Ny Valosoa, 10 Aogositra 2017 (II). Ady tany, Fifidianana ho avy, Raharaha 10 Aogositra 1991…

 

IREO MIROTSAKA HO MPAMPIHAVANA

 

Indreo fa efa vonombonona ary tazana hirotsaka

Ny efa tena ratsy laza , ny olom-petsy kapotsaka.

Ary dia nanora-tena fa hanohy ny fampihavanana,

Na dia efa kilasiana ho olona maloto tanana.

 

Vola ihany , vola ihany , izay no masaka ao an-tsainy

Raha vao misy fofom-bola : velombelona ny ainy .

Tsy ny zava-mahasoa ny firenena no katsahiny

Fa ny hananam-bola be sy hampiakatra ny voninahiny.

 

Efa iarahana mahita fa nanimba firenena,

Nefa dia nanira-tena toy ny alika handeha hiantsena.

Tia mandainga an-kavoriana sady henonao mitafa,

Fa ny volana , hono, mantsy no alainy hatao sahafa !

 

Fa ity no tena loza sady mampivalaketraka:

Ilay tokony hampihavanina no indro tsy mahay mipetraka.

Izy indray no maka toerana ho filohan`ny mpampihavana,

Na dia fantatra mazava f`izy no “olana goavana”.

 

Koa dia aza misy mino n`inona n`inom-panentanana

Fa hitera-bokatsoa ity lazaina ho fampihavanana.

Fandaniana vola foana raha ny zava-toy itony,

Ka ho anay dia tsotra ihany : `ndeha foany sy ajanòny”.

 

          DADAN`i ZINA (08-08-17)

Ady tany: miteraka fisaraham-bazana sy fifankahalana eo amin’ny mpiray tanindrazana

Lasa kolontsain’ny gasy amin’izao fotoana izao ny ady tany ka na manampahefana na fianakaviana na mpiray tampo na vahiny dia mifandritaka noho ny resaka tany. Marina fa mifikitra amin’ny tany sy ny trano ny malagasy hatramin’izay ka hatramin’izao fotoana izao. Tany amin’ny taona dimampolo tany anefa dia mifampatoky ny mpihavana sy ny mpiaramonina ka misy titra ny tanin’olona iray misoratra amin’olonkafa. Rehefa maty ny tena tompon’ny tany sy izay mitazona ny titra dia amin’ny ankapobeny lavin’ireo taranaka aty aoriana fa fananan’olon-kafa ny tany misoratra amin’ny ray aman-dreniny ka sahy mivarotra ny tany tsotra izao izy.

Na mitory eny amin’ny fitsarana aza ny taranaky ny tena tompon’ny tany dia tsy mahazo rariny satria tsy mahafantatra ankoatry ny misoratra ao anaty titra ihany ny tribonaly. Ny zava-misy kosa ankehitriny dia mahavariana satria na tany misoratra amin’ny tena sady efa vita baorina izao aza dia misy olon-kafa koa manana taratasy (certificat de situation juridique) na titra manamarina fa azy koa ny tany. Tsy ny gasy samy gasy na ny mpianakavy iray ihany no hitrangan’ity toe-javatra ity fa tafiditra amin’izany koa ny vahiny.

Ho an’ity farany anefa dia mirotsaka an-tsehatra mihitsy ny vadintany (gasy) sy ny mpitandro ny filaminana izay tonga mandrava ny trano sy mandroaka ny mponina efa nanorim-ponenana teo am-polon-taona maro. Ny an’ny vaditany moa karama ny azy ary didim-pitsarana no entiny manao ny asany, azo inoana ihany koa fa mandray tambin-karama ny mpitandro ny filaminana ary araka ny fomba fiteny dia « manatanteraka baiko » izy ireo. Midradradradra anefa ny mpitondra fa tsy azo amidy amin’ny vahiny ny tany eto Madagasikara. Any amin’ny faritra any koa dia iaraha-mahita amin’ny haino aman-jery fa misy manampahefana, eny hatramin’ny ben’ny tanàna aza dia tafiditra amin’izany fifanarahana fivarotana tany amin’ny vahiny izany kanefa tsy mandalo amin’ny filankevitry ny kaominina akory. Miteraka disadisa eo anivon’ny fitantanana ny tanàna sy ny vahoaka ireny toe-javatra ireny. Ny eto an-drenivohitra moa dia iaraha-mahafantatra ny olana eo amin’ny minisitera miadidy ny fananantany sy ny fiadidiana ny tanànan’Antananarivo momba ny tany eny Andohapenaka sy ny fanotofana ranontany etsy amin’ny « marais Masay ». Eo koa ny tany eny Ankadimbahoaka izay tsy fantatra intsony izay manana ny rariny satria misy ny mponina eny an-toerana no tsy manaiky ny fanesorana azy sy fandravana ny tranony nataon’ny Hafari Malagasy, etsy ankilany anefa dia misy koa ny nanaiky ny famindran-toerana azy.

