« Izany sy izany », Mamitiana Randrianarison (Mcm-Tanà).

 

IZANY SY IZANY

 

marina ny azy…

aleo hono miala toy izay hoe alàna
sambo milentika ve hahatamana?
ny ao tsisy varany izay rehetra atao
tsy tsaha-mievotrevotra foana ny anao

aleo miala mora toy izay tsara daka
ny ao ady sy rotaka ndrao dia haratra
raha kely endaka aleo dia misintaka
fa ny be sandry ao izao no misitraka

aleo zoronjorony izao raha azo atao
fitondrana efa rava dia mbola mizaho
tsy ahoany mihitsy ny handika lalàna
indrisy jiolahy no mifehy ny tanàna

fa tsetsa tsy aritra…

toa safotra koa hono ilay lahiantitra…?
Raolonandrasana manko taraiky
nijajirika ela ka indray nitolantsika
nokopakopahana mihitsy vao taitra

dia izany sy izany:

ny « vahoaka » matory moa izany mpitazana
jinery anareo milalao sarimihetsika
ny vola tokoa hono tsy ananan-kavana
f’indreo somaritaka samy mitsetsitra

dia rehefa hanakaiky ilay teboka hamarana
tsy vitsy amy izay no hiala an-daharana
mandao mangina fa efa tsy hilamina
tavela amy izay ao Rajao matihanina

 

NARY. Mamitiana Randrianarison

17/07/2017.

 

Publicités

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué , , . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s