« Fotoam-bita », Dadan’i Zina.

Hery Fotoambita2

FOTOAM-BITA

 

Efa lasa fihomehezana ito fandaharanao,

Satria mamaly koa ny andaniny , manakiana tsotr`izao.

Dia io `nareo tsy mahatanty , vonona “hikapa ranjo”,

Ka ho raikitra ny ady sy fifanalana akanjo ?

 

Efa lasa fihomehezana ito fandaharanao,

Satria toa fiampangana tena no miverimberina ao.

Ny zava-bitika mba vita no dradraina sy tenenina,

Fa ny fahoriam-bahoaka  dia ezahina  afenina.

 

Efa lasa fihomehezana ito fandaharanao,

Satria malaza tsy hihinanana , `zay ilay hery vaovao.

Hadedahana no betsaka , fievotrevotra no tazana,

Saingy ireny tsy manova fa mitohy ny fahavoazana.

 

Efa lasa fihomehezana ito fandaharanao,

Ka mankaleo ireo mpijery fa tsy ao ny kalitao.

Tsy dia mba zava-mahasarika na mandrisika hiakatra ,

Fa vorondolo no indro tazana te hibodo tranon-takatra.

 

Efa lasa fihomehezana ito fandaharanao.

Tsy mahaleo ny sampona io ka mandiniha dia avelao.

Tsy hampiakatra ny tombanao ny fandaharana toy  ireny,

Fa vao mainka mampifetaka, ka aleo tsy dia miteny.

 

                  DADAN`i ZINA (25-07-17). Ny Valosoa.

Hvm Rajao1

 

 

Publicités

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué , , . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s