Ny Valosoa, 20 Jolay 2017. Ireo vaovao. Ministry ny vola, Marc Ravalomanana, Ambatondrazaka, Coutiti, Sinoa, Fjkm…

Fifandraisana

Tsy matotra ny seraseran’ny fitondrana

 

Tsy matotra  ny Serasera eo anivon’ny fitondrana iray manontolo, izay no azo amehezana azy satria ny Ministra Gervais Rakotoarimanana efa etsy  amin’ny Hotel Carlton nilaza ny fametraham-pialany ; ny Filoham-pirenena mbola any am-pitokanana tetezana milaza fa tsy mahafantatra ny fametraham-pialan’itsy farany, ny mpanao gazety indray no lazainy fa milaza vaovao tsy marina. Mila fahamatorana sy fahaizana ny serasera eo anivon’ny Andrim-panjakana tsirairay satria lasa ny vahoaka no sahirana ; Nandeha be mantsy ny resaka fa hiala ny Ministra Gervais Rakotoarimanana ; afaka fotoana tsy ela indray dia nolazaina fa hiala ity Minitsra ity ; ny vaovao anefa efa naparitaka .

Vokany dia lasa tsy mpanao gezety tena mampihatra ny tena fahaizany ireo mpanao gazety mpandambolambo ny fitondrana ireo fa lasa mpamono afo  izany hoe lasa Pompier fotsiny.

Rina Rabemananjara

.

Fialan’ny  minisitry ny  vola

Ampidirina ny filoha Marc Ravalomanana koa

 

Tsy mba manaiky diso  mihitsy ny mpitondra HVM rehefa  misy zavatra miseho eto amin’ny firenena  fa  tsy maintsy izy ireo ihany no manana ny marina . Tompon’andraikitra lehibe, minisitry  ny fitantanam-bola sy ny tetibola Rakotoarimanana   Gervais  no mametra-pialàna,   fa  tahaka ny tsy misy dikany amin’ny mpitondra  izany , tonga  dia soloina  andro iray  taorian’ny  fametraham-pialàna, toy ny efa nomanina. Hita ihany anefa  ny fomba fiasan’ity fitondràna ity  fa  3 volana  vao mahavita manendry Praiminisitra . Sady ny  mampihomehy dia nilaza ny filoha Hery Rajaonarimampianina  fa  tsy mametram-pialàna izany ny minisitry ny vola  fa ianareo mpanao gazety no mamoaka vaovao tsy marina .

Ny minisitry ny vola  anefa nanambara fa efa ny zoma izy no nametraka  ny   taratasy fialàny  , ka raha izany no zohina ahoana no  iray andro monja dia efa nahita minisitra hisolo toerana  ny  nametra-pialàna ny filoha Hery Rajaonarimampianina  nefa milaza fa  tsy mahalala n’inon’inona  ?   Manan-kambo ny dikan’izany  ka tsy miraharaha na miala aza ny sasany, vao mainka midedaka ny gazety mpomba  ny fitondràna  fa  hiroso amin’ny fampandrosoana ny firenena amin’izay i Madagasikara  rehefa miala Gervais Rakotoarimanana .  Tsy vitan’izany ,   ampiasaina  ireo mersenera  amin’ny resaka serasera  mpamakafaka  politika  efa  fantatry ny rehetra ihany  ny mikasika  azy ireo   hanasa atidoha  ny  vahoaka Malagasy .  

Asaina manaratsy  ny minisitry ny vola teo aloha  izy  ireo amin’ny fanambaràna   fa nanome vahana ny filoha Marc Ravalomanana  izay mbola ananan’ny  fanjakàna vola be.  Mazava kosa aloha ny resaka e!  ny filoha Hery Rajaonarimampianina   minisitry ny vola tamin’ny tetezamita  voasazin’ny  vondrona Afrikana   mahafantatra ny halatra be vava nataon’ny mpitondra  tetezamita  tsy ara-dalàna   naka  sy nivarotra ny vary , menaka , lafarinina  fananan’ny TIKO  tany Toamasina , aiza avokoa  ny vola be  azo  tamin’ireny ?  Ny olona nangalarana sy  norobain’ny  mpitondra fanjakàna  tamin’izany   indray ve  no  lazaina fa ananan’ny fanjakàna trosa be   ?  Ny tondrozotra nitondràna  ny firenena tato aoriana  koa mazava  be fa  honerana  avokoa  ny fananan’ny filoha Marc Ravalomanana norobaina  tamin’ny 2009 .

