalazàna ny fetim-pirenenena Frantsay 14 jolay . Nanome  voninahitra ny fotoana  teny antoerana  ny  filoha nasionalin’ny antoko Tiako i Madagasikara Marc Ravalomanana sy ny ben’ny tanànan’Antananarivo Lalao Ravalomanana notronin’ireo mpiara-miasa taminy . Ireo solontenam-panjakàna  notarihin’ny lehiben’ny governemanta Mahafaly Solonandrasana  Olivier  sy ny minisitra  miaraka aminy ,  ireo lehiben’ny andrim-panjakàna ary olo-manakaja sivily sy miaramila .

Nandritra izany , nisy ny kabary fiarahabàna sy fanehoana fisaorana ho an’ireo rehetra nahatontosa  ny  fety  fankalazàna ny fetim-pirenena , mpiasan’ny ambasady, ny mpiara-miombon’antoka  ary ireo vahiny nasaina  rehetra  nataon’ny ambasadaoro miasa sy monina eto Madagasikara Veronique Vouland – Aneini . Ankoatra izay , niompana tamin’ny lohahevitra maro ny  kabary  nataony , toy  ny fiaraha-miasa  ara-diplaomatika eo amin’ny firenena roa tonta , fanabeazana ,  lafiny fiovaovàn’ny toetr’andro ,  eo  amin’ny lafiny  ara-toekarena ary indrindra eo amin’ny lafiny ara – politika . Vao nahavita ny dingana  rehetra momba ny fifidianana i frantsa , Madagasikara koa dia hiditra amin’izany .

Maniry mafy izahay hoy Veronique Voulan  fa izany fifidianana izany dia efa ao antsain’ny maro  dia ny fifidianana  hanamafy ny  famaharan’ny firenena ao amin’ny demokrasia , fifidianana mitaratra ny safidy malalaka  eo amin’ny vahoaka Malagasy  ary ho fifidianana Mangarahara  sy Tsy Manavaka tsy hanembatsembana  ny fahamarinan-toeran’ny firenena sy ny fahamarinan’ny olona .   

Helisoa

Ivandry Ny Valosoa3

Fanomanana fifidianana: efa mirona amin’izany ny ankolafy rehetra

 

Ny hetsika rehetra ataon’ny politisiana gasy amin’izao herintaona sy enim-bolana mialohan’ ny fifidianana ny taona 2018 izao dia efa mizotra any amin’ny fanomanana izany sahady. Tsy ny fifidianana izay ho filoham-pirenena ihany fa eo koa ny an’ny solombavambahoaka. Ny mpitondra amin’izao Repoblika IV izao no miezaka mandresy lahatra ny vahoaka amin’ny fanaovana litania fa manao ezaka hampivoarana ho amin’ny tsaratsara kokoa ny fianam-pirenena amin’ny ankapobeny. Ny tsapa aloha hatramin’izao dia miantehitra amin’ny vola angatahina  na samborina any ivelany ny mpitondra amin’ny fanatanterahina izany. Tsy misy vokatra azo tsapain-tànana anefa satria ny mpamatsy vola tsy matoky izao fitondrana izao noho ny fitantanana tsy mahomby sy tsy mangarahara eo amin’ny fampiasana ny vola.

Etsy an-kilany koa miantso ireo mpandraharaha avy any ivelany hampiasa ny volany eto Madagasikara kanefa manahy ny ho very vola ireo satria tsy azo antoka ny fandriampahalena. Marina fa hiteraka asa ho an’ny tanora malagasy ny fiavian’ireny mpandraharaha ireny kanefa laharampamehana ny fampiroboroboana ny indostria eto an-toerana aloha satria ny tombony ho azon’ny mpampiasa vola avy any ivelany dia haveriny any amin’ny firenena niaviany fa tsy hajanony eto velively.

Ny fitondrana koa ho fitsinjovana sahady ny mety ho fandreseny amin’izany fifidianana izany dia miantehitra amin’ireo rafitra najorony izay manana andraikitra mivantana na an-kolaka mifandraika amin’izany. Raha ny fijery azy ety ivelany sy ny fihetsiky ny Ceni tato ho ato anefa dia toa mitaky ny tena fahaleovantenany ka tsy manaiky ny tsindry ataon’ny mpanatanteraka aminy intsony. Ny mampanahy ny olompirenena anefa dia sao atao izany mody mba hampandriana adrisa manoloana ny fanakianana maro momba ny fanomanana sahady ny hala-bato. Efa nisy fitakiana ihany koa momba ny tokony hifidianana mivantana ny filohan’ny faritany sy ny faritra ary ny fokontany kanefa niniana  tsy notanterahina izany satria azo antoka kokoa ny olom-boatendry noho ny trosa ara-moraly (dette morale) amin’ny mpanendry.

