Rolland Ratsiraka jamban’ny fankahalana an-dRavalomanana. TiaTanindrazana. Mcm.

Roland Ratsiraka Jamban’ny fankahalana an-dRavalomanana

25/07/2017

Efa maro ihany izay niakatra fahitalavitra sy niseho gazety nanaratsy an’i Marc Ravalomanana izay.

Tamin’ity fiandohan’ny herinandro ity, dia i Roland Ratsiraka indray no nilaza fa misy voka-dratsiny amin’ny fizahantany ny fanamarihana ny faha-15 taonan’ny antoko TIM. Ezahina voizina ny hoe mpanakorontana sy mitady hanongam-panjakana i Marc Ravalomanana.

Aoka tsy hiteniteny foana fahatany, fa ny tanjona amin’ny politika dia hanasoa vahoaka, hoy ny Solombavambahoaka tany Toamasina teo aloha Zafilahy Stanislas. Ianareo no efa zatra mitarika korontana sy mpanakorontana toy ny tamin’ny 2009, ka aza avadika ny resaka, hoy hatrany izy. Voizina ny hoe mpanagadra olona Ravalomanana tamin’ny fitondrany, saingy tsy izay no tena marina, fa olona nandika lalàna no naiditra am-ponja tamin’ireny ary tsy gadra politika no azo hanasokajiana azy fa mpanao politika migadra. Notsiahivin’ity solombavambahoaka teo aloha ity ny antony lehibe nigadrany, dia ny fanodinkodinam-bola goavana tao amin’ny kaominina Toamasina fony izy ben’ny tanàna. Nanana orinasa antsoina hoe “Toamasina Service” ny tenany, ka io no nomena ny tsena tamin’ny fomba tsy ara-dalàna mba hiandraikitra ny  fanadiovana ny tanàna, saingy tsy nisy asa vita, kanefa nanjavona ny vola.

Notsiahiviny fa ny depiote mihitsy no nandray andraikitra nanangom-bola nanadiovana ny tanàna. Mitondra tena ho ambonin’ny lalàna, ka rehefa manao politika, dia mihevitra fa azo hialokalofana izany. Mila hialana io toe-tsaina io, hoy i Zafilahy Stanislas.

Raha nanontaniana kosa ny hevitr’i Constant Raveloson, izay mpiara-dia amin’i Marc Ravalomanana, dia tsy nisalasala ny tenany nilaza fa tsy mbola matotra amin’ny fanjakana Repoblikanina ny eto, ary ohatra lehibe ny fihetsiky ny prefektiora, mamerina ny efa tamin’ny andron’ny Andriamanjaka, izay tsy misy afa tsy fanompoana fitondrana. Barofom-panjakana no misy eto satria rehefa ny hafa no manao dia maimbo, fa rehefa ny fanjakana dia afaka manao izay saim-patany, raha ny fanazavany. Notsoriny fa lasa tian-kano tsy tian-kano ny zava-misy amin’ny fandrarana ny TIM, raha raisina tamin’ny zava-niseho tamin’ny 8 jolay. Voatery lasa teny amin’ny arabe rehefa tsy navela niditra tao anaty toerana mifefy.

Hendry anefa ny olona fa tsy araka ny fanaratsiana sy fandotoana sesilany. Hatramin’ny fahitalavi-panjakana no lasa fitaovam-panaratsiana, ka mampametra-panontaniana hoe efa lasa fahitalavitr’antoko ve izy io ?

Toky R. TiaTanindrazana.

« misy voka-dratsiny amin’ny fizahantany ny fanamarihana ny faha-15 taonan’ny antoko TIM » (Rolland Ratsiraka).

Ny Fitondrana ratsy tantana (Tsy fandriampahalemana, dahalo ambanivohitra, dahalo an-tanana, dahalo any aminy ministera, kolikoly no hiainana. Ny Firenena izao an’isany mahantra era-tany, ny lalana ratsy na potika,  ny jiro tapaka lava, fitsarambahoaka etsy sy eroa, sns …). Nanomboka taminy 2009 daholo ireo loza manempotra ireo.  Ireo no vato misakana ny mpizaha-tany tsy ho avy. Fa tsy izay fety kely ataon’ny Tim.

Raha ny filaharana an-dalambe isan’andro (Syndicats, Associations, Politique, Simples citoyens…), na ny tahotra noho ny herisetra ara politika na ara pinoana (« attentats » efa nisy sy ny mety ho avy…). Dia tsy tokony hisy mpizahatany ho tonga intsony i Frantsa (Charlie Hebdo, Nice, Bataclan…),  i Allemagne, Italie, Grande Bretagne, sns… Ka mba mila mandinika sy miheritrritra… vao miteny, fa tsy faly ny manaratsy fahatany. MCM

Didy Jadona.

Didy Jadona

TiaTanindrazana.

Publicités

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué , , , . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s