Ka aiza ny minisitra manao ny asany araka ny tokony ho izy no henjehina  fa  matoa izy miala amin’io toeram-boninahitra  harovanareo   sy hamarotanareo   fanahy  io dia  misy antony  ao,   fa mba mahaiza maka lesona. Farany , aza ny filoha Marc Ravalomanana  izay lazainareo  fa mangidy hoditra amin’ny vahoaka sy  lazainareo  fa naloam-bahoaka  hatrany no lazaina fa ao ambadik’izay rehetra mihetsika eto ,  lazaina fa  tsy tian’ny olona nefa mampangovitra .

 Helisoa

.

Ambatondrazaka

Avelao hirotsaka avokoa izay te hirotsaka fa aza sakanana

 

Misy ny fanehoan-kevitra politika avy any Ambatondrazaka momba ny fifidianana filohampirenena ho avy. Tsy tokony hisy intsony ny fisakatsakanana fa aleo mihitsy izahay vahoaka no hisafidy ny olona tianay hitondra ny tany sy ny firenena. Hitovizan’ny olona rehetra io manoloana ny fifidianana izay ho Filoham-pirenena amin’io taona ho avy io. Raha milaza ho mamim-bahoaka ireo antoko na ny mpitondra na ny mpanohitra dia tokony hirotsaka hisedra izany hoy ny ankamaroan’ny olona nanaovana fanadihadiana. Tsy ilaina intsony ny “ni…ni” mba ialana amin’ny fahadisoan-dalana matetika hoy kosa ireo olona izay miaina ao anatin’ny sehatry ny politika.

Ny tena olana hoy ny ankamaroan’ny olona dia ny tahotr’ireo izay nanongam-panjakana ny firotsahan’ny Filoha Marc Ravalomanana izay hita ho tena mbola mamim-bahoaka hany ka manao tsindry etsy sy eroa ho entina manelingelina ity olom-bahoaka ity. Tsy mbola nisy Filoham-pirenena nahasahy namakivaky ny tanànan’ Ambatondrazaka hatramin’izay raha tsy i Dada hoy ny ankamaroan’ny olona. Izy ihany koa no Filoha nirotsaka teny an-tsaha nitafa tamin’ireo mpamboly sy mpiompy ka nahatonga ny fivoaran’ny fambolena sy ny fiompiana taty Alaotra izay nahafahan’izy ireny nividy “Kubota” sy moto nentina niasa. Miandry azy avokoa ny rehetra amin’izao fotoana izao ary tsy misy matahotra fifaninanana raha toa ka atao amim-pahamarinana izany.

Aleo halalaka ny vahoaka hifidy araka izany dia ho hita eo izay hametrahany ny fitokisany hoy ireo fanehoan-kevitra.

Raoul

.

Kolonely Coutiti

Miaro an-jambany ny fitondrana koa

 

Tsy hitan’ity fitondràna ity  mihintsy izay asiany ny tenany , ka asaina miteny avokoa izao olona  rehetra  izao  hiaro  ny  fahefana  eo ampelatanany . Iza no tsy nahafantatra ny tantaran’izany kolonely Coutiti izany teto Madagasikara nanomboka tamin’ny taona 1991  nampigadra azy voalohany rehefa nanao herisetra   ity farany  nandritra  ny tolona nataon’ny HERIVELONA nitaky ny fialan’ny  filoha Didier Ratsiraka  ka nahatonga ny filoha Zafy Albert hitondra ny firenena  . Nivoaka ny fonja i Coutiti  rehefa niverina teo amin’ny fitondràna  ny amiraly Ratsiraka . Nanao ny nataony indray ity kolonely ity rehefa  nitolona ho  fiarovana  ny safidiny ny Malagasy    ny taona 2002  nampiakarana  ny filoha Marc Ravalomanana  hitondra ny firenena . Toa anatin’izany  nitondra ny mafy ny vahoaka tany Diego  vokatry ny herisetra nataon’ity kolonely ity  , nisy mihintsy no namoy ny ainy tamin’izany sy nitondra  takaitra .  Navokan’i Andry Rajoelina mpanongam-panjakàna indray izy ny taona 2009, ity farany ihany anefa no namerina  amponja azy taty  aoriana .

