« Nisy tsiky », Nitiah Nosy.

Nisy tsiky

.

Nisy tsiky tsy mba ravo,
tsy tena izy ka nandavo;
fanesoana fa tsy sitraka,
tsy ianteherana fa fitaka.

Nisy tsiky fandatsana,
‘zay fialonana mazana;
nifono fanosoram-potaka,
fisoketana atao ankolaka.

Nisy tsikim-pihafiana,
taratry ny fijaliana;
‘zay niniana hasetry ihany,
mba hanafenana tomany.

Nisy tsiky tsy voavidy,
nanamamiana ny mangidy;
solon’odim-panaintainana,
nanamaivana adim-pianana.

Fa nisy tsiky avy ao am-po,
nifanoloran’olon-droa;
« fitia » no hevitr’izy ireny,
fa torina tsy ankiteny.

Ny TSIKY antefa am-pitiavana,
loharanom-pahasambarana;
fa raha TSIKY an-tendro-molotra,
aleo hafitsaka, tsy atolotra.

 

Nitiah Nosy. Nitiah Nosy – Poeta

20/07/2017

.

 

 

 

Publicités

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s