« Ny tonta ihany no avadibadika », Dadan’i Zina.

Fahaleovantena-Fahantrana

.

NY TONTA IHANY NO AVADIBADIKA

 

Aiza marina ny hery vaovao,

Fa toa ny tonta no mivadibadika ao ?

Jerena akaiky dia ny lo sy ny efa boboka,

Sa ireo no mbola vonona “hijoboka” ?

 

Lany olona ny “karavato manga”

No tsy misy vaovao manangasanga?

Sa “ny tonta” no efa zatra “lalam-poza”,

Sy mahay midify mora irony loza ?

 

Aiza marina ny hery vaovao ,

Fa “tsisy adika” raha `zao fitondrana izao !

Ny naloa no indro indray fa iverenana.

(Fombam-biby toa mitory fanenenana !)

 

Aiza marina ny hery vaovao,

Fa maizin-kitroka ny lalana Rajao .

Dia mandiniha ka aoka ianao ho tonga saina,

Fa ny nongonay vahoaka , tena maina.

 

Tsy kabary na koa fitetezam-paritra,

Tsy ny toy izany izao no mahafinaritra.

Fa ny  tena vaovao no atolory,

Dia farano hatreo ny toton`ombibory .

 

      DADAN`i ZINA (30-07-17)

 

Publicités

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué , . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s