Nivahiny tao amin’ny onjampeo tsy miankina  iray ny kolonely Coutiti  omaly  , fanaratsiana ranofotsiny ny filoha Marc Ravalomanana no nataon’ity farany tao anatin’izany , fa tsy misy hevitra mivaingana  sy mafonja ,  ary ny tena  manahirana  dia  lasa miteniteny foana tsy mahalala tantara  , ka lasa nihomehezana fotsiny sisa no niafaràny. Izany no tena hoe fiarovana an-jambany ny fitondrana fotsiny no nataony. Taiza ny filoha Marc Ravalomanana no nanapaka ny AGOA?  Tsy ny fanonganam-panjakàna nataonareo  ve no nahatonga   izany  ? Izay sisa no fomba fiadin’ny  HVM , hampitenenina  avokoa taorian’ny  15 jolay   izao olona  tsy  credible na tsy to teny   amin’ny vahoaka rehetra izao  :   Lalatiana Ravololomanana, Voninahitsy , Coutiti , iza koa ny manaraka ?…

Helisoa

.

Mpitondra fanjakana : mamorovoro tena toy ny tadio

 

Tsy sinemà intsony no ataon’ny mpiantsehatra ara-pôlitika amin’ny fitantanana ny Firenena amin’izao Repoblika IV izao fa sangodim-panina izay tsy hifarana raha tsy amin’ny fidaraboan’ny mpandray anjara rehetra rehefa tsy zakan’ny atidoha intsony izay haterany. Ny tena loza dia tian’ny mpitondra handray anjara amin’izany sangodim-panina ataony izany koa ny mpiray firenena ka misy tokoa ny mirotsaka an-tsehatra tsy te-hahalala izay mety ho fiantraikan’ izany eo amin’ny ho aviny.

Maro an’isa amin’izany ireo manampahefana isan’ambaratonga ao amin’ny fitondrana ka mirotsaka amin’ny asa mamoafady sy mambotry firenena ary manampatra fahefana. Tany am-boalohany dia nisangodina samy irery ny filohan’ny Repoblika IV ka nihevitra fa ho voavahany tao anatin’ny indray mipimaso avokoa ireo olana rehetra nihàtra tamin’ny vahoaka nateraky ny tetezamita izay niarahany nitantana ka noheveriny fa ny fanilihana ireo niaradia taminy sy fampidirana olon-kafa noheveriny naharaka azy amin’izany no nosintoniny. Tsapa anefa fa voahilika tsikelikely ireo sady nitsirepirepy no tsy nahita izay làlan-kombana intsony. Ireo manodidina akaiky kosa, nahita fa tena efa fanina tanteraka sy nalemy ny mpitarika dia nanararaotra ny toe-draharaha ka nody fanina fotsiny ary nandrombaka izay azony norombahana rehetra. Nitazana sady niezaka namingana kosa tetsy an-kilany ireo nahita fa efa tsy ho tafavoaka tao anatin’ilay sarika intsony ireo tafiditra tao.

