Ny Valosoa, 10 Aogositra 2017 (I). Toamasina-Tim, « Bus intelligent », Fjkm Antsiranana, Vokatra Tiko…

 

 

Kongresim-paritra sy faha-15 taonan’ny TIM

Miandry an’i Dada i Toamasina sy ny faritra Atsinanana

 

Tao aorian’ny tany Manakara nanatanterahana ny kongresim-paritry ny antoko Tiako i Madagasikara (TIM), sy ny fankalazana ihany koa ny faha-15 taonan’ity antoko ity ho an’ny faritra Vatovavy Fitovinany sy ny faritra Atsimo Atsinanana, sy ny kongresy natao tany Mananjary ny herinandro lasa teo, ny any Toamasina sy ny manodidina, any amin’ny faritra Atsinanana indray no miandry ny filoha nasionalin’ny antoko TIM, Marc Ravalomanana ny sabotsy izao. Araka ny nambaran’ireo tompon’andraikitr’ity antoko ity any an-toerana: ny Reg-TIM sy ireo Dis-TIM, efa vonona, ary efa hatramin’ny ela no miandry an’i Dada ny faritra Atsinanana hoy izy ireo. Masa-bary, mainty kitoza ny ao n-drenivohitr’i Rasaraka ny sabotsy izao ka ny masoandro maty no hampalahelo amin’io fotoana io.

Araka ny nambaran’izy ireo, hiatrika izao kongresim-paritra izao ihany koa ny avy any amin’ny faritra Analanjirofo; ny tany Alaotra Mangoro, efa nitsidika ny tany an-toerana ny filoha nasionalin’ny TIM, ka ireo faritra roa ao amin’ny faritanin’I Toamasina ireo no tena hanaovana ny kongresim-paritra ny sabotsy io, koa dia sabotsy mifankahita izany e!

Isambilo

Fitaterana

Lanin’ny kankana ireo antsoina hoe: « bus intelligent »

 

Eo amin’ny resaka fitaterana, manontany tena ny maro amin’izao fotoana izao hoe : fa nankaiza ilay resaka hoe « Bus Intelligent”? toa tsy misy resaka intsony. Mety adinontsika angamba fa naseho ampahibemaso teny amin’ny lapan’Ambohitsirohitra, ny Bus vaovao izay nambara fa ho ampiasaina eto Antananarivo Renivohitra ary natao nalaza be tokoa izany dia ilay antsoina hoe: “Bus Intelligent” no anarany ka ny Prezidansa miaraka amina orinasa tsy miankina vitsivitsy no tompon’izany tetikasa izany. Nambara fa ny fiandohan’ny volana jona no ho tonga eto amintsika daholo ireo Bus ireo. Efa volana Aogositra isika izao, tsy vitan’ny hoe mbola tsy tonga daholo ilay Bus fa tena tsy misy resaka intsony ary na ny eo anivon’ny Prezidansa aza tsy hahenoina feo intsony momba ity tetik’asa ity.

Izany no mbola manaporofo fa fitondrana tsy manana fahamatorana ary mpanao kobaka am-bava fotsiny no misy eto Madagasikara. Zavatra kely tahak’ izany aza tsy tanteraka, vao maika fa ny hampandroso an’ity firenena ity sy hampanan-karena ny Malagasy 23 tapitrisa, nofinofy ihany izany. Rah any tena marina tokoa, tsy sahaza ny lalana eto amintsika koa ireo fiara mpitatitra lehibe toy azy ireo.

Ankoatra izany, toy izany koa, lasa resabe fotsiny ilay lalana avy eny Ambohitrimanjaka mihazo an’Ivato, lanin’ny kankana ihany koa hoy ny fitenin-jatovo izay.

Ny Valosoa

 

 

Faha-50 taonan’ny FJKM

Efa vonona Antsiranana

 

Any Antsiranana avokoa ny mpitandrina, ny mpikambana eo anivon’ny foibe Fjkm, kristianina samihafa amin’ny fanokafana ny faha-50 taonan’ny Fjkm sy ny faha-200 taona nidiran’ny Lms teto Madagasikara. Ny 18 Aogositra ho avy izao no fotoana fanokafana raha hitohy any Toamasina izany amin’ny taona ho avy, ary ny famaranana dia ny volana Aogositra 2018.

Efa vonona Antsiranana amin’ny fandraisana ireto mpino kristianina ireto, ary efa mipetrapetraka avokoa ny lamina rehetra raha ny nambaran’ny filohan’ny komity, Marc Ravalomanana. Mila mailo ihany koa amin’ny fiara hitondra mba hialana amin’ny olana ara-teknika sy ny loza mety mitranga amin’izany. Tsy ny malagasy ihany moa no ho tonga any Antsiranana,  fa ny avy any ivelany ihany koa. Ho Ambohipihaonan’ny rehetra arak’izany any Antsiranana manomboka amin’ny herinandro ho avy io.

Rajo

.

Ny Valosoa 10088

.

Orinasa Tiko AAA Magro

Miha- tonga hatrany ireo vokatra nampalaza ny orinasa

 

Miha-tonga sy miha-miverina amin’ny laoniny hatrany amin’izao fotoana ireo vokatra samy hafa nampalaza ny orinasa Tiko AAA Magro tamin’ny fotoan’androny, ary efa miparitaka manerana ny tsena manerana ny Nosy izany amin’izao fotoana. Vokatra amin’ny endriny vaovao farany navoakan’ny orinasa ny Yaourt à boire, izay vokatra avy amin’ny ronono, tsy ny ankizy ihany no mankafy azy fa na ny lehibe koa aza.

Ireo vokatra hafa izay efa mampalaza ity orinasa ity toy ny yaourt, ny dobera, ny zava-pisotro Classiko sy Olympiko, ny glace,… dia efa miparitaka amin’ny tsena rehetra, tsy eto an-drenivohitra ihany fa efa hita manerana an’i Madagasikara avokoa izy ireny. Raha ny nambaran’ny tompon’andraikitra, tsy miova koa ny tsirony sy ny kalitaon’ireny vokatra samy hafa ireny, fa toy ny nahafantaran’ny mpanjifa rehetra hatramin’izay azy hatrany. Aly

Ny Valosoa 10084

Ny Valosoa 10086

 

Publicités

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué , , , . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s