Hvm sy ny Tim. Hetsibahoaka, Fandriampahalemana, dahalo. J. L. Randriamihoatra. GValosoa, Sobika…

J L Randriamihoatra

#Hetsibahoaka #Fandriampahalemana

𝐅𝐀 𝐌𝐀𝐍𝐈𝐍𝐎𝐍𝐀 𝐍𝐎 𝐌𝐈𝐓𝐀𝐃𝐘 𝐊𝐎𝐑𝐎𝐍𝐓𝐀𝐍𝐀 𝐀𝐍-𝐊𝐎𝐋𝐀𝐊𝐀 ?

Aminay, mazava ireny fanambaràn’i Rakotovao Rivo, Filohan’ny HVM, ireny … famporisihana an-kolaka tsotr’izao ny hisian’ny korontana aloha, mandritra na aorian’ny 𝗙𝗮𝗻𝗸𝗮𝗹𝗮𝘇𝗮𝗻’𝗻𝘆 𝗧𝗜𝗠 𝗻𝘆 𝗙𝗮𝗵𝗮-𝟭𝟱 𝗧𝗮𝗼𝗻𝗮𝗻𝘆 eny Mahamasina.

Maninona izy raha mampitandrina ireo mikasa hanakorontana sy « handoro trano » … ary miangavy ny Mpitandro Filaminana mba ho mailo sy hanampy ny TIM amin’ny fitandroana ny fandriampahalemana ?

𝙰𝚣𝚊 𝚖𝚊𝚖𝚋𝚘𝚕𝚢 𝚔𝚘𝚛𝚘𝚗𝚝𝚊𝚗𝚊 𝚛𝚎, 𝚛𝚢 𝙷𝚅𝙼 (𝚜𝚢 𝙿𝚛𝚎𝚏𝚎𝚝) …
… 𝚏𝚊 𝚖𝚋𝚊 𝚖𝚊𝚗𝚊𝚘𝚟𝚊 𝚛𝚊𝚑𝚊 𝚖𝚊𝚑𝚊𝚟𝚒𝚝𝚊 𝚝𝚜𝚒𝚜𝚢 𝚏𝚒𝚣𝚊𝚛𝚊𝚖-𝚋𝚘𝚕𝚊 𝚜𝚢 𝚝𝚎𝚎-𝚜𝚑𝚒𝚛𝚝𝚜 𝚗𝚊 𝚏𝚒𝚔𝚊 𝚑𝚊𝚏𝚊 𝚎𝚝𝚘 𝙰𝚗𝚝𝚊𝚗𝚊𝚗𝚊𝚛𝚒𝚟𝚘.

Jean-Luce Randriamihoatra

Fa i Rivo Rakotovao no iza ê, mampitandrina ny Filoha Marc Ravalomanana ity izy !

Mampitandrina ny Filoha Marc Ravalomanana izany ny mpitarika ny antoko HVM, Rivo Rakotovao : « Raha mbola miziriziry ny TIM amin’io hetsika ho kasainy atao amin’ny asabotsy io dia tsy « hitsitsitsitsy » mitsy ny mpitandro ny filaminana ! »

Manangan’ady tokoa ny fitondrana ankehitriny, tsy mahazaka demokrasia ary indrindra mampiasa ireo herim-pamoretana atao biby fampitahorana ! Misy fetrany anefa izany rehetra izany…hatreto aloha dia miandry ny « préfet de police »

 

Le pouvoir actuel ne supporterait pas de revoir une foule pacifique le week-end prochain !

Le parti Tiako-I-Madagasikara a déposé une demande d’autorisation auprès du préfet d’Antananarivo pour célébrer ses 15 ans à Mahamasina. Contre toute attente, c’est Rivo Rakotovao, président du HVM qui apporte une réponse. D’ailleurs, il menace le Président Marc Ravalomanana et sa troupe, puisque les forces de l’ordre seront impitoyables samedi prochain ! On attend donc une réponse officielle du préfet de police…et visiblement, le pouvoir actuel ne supporterait pas de revoir une foule pacifique dans les rues de la capitale le week-end prochain !

Le parti du Président Ravalomanana fait trembler le pouvoir actuel

Le parti Tiako-I-Madagasikara (TIM) fait visiblement trembler le pouvoir actuel comme l’a fait entendre Rivo Rakotovao, « Je n’ai pas envie de revivre les évènements de 2009 » a-t-il lancé jusqu’à imaginer des scénarios catastrophes. Et pourtant, le programme du TIM est plutôt festif qu’autres choses et encore moins d’aller renverser un régime soutenu par une poignée de militaires dans la rue ! La question que l’on peut se poser, ce régime sanglant serait-il en train de fomenter un « pseudo » coup d’Etat dont il serait la principale victime ?

Depute Guy Rivo :

Tsy mpanongampanjakana ny TIM fa Antoko manaja ny tany tandalana, hafa ary tsy mitovy 2009, miandry Préfet de Police hamaly fa tsy ny Minisitra Rakotovao Rivo Pdt Hvm no manapaka. Fety be ranoray Mahamasina 29/07/2017.

