« Ny Iraisam-pirenena », Sedera Ravalison.

NY IRAISAM-PIRENENA

 

“Ity no olona atokisan`ny iraisam-pirenena”.

Izay no re ombieny ombieny raha vao misy fanendrena.

Dia miandry ny rehetra, miandry izay fahagagana.

Kanjo inona no teo ? Miesona ny iray tanàna!

 

Tsisy zavatra mba vitan`itsy olo-notendrena.

(Olona hobaikoina mantsy fa tsy mahaleo tena).

Mihodina etsy dia mankatsy fa tsy mety tafavoaka.

Mainka toa mangeroka aza sady feno ny kapoaka.

 

Izay ilay olona natolotry ny “iraisam-pirenena”,

Koa dia aza mino intsony ry vahoaka nohosena,

Hoe hamaha ny olanao no tena tanjona imasoany,

Fa ny hangeja anao tsy miato , izay no fototra ijoroany.

 

Ireo mpanjanatany omaly no mampiasa hafetsena,

Dia mivondrona ao anatin`ny “iraisam-pirenena”.

Ao zareo no miafin`endrika saingy hita tsotr`izao

Fa mbola mihevitra ny hanjanaka amim-pomba vaovao.

 

 SEDERA  RAVALISON (23-07-17). Ny Valosoa.

Publicités

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s