Didier Ratsiraka. Diaben’ny fahafahana 10 Aogositra 1991.

 

 

Tsy nisy ny fitoriana fanamelohana ny Amiraly Didier Ratsiraka hatramin’izao

 

“Ento  miakatra  ity firenena ity  ,  ho ravàna  ny mandan’i Jericho”, Ireo  no teny filamatry ny   tolona nataon’ny  vahoaka Malagasy tamin’ ny taona  1991 nitakiana  ny   fahafahana  hisian’ny  demokrasia  teto  amin’ny firenena  izay nanjakan’ny didy jadona  nandritra ny fitondràn’ny  filoha  teo aloha  ny Amiraly Didier Ratsiraka  tao anatin’ny  16 taona .  Nandritra  ny tolona,    tapa-kevitra ny  vahoaka  teo  amin’ny  kianjan’ny  13 mey  fa hanao diabe eny Mavoloha  ny 10 aogositra  1991  hanatitra ireo lohandohan’ny mpisorona  hifampiresaka  amin’ny filohampirenena  mikasika ny fitakian’ny vahoaka .

Vao taty amin’ny 1 km  miala  ny lapan’i Mavoloha  anefa  dia  pilotra ,  grenady  , basy  no nitifirana  ireo vahoaka nitondra tanam-polo  , vokany ,  maro ny maty sy naratra tamin’izany , nandrika  ny rà teny  amin’ny lalana mihazo an’i Mavoloha .  

Ankehitriny  , 26 taona  aty aoriana  , efa dila  ny vanimpotoana , tsy nisy ny  fitoriana   fanamelohana  ny  filoha Didier Ratsiraka  teny amin’ny fitsaràna  raha  nolazaina fa mpamono olona   ity farany , tsy nisy  ny  fahatsiarovana  fa  dia  izay vita dia vita . Alain Ramaroson  filohan’ny antoko Masters   migadra eny Antanimora  no  mba nanatitra voninkazom-pahatsiarovana rehefa tonga ny 10 aogositra , fa ankoatra izay tsy misy .  Antony maro no mahatonga  izany ,  tompon’antoka voalohany  amin’ny nahafatesana  sy nampitondra takaitra olona maro tamin’ny 10 aogositra    ny  nitarika   olona ho eny amin’ny lapampanjakàna  amin’ny maha  faritra mena azy  , vokatr’izany ,    ireo  mpitaritolona  no lasa nitantana  ny firenena tamin’ny taona 1991  rehefa niala  teo amin’ny  sezany  ny Amiraly , tsy te ho voasaringotra  ireo  mpitondra  nanomboka  teo  ka  dia naleony  nangiana .  

Ny 7 feboroary 2009  nanaovan’i  Andry Rajoelina  sorona  ny vahoaka  teny  Ambohitsorohitra  ihany no hafakely  satria   dia  nolazaina fa mpamono olona  ny  filohampirenena  Marc Ravalomanana , ka  nosazian’ny  fitsaràna tsy mahefa  natsangana   teny andalambe  sazy  an-tranomaizina. Tsy mahagaga  izany    satria teo ampelatanan’ny mpanongam-panjakàna  ny  fahefàna  rehetra nanapotehana   azy. Tsy fantany akory  fa heloka  ny  mitondra olona   eny amin’ny lapampanjakàna   izay  faritra mena . Izay no  mahatonga an’i Madagasikara ho ao anaty haizina mangitsikitsoka  ankehitriny ,   tsy fantatry ny olona nitondra ny firenena  teto nandritra ny  tetezamita  5 taona  akory  izany lalàna  izany , hany  ka   mbola mitohy hatramin’izao  ny tarazony .  

     Helisoa       

10  Aogositra 1991 : Hijanona ho tantara manjavozavo koa 

 

Feno 26 taona sahady izay ny nitrangan’ny hetsi-bahoaka tamin’ny 10 Aogositra 1991, izay nandrodanana ny “Mandan’i Jeriko” na ny fanoheran’ny vahoaka ny fitondran’ny Amiraly Ratsiraka Didier, izay nanjakan’ny jadona sy ny tsy refesi-mandidin’ny fitondra-miaramila. Efa leo ihany koa ny vahoaka tamin’ny kabary tsara lahatra feno demagôjia sy ny fanaovana ”ronono an-tavy” tsy nahatafavoahana nandritra ny 16 taona tao anaty tonelina tsy misy fiafarany. Na niaro tena sy nilaza aza ny tenany, tamin’izany sy taty aoriana, fa efa nihatsara ny taham-pitomboana ara-toekaren’ny firenena, tsy ninoan’ny vahoaka Malagasy izany satria ny zava-nisy dia niaina tao anaty fahantrana ary niha- nahantra aza ny vahoaka izany. Niha-nipoitra tetsy sy teroa, teny amin’ny fanariam-pako teto an-drenivohitra ny olona mitsindroka, izay tsy mbola nisy teto amin’ny tantaran’ny firenena izany. Tamin’ny andron-dRatsiraka no nisy voalohany ny olona nitsindroka teny amin’ny toerana fanariam-pakom-bahoaka, ary nahatohina ny fo tokoa ny nahita izany tamin’izany fotoana izany. Ny tantara tsy fanadino na dia ezahina takonana aza, ataon’ izy tenany na ireo mpiara-misôsy taminy…

