Ny Valosoa, 25 Jolay 2017. Manakara-Tim, Midoka tena ny mpitondra, Hery sy Andry, Vola vaovao,

 

Faha-15 taona sy kongresim-paritry ny TIM

Manakara indray tao aorian’Iarivo sy Mandritsara

 

Fantatra izao fa ho tanterahana ny 3 aogositra ho avy izao any Manakara, renivohitry ny faritra Vatovavy Fitovinany ny kongresim-paritry ny antoko Tiako i Madagasikara (TIM). Efa nahazo ny fahazoan-dalana avy amin’ny fiadidiana ny tanànan’i Manakara izany fihaonana hataon’ireo mpikatroka amin’iny faritra iny any an-toerana, ka ao amin’ny Hotel Mangneva Manakara no hanaovana izany. Hiatrika izany kongresim-paritra izany, ireo mpikatroka sy ireo mpitarika ity antoko ity avy amin’ireo distrika mandrafitra an’i Vatovavy Fitovinany dia i Manakara mpampiantrano, Mananjary, Nosy-Varika, Ifanadiana, Ikongo, Vohipeno. Ankoatra an’ireo distrika ireo, mety ho avy ihany koa ny avy any amin’ny faritra Atsimo Atsinanana iny toy ny avy any Farafangana, Vangaindrano, Midongy Atsimo,…

Mbola tsy azo ny fahazoan-dalana tamin’ny solontenam-panjakana, na izany na tsy izany, heverina fa tsy hisy ny olana satria anaty trano no hanatanterahana izany, anaty Hotel fa tsy ankalamanjana, noho izany tokony tsy hisy ny sakantsakana amin’io kongresim-paritry ny antokon’i Dada any Vatovavy Fitovinany io. Araka ny fantatra dia ho any Manakara ny filoha nasionalin’ny antoko TIM Marc Ravalomanana amin’io fotoana io. Tao aoarian’Antananarivo sy Mandritsara izay nisy fanakantsakanana, heverina fa hizotra araka ny tokony ho izy ny kongresim-paritry ny TIM any an-toerana sy fankalazana ihany koa ny faha-15 taonan’ny antoko.

Isambilo

Midoka tena toy ny papelika ny mpitondra nefa tsy mahavaha olana

 

Tsikaritra ankehitriny fa manao izay fomba rehetra hanasongadinana  izay heveriny fa zava-bitany sy izay zavatra  ataony ny mpitondra fanjakana ankehitriny  na betsaka na kely. Raha ny tokony ho izy anefa dia tsy tokony handoka tena izy ireo satria raha ny fisainana Malagasy dia tsy tsara ny mandoka tena ka itenenana toy ny  hoe : Izaho no tena dadany. Tsy hitanareo angaha ny zava-bitanay ; ny jamba ihany no tsy mahatsapa ny asa sy ny ezaka ataon’ny fanjakana. Mahavita zavatra izahay toy izao tetezana izao sy ny maro tsy voatanisa .

Tsy fantatry ny sasany angamba ilay fiteny mirakitra Fahendrena Malagasy  manao hoe : Ny soa atao levenam-bola. Fantatry ny olona foana ny soa sy ny tsara ataonao fa tsy ilana mpandoka . Matoa ny maro tsy mandoka ny mpitondra ankehitriny dia ny fahasahiranana iainany isan’andro aloha  no mbola hitany sy tsapany, izay tsy voavahan’ny mpitondra mihitsy, izany anefa no tena ilain’ny vahoaka ny fanatsarana ny any am-bilany fa tsy zava-bita kely etsy sy eroa, tsy misy fiantraikany akory aminy mivantana. Ilay mpitondra ankehitriny tokoa toy ny papelika ka midoka tena fotsiny, nefa tsy misy hapoka mihitsy amin’ny fitantanam-pirenena, ny tsy fandriampahalemana tsy voavaha, ny kolikoly manjaka amin’ny sehatra rehetra, ny tanin’ny vahoaka omen any vahiny,… sa ahoana hoy ianao?