Araka ny fantatra dia vondrona orinasa lehibe vahiny no tena mangorona ny tany eto an-drenivohitra ka toa tampina daholo ny mason’ny tomponandraikitra manoloana ity toe-draharaha ity. Tsy mazava koa ny famefena ny tany « arboretum » etsy Ambatobe izay toherin’ny minisiteran’ny rano sy ny ala kanefa dia mbola mitohy ny fifanolanana. Mbola mitohy ihany koa ny ady momba ny tany etsy amin’ny Rovan’Ilafy izay nanaovan’ny Minisitry ny Kolotsaina sy ny fiarovana ny Vakoka fa hanaovana fanadihadihana eo anivon’ny sampan-draharaha miadidy ny fananan-tany momba ny nahazoan’ny milaza ho tompon’ny titra. Ny tena olana amin’ity resaka tany ity dia ny any ambanivohitra tsy mahavelona ny taranaka aty aoriana intsony ny tany lova navelan’ny teo aloha ka mifindra monina an-tanàn-dehibe ny ankamaroany. Maro amin’izy ireny anefa no tsy mahita asa sy tsy manan-kialofana akory ka izay no mampitombo ny mpatory an-tsena sy eny amin’ny manodidina ny fanariam-pako ary eny amin’ny « La Réunion » kely sy manamorona ny lakandranon’Andriantany. Mbola midadasika anefa ity Nosy ity saingy tsy ao an-tsain’ny mpitondra ny hanajary ireny tany ireny ka hanentana ny Malagasy hifindra sy hanorom-ponenana any. Raha tamim-pahamarinana no nanatanterahan’ ny fikambanana Hafari Malagasy ny « exode urbain » dia tokony notohanan’ny mpitondra izy tamin’izany tetikasa izany. Raha mifanohitra amin’izany kosa dia tokony naverina amin’ny làlana tokony nizorany ny fikambanana.

Toa misy endrika pôlitika mantsy ity raharaha ity satria pôlitisiana no tena manenjika ny filohan’ity fikambanana ity. Resaka ady tany ihany koa no mandringotra ny « lahimatoan’Antananarivo » amin’izao fotoana izao ka azo itarafana ny toetsain’ny gasy izay mbola mifikitra amin’ny tany ka tsy hananana havana intsony izany. Amin’ny ankapobeny dia potipotin-javatra no hifandrotehana eto amin’ity Firenena ity kanefa ny tena harem-pirenena, toy ireo tany « Nosy Malagasy » manodidina, tsy mampiraika, hatramin’ny mpitondra aza, tsy mampanamban-kery ny rehetra fa avela ho tavanin’ny vahiny ao izany.  

Andry Tsiavalona

 

Raharaham-pirenena

Mila mandinika tsara ny mpifidy amin’ny fifidianana ho avy

 

Nihemotra any amin’ny 20 taona lasa i Madagasikara raha jerena amin’ny maso tsy miangatra . Antony maro no mety mahatonga izany . Ao ny milaza fa noho ny politika iraisam-pirenena ka tsy ahafahan’ny firenena Malagasy mitraka  ; ao kosa ny manambara fa ny ataontsika Malagasy ihany no mampihitsoka antsika . Misy ny miteny fa ny fisamboram-bola any amin’ireo Banky vahiny nahazatra no mampahantra an’i Madagasikara.

Ny tena marina anefa dia tsy fahaizana mitantana no miteraka ny fahantrana eto amin’ny firenena miampy ny kolikoly etsy sy eroa ; eo koa ny tsy fanarahana ny lalàna. Isak’izay miteny ny sasany dia ny Banky iraisam-pirenena sy ny Tahirimbola iraisam-pirenena hatrany no omeny tsiny kanefa ny mpitantana antsika no sahirana ; inona moa no idiran’ny mpamatsy vola avy any ivelany amin’ny tsy fanajana ny lalànan’ny fifamoivoizana eto Madagasikara ? Ny dikan’izany dia tsotra , ny ataon’ny Malagasy ihany no mampahantra ny tenany .

