Nametra-pialana Atoa Gervais Rakotoarimanana ministry ny vola. Démission du ministre des Finances.

.

17/07/2017 – 11:30 : Governemanta: Nametra-pialana androany tamin’ny 11 ora ny Minisitry ny vola sy ny tetibola Gervais Rakotoarimanana, araka ny fanambarana nataony tamin’ny mpanao gazety teny amin’ny Hotely Carlton. Omaly hariva no efa saika hanao fanambarana ny tenany saingy nahemotra tamin’ny ora farany.

TiaTanindrazana.

.

Misavorovoro ny fanjakana Niala ny minisitry ny vola, hiova ny governemanta ?

17/07/2017

Mbola voaporofo indray omaly fa misy zavatra tsy milamina intsony ao anatin’ny governemanta sy ny fitondram-panjakana amin’ny ankapobeny.

Nahazo antso an-telefaonina ho fampandrenesana ny mpanao gazety omaly manodidina ny tamin’ny 5 ora hariva teo, avy amin’ireo mpiara-miasa akaiky amin’ny minisitry ny vola, Marie Gervais Rakotoarimanana fa hanao valandresaka ho an’ny mpanao gazety ingahy minisitra amin’ny 5 ora sy sasany ao amin’ny hotely Carlton Anosy. Samy nikoropaka ireo mpanao gazety izay nahafantatra io vaovao io ka namonjy teny an-toerana.

Rehefa niandry minitra maromaro teo dia nahazo teny indray hoe tsy raikitra ny valandresaka saika hataon’ny minisitra fa hahemotra amin’ny fotoana manaraka. Ny nanaitra dia ny hoe nahoana no mampiantso amin’ny andro alahady hariva ary tsy eny amin’ny biraony eny Antaninarenina fa any amina hotely ny minisitry ny vola. Nandeha teo ny adihevitra hoe nisy volamena tratra indray ve teny Ivato sa momba ireo vola taratasy vaovao no anton-dresaka ? Rehefa nandeha teo ny fikarohana loharanom-baovao hafa dia re fa nikasa hanambara ny fialany tsy ho mpikambana ao amin’ny governemanta intsony amin’ny maha minisitry ny vola azy Andriamatoa Gervais Rakotoarimanana.

Araka ny loharanom-baovao iray avy amin’ny mpiara-miasa akaiky aminy dia efa nahasoratra ny taratasy fametraham-pialany mihitsy izy mialoha ny niantsoany mpanao gazety hiresaka aminy teny amin’ny hotely Carlton ary efa voaloa ny hofantrano tao. Inona no antony nanosika an’ity minisitra ity hiala ary inona ihany koa no nampihemotra azy tampoka tamin’ny minitra farany ? Nandeha be ny resaka halina fa toa hoe naharay antso an-telefaonina i Gervais Rakotoarimanana ka izay no tsy niresahany indray tamin’ny mpanao gazety. Nisy loharanom-baovao nandrenesana indray avy eo fa tsy mety amin’ny fitondram-panjakana, hono, ilay minisitra mametra-pialana fa amboarina hoe nisaorana izy , izany hoe noroahina fa tsy nanala tena.

Ary efa nisy an’izay ihany dia mety hohararaotina ny fanovana ny governemanta, mety anio tolakandro na rahampitso satria handao an’i Madagasikara fa hiatrika ny lalaon’ny Frankofonia any Cote d’Ivoire ny filoha Rajaonarimampianina rahampitso talata.

RTT. TiaTanindrazana

.

Guy Rivo Randrianarisoa

Gervais5 G Rivo

Voamporofo amin’ny fametrahampialan’ny minisitry ny tetibola ny ahiahin’ny TIM amin’ity fitondrana ity hoy ny kestora Guy Rivo Randrianarisoa raha nanao valandresaka tamin’ny mpanao gazety izy

Efa reraka ny mpamatsy vola miresaka an’i Madagasikara hoy ny filoha Marc Ravalomanana nandritra ny fetin’ny Frantsay. ny zoma teo. , Tsy mitovy fijery amin’ny fitondrana amin’ny resaka mangarahara ny minisitra ny vola . eo koa ny ny fenitra tokony arahina.

Arp Helisoa . Ny Valosoa.

Publicités

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué , , , . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s