Ny miaramila sy zandary ary polisy dia tsy nanan-katao afa tsy ny niaro ireo mpitondra tafara-dàlana ka nisambotra sy nanao ramatahora ireo olom-pirenena tsara sitrapo ka nampitandrina sy nanolo-kevitra nivoahana tamin’ny fibolisarana. Nivembena eo am-pijerena ny ataon’ny mpitondra azy ny vahoaka  ka ny sasany, noho ny fahantrana sy tsy fanana dia lasa mandroba sy mandatsaka ny ain’ny mpiarabelona aminy mba hahazoana izay hakepoka androany fotsiny. Variana mihodinkodina anefa ny manampahefana ka tsy afaka mikaroka hevitra sy paikady mahomby hamerenana ny fahalemana manerana ny Firenena. Mety tsy ho ampy arak’isa angamba ny foloalindahy kanefa kosa toa mitangorona an-tanàn-dehibe fotsiny izy ireo. Nisy vata-miaramila arivo anefa afaka niambina tao Mahamasina ny 26 Jona 2017 lasa teo. Raha zato anefa no halefa hampandry tany any amin’ireo faritra mafanafana dia mety hilamina ihany ny tanàna.

Ny zava-doza anefa dia misy singa maromaro mamatsy fitaovam-piadiana ireo jiolahy kanefa dia tsy araky ny mpifehy azy ireny izany raha tsy efa aty aoriana ela. Angamba noho ny fiheverana fa ireo mihodinkodina fotsiny eto an-drenivohitra toa mahazo tsipitsipy kely foana isaky ny misy hetsika kanefa izy ireo kosa dia tsy manan-kantenaina ankoatr’izay zony isam-bolana. Ny vahoaka tsy mandady harona kosa dia atao fitaovana ihany ka hisarangotan’ny mpitondra amin’ny fampanantenana volana aman-kitana. Farany teo tokoa dia nampanantena indray ny filohan’ny Repoblika fa hazava amin’izay Madagasikara iray manontolo satria hahazo famatsian-jiro avokoa ny tanàna rehetra. Tsy ho azoazo fotsiny amin’izao anefa izany satria tsy afaka hampiditra herinaratra ao an-trano ny olona raha tsy mahaloa ny saran’izany. Tsy azo antoka anefa fa manam-bola entina hanatanterahana izany ho an’ny tafo amina tapitrisany izao fitondrana izao. Tsy hamoaka vola avy any am-paosiny koa anefa ny filohan’ny Repoblika ka inoana fa tsy ho voasarika amin’izany sangodim-panina izany ny olompirenena mahay mandinika satria vao tsy ela izy no nilaza fa “ny valala eny an-danitra tsy azo asian-tsira”.

Na izany na tsy izany dia misy kosa ny mahatsapa ny tsy mampety ny fitantanana ny raharaharam-pirenena sy ny fitantanam-bolam-bahoaka ka nanaja tena tsy te hitsirepirepy miaraka amin’izao fitondrana izao intsony ka miala sy mampiseho fa famonoan-tena ary ho fahafaham-baraka eo imason’ny vahoaka sy ny vondrona iraisam-pirenena raha mbola miharitra ny sangodim-panina misy. Haingana dia haingana ny fanovana ny minisitry ny vola sy ny tetibola nametraka fialàna. Saro-panina ihany ny vehivavy kanefa mahari-pery koa ka ny ampitso no hamaritra ny fahamarinan’izany.

  Andry Tsiavalona

.

.

Hazandranomasina

Mitaraina  ireo mpanangombokatra  fa lasan’ny Sinoa  ny trondro

 

Lasan’ny Sinoa ambongadiny i Madagasikara  raha izao no mitohy hoy ny feo heno  eny rehetra eny . Efa lasan’ny sinoa ny fitrandrahana  ireo harena ankibon’ny tany  manerana ny faritra maro eto Madagasikara , izao  any  amin’ny hazandranomasina  eto Madagasikara indray no ataony majifa . Mitaraina ireo mpanangona   vokatra    mandoa  volam-panjakàna   ara-dalàna  any  amin’ny faritr’i Mahajanga iny    fa  tsy mahazo  hazan-dranomasina  tsara intsony ireto farany  fa miditra an-tsehatra manatona  ireo  lakana  ny Sinoa  , ka ataony majifa ny vokatra tsara  fa izay sisa tsy laniny sisa no omena ireo mpandraharaha Malagasy efa nivelona tamin’izany nandritra ny taona maro . Tonga dia miantraika mivantana amin’ny mpivarotra hazandranomasina  aty Antananarivo  izany  satria  sady lasa miakatra  be ny vidiny  ,  ireo sisa  tsy  tian’ny  Sinoa sisa no hamidy ho jifain’ny mpanjifa eto an-toerana   . Ny  hazandranomasina   dia sakafo  ilain’ny Malagasy satria mitondra hery  ara- pahasalamana feno  ho an’ny rehetra , ka ny hatahorana dia tsy afaka hanjifa trondro intsony ny Malagasy raha tsy mandray andraikitra  haingana  ny  mpitondra fanjakàna  .

