« Raha », Christiane Ramian.

Fanajana Christiane

.

Raha.

 

Raha mba nisy fanajana
Ireo zava-iaraha-manana
Angamba tsy mba noravana
Izany ve ny fihavanana?

Raha mba nisy fanjakàna
To-teny sy nahaleo tena
Tsy nisy ny tsy tan-dalàna
Izao ve no Firenena?

Raha mba nisy fitaizana
Hanao ny asa mahafa-po
Tsy nisy ny nahita faisana
Mionona amin’ny kitoatoa

Aoka izay ny sitrany ahay
Aoka izay ny fitia kely
Aoka izay ny akory izay
Aoka izay ilay hankamely. ..

Potika ny Tanindrazana
Rendrika ny firenena
Lavon’ny mpisara-bazana
Lavon’ireo tia tena

Mbola misy ihany angamba
Rivo-baovao hamelona
Ny mita be tsy lani-mamba
F’arakaraky ny olombelona…

Tsy misy idiran’ny finoana
Tsy nohon’ny hoe fahantrana
Fa ezaka tsy hanaonao foana
Dia ho mafy ho azy ny lalàna.

Raha

Christiane Ramian

 

 

Publicités

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s