« Izay tiany ihany », Dadan’i Zina.

IZAY TIANY IHANY !

 

Dia mitohy hatrany hatrany ny hadalan-drafanjakana.

Tsy ampiharina ny didy, tsy hajaina ny lalàna,

Fa “zay tiany ihany”,hono , izany ihany no ataony,

Ka dia fitaka sy lainga , izay no hany kilalaony!

 

Dia mitohy hatrany hatrany ny hadalan-drafanjakana.

Ireo nikasa mba hifety dia indrisy noraràna.

Natahorana , hono , mantsy sao ho feno ny kianja,

Ka nanaovana antsojay sy tsy navela hifalihavanja.

 

Dia mitohy hatrany hatrany ny hadalan-drafanjakana,

Ka asai-miteny indray ireo avy any am-pigadrana.

Hita taratra mihitsy hoe ny “mamba tena noana,”

Nosisihim-bola kely  dia miteniteny foana .

 

Dia mitohy hatrany hatrany ny hadalan-drafanjakana,

Ka mitombo ny krizy , miakatra ny maripana.

Ireo miseho ho manakiana dia gejaina tsy hitraka.

Tsy milamina ny tany , ny dahalo no manjaka!

 

Dia mitohy hatrany hatrany ny hadalan-drafanjakana.

Toa midika fa mizotra ho any an-dalam-pianjerana.

Tsisy zavatra manjary , potika ny firenena.

Hery Vaovao Mitanjaka no hany sisa mba jerena !

 

DADAN`i ZINA (20-07-17). Ny Valosoa

Ny Valosoa logo

Publicités

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué , . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s