Ny zava-doza ataon’ny mpitondra amin’izao fotoana izao koa dia ny fiezahany hanolo Hvm ny ben’ny tanàna voafidim-bahoaka sasantsasany any ambany ravinkazo any ho fitsinjovany ny fifidianana ihany. Tsy vitan’izany fa misy koa ny fandatsahana ny ain’ny ben’ny tanàna tsy Hvm any amin’ny kaomininy hafa. Raha tena mitombina tokoa ny fandraisana andraikitry ny Ceni araka ny voalaza etsy ambony  dia tokony hanaradia azy koa ny Hcc ka hijoro amin’ny fahamarinana ka hitsara ny toe-draharaha araka ny lalàmpanorenana tokoa. Efa manakaiky ny fanapahan-kevitr’ity andrim-panjakana ity tokoa mantsy ny momba ny fanendrena ny filohan’ny mpanohitra ao amin’ny Antenimieram-pirenena. Efa fanomanana ny sain’ny vahoaka hifidy azy koa no ataon’ny mpitondra amin’izao fotoana amin’ny alàlan’ny fitokanana fotodrafitrasa sy ny fanampiana tampi-maso sy vonjitavanandro.

Mirona amin’izany fanomanana ny fifidianana ihany koa ny hetsiky ny mpitarika antoko politika na ny mpanohitra na ny mpanohana ny fitondrana. Tsy takona hafenina ny fahasahiranam-bahoaka amin’izao fotoana izao ka manararaotra izany ny mpanohitra izay miezaka manambatra ny heriny amin’ny fananganana vondrona kanefa tsy mety mifanara-kevitra sy miray hina noho ny fitiavana hitarika. Tsy vitsy ihany koa ireo namadika ny tolona niraisana ka lasa miaradia amin’ny mpitondra indray. Tsy azo hadino ireo midradradradra tsy mahandry izany fifidianana izany intsony satria mijaly ny vahoaka kanefa politisiana efa teo amin’ny fitondrana ihany izy ireny kanefa tsy nahomby ka tsy ilaina hiverina eo intsony. Tsapan’ny olompirenena izany toetsaina izany ka aty am-piandohana dia tsy masin-teny intsony ry zareo ary azo antoka fa ho very maina ny ezaka ataony. Ny politisiana manohana izao fitondrana izao moa dia tsy maharesy lahatra na inona na inona lazainy ary na inona na inona fanatsarana ny mpitondra.

Afaka misaina sy manavaka ny vary amin’ny tsiparifary ny olompirenena tsirairay ka izay iray alehany: na izy mbola haharim-pery ka hiandry ny fifidianana afaka fitoambinifolo volana ary handatsa-bato ho an’izay kandidà heveriny fa tena hanafaka azy amin’izao fahantrana sy fangejana azy izao, na izy tsy hanaiky intsony ka hitroatra hanohitra ny tsy rariny sy ny fampanantenana poakaty asesika ao an-dohany isan’andro vaky izao. Misy farany avokoa ny zavatra rehetra ka na iza na iza mihevitra ho manan-kery sy tanjaka dia tsy maintsy  halemy ihany. Ny 25 Janoary 2014 no tonga teo amin’ny faratampon’ny heriny ny Hvm ka nanomboka teo dia nitsotsorika tsikelikely ary tonga eo amin’ny fahalemeny tanteraka amin’izao fotoana izao.  

Andry Tsiavalona

Filoha Ravalomanana

Mbola hiverina hankalaza ny faha-15 taonan’ny TIM Antananarivo

Nitafa tamin’ny mpanao gazety ny Filoha Marc Ravalomanana ny alakamisy teo tetsy Analakely. Nivoitra nandritra izany fa manoloana ny resabe mandeha fa hosamborina izy dia nambarany fa tsy matahotra izany izy satria nanara-dalàna izahay hoy izy ka ny manara-dalàna indray ve no hosamboriana. Lalan’ny nandeha hody izy ny sabotsy 8 jolay lasa teo iny no narahan’ireo vahoaka marobe. Ankoatra izany, nihaona tamin’ny ambasadaoro Amerikana sy Frantsay ny tenany nanazava ny zava-nisy ka dia talanjona izy ireo raha nandre ny tatitra hoy i Dada. Nampanantena ny tenany fa mbola hankalaza ny faha-15 taonan’ny Tiako i Madagasikara (TIM) ny eto Antananarivo tsy ho ela. Mkasika ny tolo-kevitry ny CENI na ny vaomieram-pirenena mahaleotena momba ny fifidianana ny amin’ny famerana ny vola holaniana amin’ny fampialezan-kevitra dia manaiky ny tenany satria ny vahoaka hoy izy no aoka hifidy izay olona tiany hitondra azy. Mety tsy hiankina amin’ny volabe tokoa ny fifidianana, rehefa tsy tian’ny vahoaka ny kandidà iray na handany volabe eo aza dia tsy ho lany mihitsy.

