« Ilay boaikely’ty », Fanasina7.

tgv kely

ILAY BOAIKELY ‘TY

 

Na mpanao politika ianao, na mpitondra fivavahana
Mpihira, mpanakanto … malaza anarana
Ny haino aman-jery, ny gazety, boky, sy ny etsetra :
– Ianao ve ? – mpanabe, mpitaiza ny vahoaka rehetra rehetra.

Fa ilay boaikely ‘ty dia tena hafa indrindra
Mpanao politika, maloto diam-pamindra
Mpaniraka vahoaka hanao vy-very ny ainy
Hanafika ny lapa : vahoaka donto saina !

Fa ilay boaikely ‘ty dia tena hafa noho ny hafa
Rain’ny lainga sy ny fitaka, mpanao kobaka am-bava
Dimanjato sy roa arivo hono ny ho litatry ny menaka
Poaahh ! Sakoa izay ! – dia ny taigna rô no menatsa !

Fa ilay boaikely ‘ty dia tena mahavariana
Fa sahy nanamba-basy ny lehiben’ny miaramila
Tsy fanaja ‘tsony aty aoriana, zany hoe Ray aman-dReny
Izay manan-kery no miteny : izay no anatra nomeny !

Fa ilay boaikely ‘ty mihevitra azy ho « Zorro »
Hoe mesia sy mpanafaka, amin’ty loham-barbô
Bodongerona, bontolo no tetikady ampiasainy
‘Zay manakatsakana azy : « éliminé » fa tsy ilainy.

Fa ilay boaikely ‘ty dia lazain’ny olona fa foza
Mafià gaigilahy, lehiben’ny mpandroba
Fananan’olona ami-miliara, nataony jifa sady may
‘Zany no ohatra napetrany : toe-tsaina tsy milay !

Fa ilay boaikely ‘ty dia nampiditra angano
Ilay Gasikaratsika, ho dobo anaty rano
Hatramin’ny tetezamita : inona no tsy niakatra ?
Na ny vidin-jorojoro aza … hhmm, aleo hodian-tsy fantatra.

Fa ilay boaikely ‘ty dia nampiana-dratsy ny tanora
Hikomy, hilaiso, hikoly … hanan-karena moramora
Aza gaga raha mirongatra ny haratsiana rehetra rehetra
Satria ny kolontsaina malagasy … noravany amboletra !

*** fanasina7 ***
041502172340
(mpanoratsora-poana)
– partage autorisé –

Hasina.

Harlay comme en 2009

Publicités

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué , , , . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s