Rina Rabemananjara

Ny Valosoa 25 Jolay2

Fandaharan’asan’ny Filohampirenena

Fanalan’ny olona andro sisa

 

 Isany nahazo toerana eo amin’ny andavanandron’ny olona sisa ny fanalana aza amin’ny zavatra ataon’ny mpitondra firenena. Hatreto dia tsy misy zavatra hita mivaingana ataon’ny mpitondra fanjakana rehetra mba miantraika amin’ny andavan’andron’ny Malagasy maro an’isa na dia ambaran’ny mpitondra aza fa miakatra ny harin-karena ary mandeha ny raharaham-pirenena. Isan’ny nibahana tato ho ato ihany koa ny fampitam-baovaon’ny filoham-pirenena amin’ny alalan’ny teknolojia sy ny tambazotran-tserasera maoderina, izay azo lazaina fa tsy dia misy mpanaraka firy izany raha ny isan’ireo mpijery izany na dia efa andiany maromaro ihany aza izay vitany izay. Isan’ny antony tsy ahitan’ny olona ity fandaharana ity ny lafiny teknika satria raha ny antontan’isan’ny olona afaka mampiasa izany raha ny fanadihadiana dia vao ny 5% ny Malagasy no afaka manaraka ny teknolojia maoderina raha toa ka vao ny 14% ny Malagasy no misitraka herin’aratra.

Ny mpanao gazety no isan’ny manaraka ity fandaharana “Fotoam-bita” vokarin’ny filoham-pirenena ity ka isan’ny namokatra fandaharana manatsikafona izany ny mpanao gazety avy ao amin’ny MLE ka vao mainka naharomotra ny mpitondra fanjakana ka nitadiavana ny hisamborana an-kolaka ireo izay namokatra izany. Efa niditra andiany fahatelo izany amin’izao fotoana satria dia nitohy foana ny famokarana ilay “Tsy mahaleo ny sampona” na dia hita aza fa tsy dia lavorary toy ny andiany voalohany izany. Ny nanaitra indray anefa ny faran’ny herinandro teo dia nisy indray ny famokarana fandaharana vaovao hafa amin’ny tambazotran-tserasera ka nampitondraina indray ny anarana hoe: “Marina izany Président”, izay mbola mpanao gazety ihany koa no mamokatra izany.

Eo indrindra no mahalasa saina fa toa tsy mahomby amin’ny lafiny maro ny seraseran’ny fiadidiana ny Repoblika ka mahatonga ny maro manao “defi” ho hitan’izay mpamokatra ny an’ny filoham-pirenena fa tsy ny zavatra tokony ho ilain’ny Malagasy no ataon’izy ireo ka asehon’ireo ho an’ireo olom-bitsy ampahan’ireo 5% afaka mijery izany. Fehiny: na dia miezaka mafy manao fanampenam-bava ny avy ao amin’ny MLE aza ny mpitondra fanjakana dia misy hatrany ny mahavita mamorona zavatra hafa mitovy ny an’ny mpitondra fanjakana; izay tonga dia be mpijery avokoa raha mitaha ny an’ny filoham-pirenena. Ny azo antoka aloha dia efa tsy mahasarika ireo olona latsaky ny 5% izany ny zavatra ataon’ny filoham-pirenena, izay olona azo antoka ireo fa efa manana traikefa sy mba afaka mandanjalanja ny raharaham-pirenena ka afaka maneho hevitra, saingy ny mifanohitra amin’izany no miseho, izany hoe efa tsy misy mpiraharaha intsony ve ity fitondrana ity fa atao fanalan’andro sisa?

Lezama

Ny Valosoa 25 Jolay4

Fampianarana

Aoka tsy ampidinina ny lentam-pahaizan’ny mpianatra Malagasy

Ao anaty fotoana fahatelo farany amin’ny fanadinam-panjakana tanterahina isan-taona eo amin’ny seha-pampianarana isika ankehitriny. Efa vita avokoa sy efa nivoaka ny valim-panadinan’ireo roa voalohany dia ny Cepe sy ny Bepc. Ny fanadinana Bakalorea kosa no atrehin’ny mpianatra amin’izao fotoana izao n any amin’ny fampianarana ankapobeny na ny teknika. Nanaitra ny saina ihany ny hita tamin’ny fampahalalam-baovao nifandraika tamin’ireny fanadinana ireny satria nisy mpampianatra sahy milaza, fa sarotra loatra ny fanadinana. Nisy ihany koa anefa ireo manome metôdy ny mpianatra, indrindra ho an’ireo eny anivon’ny kilasy famaranana, izay tena hita ho latsa-danja tokoa raha miohatra amin’ny fampianarana tany alohaloha tany.