Asa marobe no miandry ny Fitondrana Hvm, isan’andro ny loza, ary eraky ny Nosy.

Ohatra iray, Aiza ny Mpitandro Filaminana ?

Alakamisy 20 Jolay

Mandronarivo-Beroroha : Olona fito maty novonoin’ny dahalo

Nitrangana fanafihan-dahalo in-droa nisesy tao amin’ny Kaominina Mandronarivo, Distrikan’i Beroroha, Faritra Atsimo Andrefana tao anatin’ny 48 ora, izay nahafatesana olona miisa fito.

Ny alakamisy 20 jolay alina, dahalo 60 lahy nanafika ny Fokontany Matalazo. Olona telo maty novonoin’izy ireo, mbola naka vehivavy iray natao takalonaina. Lasa avokoa ny omby aman-jatony tao an-tanàna.

Ny sabotsy 22 jolay, nanafika vao maraina tao Beroy ny dahalo 200 lahy. Maty novonoin’izy ireo nandritra ny fifandonana ny Jamà telo lahy, izay sivily mpiambina tanàna, miampy mpiarakandro iray. Lasan’ny dahalo ny omby miisa 500 tao an-tanàna.

Raharimanana Patrick

www.sobikamada.com

Fandriampahalemana

Mpitandro ny filaminana Malagasy Natao handrava grevy fotsiny ve sisa ?

22/07/2017

Tsy sanatria hanao fitsikerana be fahatany fa tsikaritra ho modraka sy tsy mahita atokona manoloana ny tsy fandriampahalemana eto amin’ny firenena ny mpitandro filaminana, fa manana ny hery tsy hay tohaina kosa amin’ny endrika famoretam-bahoaka sy amin’ny zavatra tsy dia laharam-pahamehana loatra.

Voabaikon’ny mpitondra sy toa entiny amin’ny sangany, indrindra fa ireo lehibe, ka dia lasa fitaovana politika sisa. Mibaribary fa ampy fitaovana sy matanjaka rehefa hanakana antoko iray tsy mitovy hevitra amin’ny mpitondra hanamarika ny tsingerin-taonany, ka saika ny lehiben’ny mpitandro filaminana eto amin’ny firenena no miara-mijoro sy milaza fa loza mitatao ho an’ny filaminam-bahoaka izany. Resaka horonan-tsary any anaty fesiboky sy aterineto momba ny fanaovana mpanakanto iray akanjona mpitandro filaminana no mampidingin-drambo sy hanaovana fanambarana miezinezina fa ho hentitra amin’ny fanenjehana.

Milaza ho tsy ampy fitaovana, tsy manana solika, tsy ampy olona, mila tambin-karama,… kosa rehefa mba ny vahoaka no mila vonjy. Fahafaham-baraka tsy roa aman-tany ho an’ny mpitandro filaminana, ohatra, ny nandre nandritra ilay fanafihana taksibrosy tany Ambalavao any amin’ny RN7 fa sahy nifanatrika tamin’ny dahalo ny mpitandro filaminana, nisy fa nandositra no natao. Resaka fesiboky sy horonantsary na fankalazan’ny antoko iray ny tsingerin-taonany ve hampidi-doza mihoatra ny jiolahy manafika sy mamono olona sy ny dahalo mpangalatra omby sy mpanakan-dàlana?

Fanitsakitsahana lalàna

Lalàna iraisam-pirenena ny tsy fahafahana mitondra sy mampiasa fitaovam-piadiana mahery vaika rehefa misy ny hetsika toy ny famoriam-bahoaka, ary maro ireo dingana sy fepetra tokony harahina toy ny hoe “baton” no entina, rano no hitifirana sy hanapariahana olona,…saingy tsy hay na tsy fantatry ny mpitandro filaminana Malagasy na eto amintsika mihitsy no hafa mihitsy ny lalàna?

Tahaka ny hifanandrina amin’ny dahalo sy ny jiolahy na ny mpanani-bohitra avy any ivelany ny fihetsika manoloana ny vahoaka tsy manana afa-tsy tanam-polo. Nisy ihany koa ny didy navoakan’ny Fitsarana avo momba ny lalàm-panorenana mitondra ny laharana 02-HCC/AV tamin’ny 16 septambra 2011 mifandraika amin’ny voalazan’ny fehezan-dalàna  56, 65 ary ny 95-II ao anatin’ny lalàmpanorenana momba tsy tokony hampiasan’ny manampahefana sivily azy amin’ny tsy tokony ho izy na ho an’ny tanjona ara-politika na ho amin’ny tombontsoa manokana. Iaraha-mahita anefa fa ho amin’ny tombotsoa politikan’ny mpitondra no tena hampiasanana ny mpitandro filaminana, saingy efa fanjakan’ny manana basy ama-tafondro ny eto, ka samy manao izay tiany…

Toky R. TiaTanindrazana

Manofy 2009 ny sasany… Hanonga-tena dia Tetezamita indray.

 

Ravalo sy ny hvm a

Publicités

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué , , , . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s