« Governemantan’ny ady », Dadan’i Zina.

GOVERNEMANTAN`NY ADY

 

Governemantan`ny ady , kanefa dia nisy nitsoaka ?

Dia inona indray izao no lainga holazaina an`iretsy vahoaka ?

Sa mbola hotohizana hatrany ireo ventin-kabary mampiesona ,

Ilazana fa hoe ianareo dia malaza ho tsy mandray lesona ?

 

Governemantan`ny ady , kanefa dia toa hafa indrindra,

Fa tena hivarina an-kady rehefa tsy miova famindra.

Satria ny fanao mahazatra no haverina sady tohizana,

Ka ny Hery Variana Mangalatra , atsy ho atsy tsy maintsy ho vizana.

 

Governemantan`ny ady , kanefa tsy izany no atrehiny,

Fa ny olo-mandeha lala-marina no finganiny na koa enjehiny ?

Dia fantaro sy dinidiniho , inona e no tsy maintsy ho vokany?

Ianareo ilay  lazaina fa hoe : “mpanakotrika atody lamokany”!

 

Governemantan`ny ady , kanjo tena nilaozan-dRazery ?

Tena fanina sa mody fanina ireto ekipanareo re Rahery ?

Efa marika izao , sy porofo,  fa ho rendrika ihany ny sambo.

Ny olon-kendry dia miala avy hatrany f`efa mandindona azy ny antambo .

 

 DADAN`i ZINA (19-07-17), Ny Valosoa.

.

Publicités

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué , . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s