Rehefa jerena dia toa may fotsiny ireo mpampianatra, indrindra amin’ireto sokajy farany, hanome fahaizana tsy feno ny mpianatra nanovo fahalalana tao aminy. Amin’ny taranja sasany, ohatra, dia tsikaritra, fa mifanakaiky, mba tsy ilazana azy hoe mitovy, amin’ny fahaizana omena ny kilasy fahatelo manàla fanadinana Bepc no ampianarina ireo mpianatra. Tsikaritra, fa maromaro ireo mpampianatra manao izany fomba tsy mahomby izany. Tsy lavina, mety ho viarain’ny mpianatra tsara izany metôdy izany, kanefa mampihena ny lentam-pahaizan’ilay mpianatra.

Ny manahirana ny saina ny mieritreritra azy, dia ny any amin’ny fanadinana ara-panjakana mitaky lentam-pahaizana ambony kokoa hatrany. Iaraha-mahalala ny salanisa notakiana tamin’ny mpianatra niatrika ny fanadinana bakalorea tato anatin’ny taom-pianarana roa farany izao.  Mbola hohazonina ve io salanisa io amin’ity sa mbola ho hakarina ambonimbony kokoa indray? Tsy misy maharatsy izany, saingy tokony ho mifandraika amin’izany ny fampiakarana lentam-pahaizan’ny mpianatra amin’ny fanomezana fahaizana amam-pahalalana feno sy ambony hatrany ihany koa azy ireo, fa tsy entina mitsontsorika toy izao. Mbola miharihary ny vokatr’izay fampidinana ny lentam-pahaizan’ny mpianatra Malagasy izay amin’ireo afaka fanadinana bakalorea ka hiatrika ny fanadinana fifaninanana fidirana eny amin’ny Oniversitém-panjakana. Ary mbola manamafy sy mikolo izay fahamabanian’ny lentam-pahaizan’izy ireo izay ihany koa, na andaniny, ny risoriso na kolikoly amin’ny fampidirana mpianatra eny amin’ny Oniversitém-panjakana izay, na ankilany, ny fanerena an-kolaka ny hidirany eny amin’ireo sekoly ambony tsy miankina. Tsy midika anefa akory izany, fa manao an-tsirambina ny fandraisana ny mpianatra ireto farany. Tsy lavina, ary iaraha-mahita, fa tena misy sekoly ambony tsy miankina sasany manao izany ho fitadiavam-bola aman-karena fotsiny ary mamitaka mpianatra. Fa misy koa anefa ireo tena matotra sy hentitra ary sarotiny mihitsy amin’ny lentam-pahaizan’ny mpianatra…

Tsy tombontsoa hoan’ireo mpianatra velively sy ho an’ny firenena ny tsy fiezahan’ny mpampianatra manome fahaizana amam-pahalalana ambony mifanaraka amin’ny kilasiny sy amin’ny vaninandro ankehitriny. Misy amin’ireo mpampianatra anefa no tena minia manao izany, ary miseho hatrany amin’ny fitsarana fanadinana io…

Sôh’son

Fahasahiranan’ny firenena

Mifanilika indray Hery Rajaonarimampianina sy Andry Rajoelina

 