Fa anisan’ny  tsy maintsy tsarovana rehefa amin’ny tsingerin-taonan’ny 10 Aogositra toy izao, ny zava-nitranga teny amin’ny lalana nizotra nankeny amin’ny Lapan’Iavoloha hanongana an-dRatsiraka ny vahoaka notarihin’ny Hery Velona Rasalama. Nisy ny fitifirana ireo olona teny amin’ny lalana nihazo tsy lavitra intsony an’Iavoloha. Tsy tifitra fotsiny ihany anefa, fa teo koa ny daroka grenady ary ny tena loza dia ny fisian’ny vanja milevina teny amin’ny faritra manodidina an’Iavoloha toy ny teny amin’ny tanimbary nandosiran’ny vahoaka. Marobe araka izany ny isan’ny namoy ny ainy sy naratra, ary nafenimpenina ny isa marina tamin’izany, fa nosarontsaronana be ihany ho amin’izay mahamety ny fitondran-dRatsiraka. Nijaly mafy ireo vahoaka teny am-pandosirana satria ny vanja milevina atahorana ho voahitska, nisy ireo sendra ny loza ka nahahitsaka ary dia namoy aina na naratra mafy; ny angidim-by eo an-tampon’ny loha mandatsaka grenady manempotra sy mandratra ihany koa, nisy andian’olona nokaramaina hitoraka pilotra tetsy ankilany, ary ny miaramila indrindra ny Resep, nanenjika sy nanao savahao ny trano rehetra nanodidina mety nisitrihan’ireo vahoaka. Nisy ny voasambotra ary tsy hay izay niafarany, ary tsy fantatry ny havany ny nalehany. Nisy, ohatra, renim-pianakaviana iray tafaresaka taminay mba nilaza ny alahelony ny amin’ny tsy nahitany an-janany vavy mandraka ankehitriny nandeha tamin’izany hetsika izany kanefa manan-janaka, ary dia lasa kamboty ireo zanany ary izy renibeny no mitaiza azy…

Tsy fantatra mazava ny amin’ity hetsi-bahoaka 10 Aogositra ity hatreto, ary ny Amiraly Didier Ratsiraka, dia tsy mihevitra mihitsy ny hifona amin’ny vahoaka Malagasy, ny nambarany aza, dia ny tsy fanenenany tamin’ny zava-nitranga na ny nataony ary toy ny olona tsy tomponandraikitra tamin’izany izy. Ezahiny mandrakariva ankehitriny ny manarona na manakona tanteraka izany tsy ho fantatry ny taranaka ankehitriny ka ataony avokoa sy ny mpiara-dia aminy ity laza masaka rehetra ity mba hanadiovana azy.

Anisany fomba iray hanafenana ny marina mba tsy horesahana intsony ny fanitrikitrihana ny raharaha 2002 ary toy ireny voa mafy ireny tokoa izy tamin’izany. N’inona anefa atao n’inona ambara ankehitriny hanafenana sy hanakonana ny marina, ny lasa tsy fanadino ary tantara tsy ho voakosoka sy  ho voarakitra ho tantaran’ny firenena mandrakizay ireny satria nisy Malagasy, mpiray tanindrazana namoy ny ainy  sy nandatsaka ny rany 26 taona lasa izay noho ny fitiavany ny fireneny mba iriany hivoatra sy handroso ary hisandratra toy ny firenen-kafa.

Sôh’son.

Fahatsiarovana ny 10 aogositra Miha mangatsiaka hatrany

10/08/2017

Miha dila hatrany arakaraky ny fivadibadiky ny taona ny fahatsiarovana ny diaben’ny fahafahana natao ny 10 aogositra 1991.Lohandohan’ny mpisorona nitarika ny Herivelona vory maro be teo amin’ny kianjan’ny 13 mey hihazo ny lapam-panjakana Iavoloha tamin’izany fotoana ry Pastera Richard Andriamanjato, Atoa isany Daniel Ramaromisa, Alain Ramaroson, Zafy Albert…

Mbola adihevitra tsy mety vita hatreto hoe am-polony ve sa an-jatony ny olona maty teny Iavoloha.Inona ny tena marina momba ilay elikoptera nandatsaka zavatra mipoaka, ahoana ireo fipoahana namono olona teny an-tanimbary.Iza marina no nanome ny baiko.Nanizingizina ny amiraly Didier Ratsiraka fa tsy nanome baiko ny tenany ary tsy misy andraikiny na dia kely monja aza momba ny fahafatesana sy faharatrana olona teny Iavoloha tamin’io sabotsy 10 aogositra 1991 io.Tsy nisy rahateo moa ny fanadihadiana lalina momba iny raharaha iny hatramin’izao fa dia lasa dosie mipirina tahaka nyraharaha Ratsimandrava  sy kung fu ary ny nahafatesan’ireo manamboninahitra maro nitaingina ny fiaramanidina DC 3 nisy ny contre-amiral Sybon Guy ny raharaha.