Miangavy ny mpitondra fanjakàna ireo mpanangona  hazandranomasina mba hijery akaiky izao toe-javatra izao fa  tena potika  tanteraka ny Malagasy  raha izao no mitohy .

Helisoa

.

Tsy fandriampahalemana

Nitokona ny  mpitatitra teny amin’ny Fasan’ny Karana

 

Tsy laharam-pahamehana  ho an’ny fitondràna HVM ny resaka tsy fandriampahalemana  miseho lany eto Madagasikara . Rehefa misy   voadona  ireo  vondron’olona  lehibe  eto amin’ny  firenena  hatahoran’ny fitondràna  hanembatsembana azy dia maika ny  filoha  Hery Rajaonarimampianina  na ny Praiminisitra  manome baiko ny  mpitandro filaminana  handray andraikitra . Mijanona ho resaka ambony vavahady fotsiny anefa izany  fa  tsy misy  fanatanterahana. Ankehitriny ,  miseho lany  ny  fandrobàna  arahina  famonoana  olona ho faty , asan-dahalo , fanafihana taksibrosy    izay vao niseho omaly  ka nahatonga  ny  fiara  mandeha any amin’ny faritany   nanao fitokonana omaly .

Tsy misy  fandraisan’andraikitra matotra aroson’ny fitondràna manoloana izany , nefa  zaraina  ohatra  ny vatomamy  ny  manamboninahitra jeneraly   eto amin’ny firenena .  Ny fanakanana ireo mpifanandrina politika amin’ny mpitondra  hanao  fety fankalazàna  ny  nijoroany no  amoahana  miaramila  tsy hita noanoa  , na  ireo antoko sy fikambanana  manao hetsika fitakiana am-pilaminana .

Helisoa

.

Finoana

Handray ny jobily volamen’ny FJKM Antsiranana

 

Handray ny jobily volamenan’ny fiangonana FJKM Antsiranana, ho tanterahana any Diégo tokoa ny 18 ka hatramin’ny 20 Aogositra ho avy izao ny fanokafana amin’ny fomba ofisialy ny fankalazana ny faha-50 taonan’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy eto Madagasikara sy ny faha-200 taona nahatongavan’ny Misiona LMS (London Missionary Society) teto amintsika.

Araka ny fantatra, hanatrika izany fanokafana izany mazava ho azy ny filohan’ny FJKM eto Madagasikara Irako Andriamahazosoa Ammi sy ny filohan’ny komitin’ny jobily fankalazana, ny filoha Marc Ravalomanana. Efa miomankomana hihazo ny faritra avaratry ny Nosy arak’izany ny ankamaroan’ny mpino FJKM. Hisy ny fiara iombonana ho an’ireo tsy mandeha fiara manokana, ny fisoratana anarana amin’izany fiara iombonana izany dia atao ao amin’ny Foibe FJKM etsy Analakely hatramin’ny 31 jolay ho avy izao, tokony homena ny tompon’andraikitra ihany koa ny isan’ny handeha amin’izany lanonam-panokafana any Antsiranana izany ho an’ireo fiangonana isanisany. Ho vonto filazantsara tokoa ity Nosy ity noho izany, araka ny teny faneva amin’izao fankalazana izao.

Aly

.

Valosoa 20 Jolay5

.

.

.

.

 

Publicités

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué , , , , , . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s