Firenena efa  tokony ho lasa lavitra i Madagasikara  tamin’ny  nitantanan’ ny filoha Marc Ravalomanana  ny firenena  raha  tsy  nisy ny fanonganam-panjakàna  notarihin’i Andry Rajoelina sy ny forongony tamin’ny taona 2009 .  Niakatra ambony  ny tahan’ny harin-karena faobe  teto Madagasikara  talohan’ny 2009  ,  niaina am-pilaminana ny Malagasy , nanjaka  ny fandriampahalemana  ,  tsy nisy ny gaboraraka  teo amin’ny fitantanana ny firenena , maro ny vola  vahiny  tahiry  tao amin’ny banky foibe ,  nisokatra ny  CSB maro manerana an’i Madagasikara ,  nandeha araka ny tokony ho izy ny lafiny fanabeazana  ,  maro ny fotodrafitr’asa  lehibe niforona  toy ny  lalana  sns…. Ny taona 2009 anefa nisy ny fanonganam-panjakàna notarihin’i Andry Rajoelina  sy ny forongony   , voasazy i Madagasikara  vokatr’izany , rava avokoa  ireo  tetikasa nimatimatesan’ny filohampirenena Marc Ravalomanana tamin’izany .

Nanjaka  ny gaboraraka  sy ny  fanondranana  antsokosoko ireo  harem-pirenena  , bolabola andramena ,  vatosoa , volamena , tsy notohizana fa nopotehina  ny  zavatra tsara nataon’ny filoha amperin’asa  voafidim-bahoaka  .  Ankehitriny  , vita ny tetezamita tsy ara-dalàna   niarahan’ny filohan’ny mpanongam-panjakàna  Andry Rajoelina  sy ny minisitry ny vola  Hery Rajaonarimampianina  nitondra   tamin’izany . Tato aoriana , niroso tamin’ny fifidianana ny firenena  ka   lasa filohampirenena ity farany nanomboka  ny taona 2014  na  nisy aza  ny zavatra tsy nety  taloha , nandritra ary taorian’ny  fifidianana  tamin’ny  fampiasan’ny filohan’ny tetezamita    ny fahefam-panjakàna  mba haha filoha ny antokon’ny lazaina  fa Hery Vaovaon’i Madagasikara  tamin’izany    . Nivadika  ny  andro  ka 4 taona  latsaka  kely  izao  no tonga teo amin’ny fitondràna  ny HVM,  raha ny fanehoan-kevitry ny filoha  Hery Rajaonarimampianina  amin’izy mitantana  ny firenena  ankehitriny izao  no halalinina    dia toy ireny  olona tsy tao anatin’ny fitondràna tetezamita ireny mihintsy  ny tenany   nefa  dia  ao anatin’ny lisitra voasazin’ny vondrona afrikana  tao anatin’ny 109  izy .

Lasa toa manilika  ny rihatra any amin’ny  lehibeny taloha  Andry Rajoelina  izy  raha ny fanehoan-kevitra nataony nandritra ny fihaonany tamin’ireo Malagasy monina any Cote d’hivoire  nandritra  ny nivahinianany tany nanokatra ny lalaon’ny Frankofonia .  Nanambara ny  filoha Hery R. fa firenena tokony ho  lasa lavitra  i Madagasikara , maro ny firenena toa antsika hoy izy , nefa aiza izy ireo amin’izao? Rehefa nandray ny firenena aho hoy izy tamin’ny 2014  dia Madagasikara voasazin’izao tontolo izao sy ny mpamatsy vola iraisam-pirenena  ary  tahan’ny fahantrana 92%  no novataniko   teto .  Aza mifanilika andraikitrika Andriamatoa  filoha  fa  ianao sy Andry Rajoelina no  tompon’andraikitra  lehibe  nitondra  ny firenena    nahatonga  ny fahantrana  tsy hita  noanoa  teto  sy nahatonga an’i Madagasikara ho voasazin’izao tontolo izao  fa aza miala andraikitra a ! Tsy efa fantatrao  ve fa   firenena voasazy i Madagasikara ary 92% ny Malagasy mahantra  talohan’ny nilatsahanao ho filohampirenena ?  Mbola tsaroana hatrany tamin’ny fampielezan-kevitra nataon’ny  kandida Hery Rajaonarimampianina   tamin’ny 2014  no nilazàny  teo anatrehan’ny  vahoaka   Malagasy  22 tapitrsa  fa raha vao tonga eo amin’ny fitondràna isika hoy  izy   dia hitobaka  ny  volabe avy any ivelany hampandrosoana an’i Madagasikara.  Ka  4 taona aty aoriana  efa  tsy hita intsony izay ialàna  fa  toa  lasa tonom-bola fotsiny  ny  fampanantenana  fanampiana   arabola an’i Madagasikara  avy amin’ireo mpamatsy vola  dia manjary mahita ho lazaina  sy ialàna pà araka ny fitenin’ny tanora  ingahy  filoha .  