Isambilo

Ivandry Ny Valosoa6

Ambatondrazaka

Mahamay ny ady tany ao Ambohitsilaozana

Mahamay tanteraka ny resaka ady tany ao amin’ny zetra ao amin’ny kaominina Ambohitsilaozana Ambatondrazaka amin’izao fotoana izao. Niakatra amin’ny sehatra ambonimbony kokoa ireo vahoaka ary nilaza fa tsy hanaiky mihitsy ny tsindry hazo lena ataon’ireo izay mikasa hampihatra izany. Fantatra fa hidina any an-toerana hijery akaiky ny raharaha ary hanao fanadihadiana ifotony ny mpitondra isan-tsokajiny avy ato ho ato ary hikatsaka izay vahaolana mety hampiravona ny raharaha. May volon-tratra rahateo ny rehetra satria vahoaka no mihetsika ary nilaza fa tsy hidiran’ny politika.

Efa ela izahay no niaro io zetra io ary nanompana ny herinay tamin’izany kanefa dia tadiavin’ny sasany hatao tantely afa-drakotra izany amin’izao fotoana izao hoy ireo mponina ao an-toerana. Nandefitra foana izahay hoy ihany izy ireo fa rehefa feno ny kapoaka dia tsy maintsy maneho ny hevitray izahay. Andrasana araka izany izay mety ho fiafaran’ny raharaha mahakasika izany ato ho ato.

Raoul

Afrika Atsimo- Madagasikara

Hankalazaina ny 18 jolay ny International Mandela Day

 

Hankalazaina eto amintsika ihany koa ny International Mandela Day na ny Andro Iraisam-pirenena Nelson Mandela, toy ny amin’ny firenena rehetra eto amin’izao tontolo izao ny 18 jolay ho avy izao. Ao amin’ny Hotel Carlton Anosy no hankalazana izany amin’ny fomba ofisialy eto Madagasikara araka ny fanambarana avy amin’ny Masoivohon’i Afrika Atsimo eto amintsika. Ho fanamarihana izany ihany koa ny Ambasadin’i Afrika Atsimo dia hanatanteraka asa fandokoana sy fanomezana kits scolaires eny amin’ny Foibe na Centre Fanambinana, Soeur Marie Lucie Nanisana, eo akaikin’ny tranon’ny Masoivohon’i Chine eto Madagasikara, ny alatsinainy 17 jolay ho avy izao manomboka amin’ny 9 ora maraina. Izany asa sosialy hataon’ny Ambasady izany dia tafiditra tao amin’ny vinan’i Nelson Mandela tamin’ny fotoan’androny. I Nelson Mandela dia nigadra tany am-ponja nandritra ny taona maro noho ny fanoherany ny fanavakavaham-bolon-koditra tatsy Afrika Atsimo, vao tafavoaka ny fonja anefa izy dia lasa filohan’i Afrika Atsimo avy hatrany, ary nahazo ny loka Nobel momba ny fandriampahalemana. Anisan’ny olo-malaza indrindran’ny taon-jato faha-21 ity filoha Afrikana Tatsimo teo aloha ity.

Isambilo 

Filohan’ny Antenimierandoholona

Nitondra fanazavana momba ny zava-nitranga teny Ivandry

 

Nandritra ny fankalazana ny  fetim-pirenena  Frantsay omaly   14 jolay  teny amin’ny Masoivohon’i Frantsa teny Ivandry , dia  nisy ireo olona izay tsy nahazaka ny hafanana sy ny fijorona ela teo am-piandrasana ny fiantombohan’ ny lanonana ka isan’izany ny Filohan’ny Antenimierandoholona Honoré Rakotomanana. Izany indrindra no nitondrany  fanazavana mikasika ny toe-pahasalamany  omaly tetsy amin’ny Lapan’Anosikely rehefa nanontanian’ny mpanao gazety. Nambarany tamin’izany fa naharitra ela ny fijoroana sy ny fiandrasana ny fiatombohan’ny lanona, teo ihany koa ny hain’andro ka izany no nitarika ny tsy fahasalamana kely izay nandalo taminy . Rehefa nojeren’ny mpitsabo teny an-toerana anefa izy , dia tomombana avokoa ny toe-pahasalamany fa ny siramamy ihany no somary latsaka. Taorian’izay , dia afaka nanatrika ny fizotran’ny lanonana soa aman-tsara ny tenany ary afaka nanohy ny asany tetsy amin’ny Lapan’Anosikely koa. Marihana fa tsy izy irery ihany no niharan’izany fa nisy ihany koa ny olon-kafa izay safotra mihintsy.

Nangonin’Isambilo

Ivandry Ny Valosoa5

 

 

Publicités

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué , , , , , , , . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s