Tsy nisy feo heno mihitsy na fampahafantarana mikasika izay hetsika mba hanamarihana izany daty naha latsa-drà sy nahavery aina Malagasy maro tamin’ny 26 taona lasa izany. Ny fahatsiarovana ny tolon’ny taona 1947 sy ny fankalazana ny niverenan’ny fahaleovantena isaky ny 26 jona ihany sisa ity no ezahana ampanakoakoana isan-taona. Mampatsiahy ny fanehoan-kevitr’ireo mpanao politika sasany izay milaza fa fahaleovantena nomen’ny Frantsay ny 26 jona 1960 ary hetsika namandrihan’ny mpanjanaka ny Malagasy ihany koa no nitranga tamin’ny 29 martsa 2017 ka tsy mahagaga raha izy ireo mihitsy no mihezaka manao izay tsy hahafaty izany ao an-tsain’ny Malagasy ankehitriny. Tanjona tokoa ve ny hahatongavana amin’ilay fanehoan-kevitry mpandinika hoe atao izay hahavery tantara antsika mba ho ratsy fiafara ?

Mirija. TiaTanindrazana.

Vitavita ho azy

11/08/2017

Nangiana tanteraka 26 taona aty aoriana ny fanamarihana ny diabe ho an’ny fahafahana nihazo ny lapam-panjakana Iavoloha ny 10 aogositra 1991.

Samy tsy nisy nanaiky ho tompon’antoka na ny filoha tamin’izany na ireo nitarika, fa ny tsy azo lavina dia maro ny faty niampatrampatra, nisy ny naratra sy lasa nitondra takaitra. Vitavita ho azy tsy nisy tohiny intsony ny raharaha, ary tahaka izany hatrany no niseho teto amin’ny firenena na nialoha na taorian’ny raharaha 10 aogositra. Nitohy hatrany io hoe “vitavita ho azy” io taty aoriana indrindra fa tato anatin’ny 10 taona latsaka kely. Vitavita ho azy ny fanonganam-panjakana, ka mihevitra ny hikosoka ny tantara sy te hivoaka ho olo-marina, ary maniry mafy ny mbola haka fahefana ny olona efa naloto tamin’ny famotehana firenena. Vitavita ho azy ny fandrobana sy ny famotehana fananan’olona. Vitavita ho azy avokoa ny zava-drehetra, ka zary afa-maina sy sarimihetsika sisa atao amin’ny mpanao kolikoly amina miliara maro,… Mbola ho maro ny zavatra ho vitavita ho azy eto ato ho ato, raha mbola manaiky lembenana hatrany ny Malagasy. Efa tena iainantsika sy ataon’ny mpanao politika fitaovana mantsy ilay hoe ny Malagasy mora manadino, ka ho avy indray izy amin’ny angady sy ny harona hambabo sy haka ny fon’ny maro, saingy ho vitavita ho azy ny fampanantenana sy lango malefaka, fa ny teo ihany no ho eo raha toy mbola ny Fanjakana Mampiesona sy ny mitovy karazana aminy no ho eo!

Toky R. TiaTanindrazana.

Aiza daholo ireo mpitari-tolona tamin’ny 10 aogositra 1991?

10 aogositra ny andro androany. Daty manan-tantara izany ho antsika eto Madagasikara satria tsingerintaona nitrangan’ilay diabe ho an’ny fahafahana izay nataon’ny vahoaka Malagasy tamin’ny taona 1991. Angamba tsy mila ampatsiahivina intsony isika fa Malagasy maro no maty tamin’izany fotoana izany, Malagasy izay nitaky fahafahana sy fiovàna ho an’ny tanindrazany. Ny mampalahelo anefa dia tsy misy mba mahatsiaro intsony ankehitriny ny rà nalatsak’ireo Malagasy nitolona tamin’izany taona 1991 izany.

Tsy misy na dia iray aza ny hetsika natao ho fahatsiarovana ny datin’ny 10 aogositra, eny fa dia ireo mpanao politika lohadohany mpitari-tolona tamin’izany fotoana izany aza kanefa mbola velona soamatsara daholo ny ankamaroan’izy ireo. I Alain Ramaroson irery ve no mba tonga manatitra fehezam-bonikazo eny amin’ny kianjan’ny 13 mey rehefa tonga ny 10 aogistra. Satria any am-ponja i Alain Ramaroson amin’izao fotoana izao dia tsy misy mpanao politika mahatsiaro intsony ve izany hetsi-bahoaka lehibe natao tamin’ny 1991 izany. Izay no mahatonga ny ankamaroan’ny Malagasy ankehitriny tsy mety mitolona intsony satria matimaty foana fotsiny ary na ireo nitarika anao hitolona aza tsy hanisy hasiny ny aina nafoinao afaka taona maromaro.

Rivo

Zafy Albert1

  Tana hariva 4    

Publicités

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué , . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s