Fanamby mipetraka amiko   hoy  Hery Rajaonarimampianina  ny famahàna  ny  fahantràna  sy ny naha voasazy an’i Madagasikara , koa mipetraka eto ny fanontaniana, inona  no vahaolana hitan’ny fitondràna hamahàna izany olona rehetra izany ?  herintaona  hitondràna   ny firenena  sisa  ve ahavitàna  izany lazaina fa fanamby   tsy fantatra hoe inona  amin’ny vahoaka Malagasy izany , 4 taona aza tsy hita izay vokany fa ilaozana mihodinkodina sy mitsamboamboatra fotsiny  ary manilika  ny rihatra amin’ny hafa .         

Helisoa

 

Pr Harimalala Joseph

Famotsiam-bola goavana io vola vaovao io

 

Mbola mahasarika ny sarambabem-bahoaka hatrany ny manodidina ny vola vaovao izay efa manomboka miparitaka eto Madagasikara amin’izao fotoana. Na dia ambaran’ny mpitondra fa manana ny kalitao ambony ity vola vaovao ity, izay tsy maharesy lahatra ny maro ny hanifiny sy ny kalitaony. Be ny resaka manodidina ity vola ity nialoha ny nanotana azy, saingy niroso tamin’ny famoahana azy ihany ny mpitondra na dia nanambara aza ny maro fa tsy tokony ho hampiasaina eto Madagasikara izany. Mikasika ny manodidina ity vola vaovao ity no itondran’i Pr Harimalala Joseph, izay mpandinika ny raharaham-pirenena sy mampifandray izany amin’ny soratra masina hatrany. Ambarany ary fa marina tsy azo lavina ny tenin’i Jesosy Kristy voasoratra ao amin’ny Matio 24: 24-25 manao hoe: “Fa hisy Kristy sandoka sy mpaminany sandoka hitsangana ka haneho famantarana lehibe sy fahagagana, ary raha azo atao, na ny olom-boafidy aza dia hofitahiny. Indro voalazako aminareo rahateo izany”. Izany hoe raha azavaina ny tenin’Andriamanitra dia tsy izy io vola io fa io ilay antsoina hoe “mamona” tsy marina na koa hoe varahina fa tsy tena volamena.

Noho izany dia tokony hitandrina isika vahoaka Malagasy mba tsy ho voafitaka, fa ny tena anisan’ny zava-doza dia ny hoe tsy vitan’ny hoentina hiatrehana ny fampielezan-kevitra amin’ny taona ho avy io hividianana ny safidim-bahoaka ihany fa tena famotsiam-bola goavana ihany koa ataon’ny mpitondra ambony, satria aza adino ry mpiray tanindrazana fa ny volamena rehetra any amin’ny faritra maro samy hafa io fotsiny aza dia mino marimarina aho fa sahin’ny mpitondra ankehitriny ny hividy izany amin’ny vidiny 200.000 Ar na hatramin’ny 300.000 Ar, satria izay no maha mamona tsy marina azy, ary inoako sy ambarako ny tsy fisian’ny tsy fahamarinanan’ilay vola matoa niala tamin’ny fotoana nivoahan’ilay vola ny Minisitra misahana ny fitantanam-bola, nohon’ny fiheverany angamba fa tsy hiara-haloto amin’ny fitondram-panjakana ny tenany, tahaka ny filoham-pirenena amin’izao fotoana izay efa Minisitry ny fitantanam-bola tamin’ny andron’ny tetezamita ka efa nahita ny tsy nety tamin’izany dia nanilika ny namany teo aloha ary nanohy ny tsy mety ihany ankehitriny. Hoy ny tenin’ny tompo araka ny voasoratra ao amin’ny Galatiana 6: 7 manao hoe: “Aza mety hofitahina hianareo; Andriamanitra tsy azo vazivaziana, fa izay afafin’ny olona no hojinjainy”.

Mbola ambarako hatrany Andriamatoa filoham-pirenena fa tokony hanana fahatahorana an’Andriamanitra ianareo ka aza fitahina ny vahoaka satria aza adino anie ny tantaran’ny raharaha Claudine Razaimamonjy amin’ilay resaka kolikoly dia mbola tsy vita kanefa dia efa miditra indray ny raharaha vaovao indray ianareo? Sa ve ho vitavita amin’ny famoahana ity vola vaovao ity ny volam-bahoaka laninareo sy ny ekipanareo niaraka tamin-dRamatoa Claudine Razaimamonjy? Koa anjaranareo no mieritreritra tompoko satria aza adino fa “Zavatra mahatahotra ny ho azon’ny tananan’Andriamanitra velona”, araka ny voasarotra ao amin’ny Hebrio 10:31. Farany tompoko raha toa ka azo atao dia aoka izay ny antsojay ataonareo satria hita miharihary ny nanongananareo azy teo amin’ny fitondrana tamin’ny taona 2009 satria tsy hisy hanaovanareo ny fandrobana ny harem-pirenena amin’izao fotoana ve? Noho izany dia aoka haverinareo amin’ny fahefana izay nalainareo taminy hamitany ny anjara fitondrany satria olom-boatendrin’Andriamanitra izy fa tsy tahaka anareo izay mpangalatra fahefana ka tsy mahavita n’inona n’inona ho an’ny vahoaka fa mainka aza famotehana no ataonareo ankehitriny.

Solohery

Ny Valosoa 25 Jolay3     –

Ny Valosoa 25 Jolay6

.

Alaotra Mangoro

Betsaka no diso fanantenana tamin’ny foara tany Ambatondrazaka

 

Voailika tanteraka ny mpanao gazety tamin’iny foara nokarakarain’ny faritra Alaotra Mangoro iny indrindra fa ireo mpanao gazety aty an-toerana. Tsy afaka naka ny vaovao tamin’ny fifidianana izay ho tovovavy tsara bika sy endrika ravaky ny foara izy ireo ny sabotsy alina teo noho ny olana teo am-pidirana izay tsy naneken’ny tompon’andraikitra ny nidiran’izy ireo na dia efa nampiseho karatra aza.

Efa natao avokoa hoy ireo namana mpanao gazety tonga teo ny resaka rehetra ny hoe hiasa no dianay hanangom-baovao fa tsy hamonjy alim-pandihizana akory saingy vao mainka nisy namoaka vavaratsy taminay teo. Vokany, nody ireto olona saika hamita asa ireto niaraka tamin’ireo fitaovana izay efa novononina. Sambany teo amin’ny tantaran’ny foara rezionaly rehetra nisy hatramin’izay no nisiana trangan-javatra tahaka io. Tsy tamin’io alim-pandihizana io ihany fa tamin’ny ankapobeny mihitsy no nahitana io trangana fanilihina io.

Tsy ny mpanao gazety ihany anefa no nilaza ho diso fanantenana fa saika ny ankamaroan’ny olona dia samy nanambara fa iny foara iny no ratsy indrindra tamin’ireo rehetra izay nisy taty Alaotra Mangoro hatramin’izay. Vitsy ihany koa ny olona tonga niatrika ireo manampahefana izay nanao be midina nitokana ity foara rezionaly ity. Ny tranoeva izay nisy tao, raha tsy teo angamba ireo foibem-paritra eo amin’ny sampan’asa isan-karazany nanao izany dia ho babangoana izy ireny. Tsy hita ihany koa ireo orinasa vaventy izay mpampiranty ny vokatra vokariny isaky ny foara tahaka ireny. Ireo avokoa no ambetin-dresaky ny olona taorian’ny fahavitan’ny foara.

Foaran-toaka sy friperie no nisy fa tsy foaram-bokatra hoy ny rehetra satria izy ireny no nameno ny tanàna sy namparesaka azy io. Inoana fa handray lesona ny mpikarakara ka tsy hanilikilika ny serasera intsony amin’izay zavatra atao amin’ny manaraka.

Raoul

Ny Valosoa logo

Publicités

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué , , . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s