Firenena tokony handroso ny firenena Malagasy saingy difotra. Ny atao hoe mpitondra mahay dia ny mpitondra mahita vahaolana manoloana ny olana mianjady aminy ; tsy mety amin’ny Malagasy ny mpitondra mandany volam-bahoaka sy be resaka kanefa tsy misy hapoaka ; tsy tian’ny Malagasy  ny olona matikambo sy mihevotrevotra . Raha ho avy izany fifidianana izany na ho ela na ho aingana dia mila mijery sy mandinika tsara ny mpifidy mba tsy hisian’ny nenina, sa ahoana hoy ianao?

Rina Rabemananjara

10  Aogositra 1991 : Hijanona ho tantara manjavozavo koa 

 

Feno 26 taona sahady izay ny nitrangan’ny hetsi-bahoaka tamin’ny 10 Aogositra 1991, izay nandrodanana ny “Mandan’i Jeriko” na ny fanoheran’ny vahoaka ny fitondran’ny Amiraly Ratsiraka Didier, izay nanjakan’ny jadona sy ny tsy refesi-mandidin’ny fitondra-miaramila. Efa leo ihany koa ny vahoaka tamin’ny kabary tsara lahatra feno demagôjia sy ny fanaovana ”ronono an-tavy” tsy nahatafavoahana nandritra ny 16 taona tao anaty tonelina tsy misy fiafarany. Na niaro tena sy nilaza aza ny tenany, tamin’izany sy taty aoriana, fa efa nihatsara ny taham-pitomboana ara-toekaren’ny firenena, tsy ninoan’ny vahoaka Malagasy izany satria ny zava-nisy dia niaina tao anaty fahantrana ary niha- nahantra aza ny vahoaka izany. Niha-nipoitra tetsy sy teroa, teny amin’ny fanariam-pako teto an-drenivohitra ny olona mitsindroka, izay tsy mbola nisy teto amin’ny tantaran’ny firenena izany. Tamin’ny andron-dRatsiraka no nisy voalohany ny olona nitsindroka teny amin’ny toerana fanariam-pakom-bahoaka, ary nahatohina ny fo tokoa ny nahita izany tamin’izany fotoana izany. Ny tantara tsy fanadino na dia ezahina takonana aza, ataon’ izy tenany na ireo mpiara-misôsy taminy…

Fa anisan’ny  tsy maintsy tsarovana rehefa amin’ny tsingerin-taonan’ny 10 Aogositra toy izao, ny zava-nitranga teny amin’ny lalana nizotra nankeny amin’ny Lapan’Iavoloha hanongana an-dRatsiraka ny vahoaka notarihin’ny Hery Velona Rasalama. Nisy ny fitifirana ireo olona teny amin’ny lalana nihazo tsy lavitra intsony an’Iavoloha. Tsy tifitra fotsiny ihany anefa, fa teo koa ny daroka grenady ary ny tena loza dia ny fisian’ny vanja milevina teny amin’ny faritra manodidina an’Iavoloha toy ny teny amin’ny tanimbary nandosiran’ny vahoaka. Marobe araka izany ny isan’ny namoy ny ainy sy naratra, ary nafenimpenina ny isa marina tamin’izany, fa nosarontsaronana be ihany ho amin’izay mahamety ny fitondran-dRatsiraka.

Nijaly mafy ireo vahoaka teny am-pandosirana satria ny vanja milevina atahorana ho voahitska, nisy ireo sendra ny loza ka nahahitsaka ary dia namoy aina na naratra mafy; ny angidim-by eo an-tampon’ny loha mandatsaka grenady manempotra sy mandratra ihany koa, nisy andian’olona nokaramaina hitoraka pilotra tetsy ankilany, ary ny miaramila indrindra ny Resep, nanenjika sy nanao savahao ny trano rehetra nanodidina mety nisitrihan’ireo vahoaka. Nisy ny voasambotra ary tsy hay izay niafarany, ary tsy fantatry ny havany ny nalehany. Nisy, ohatra, renim-pianakaviana iray tafaresaka taminay mba nilaza ny alahelony ny amin’ny tsy nahitany an-janany vavy mandraka ankehitriny nandeha tamin’izany hetsika izany kanefa manan-janaka, ary dia lasa kamboty ireo zanany ary izy renibeny no mitaiza azy…

Tsy fantatra mazava ny amin’ity hetsi-bahoaka 10 Aogositra ity hatreto, ary ny Amiraly Didier Ratsiraka, dia tsy mihevitra mihitsy ny hifona amin’ny vahoaka Malagasy, ny nambarany aza, dia ny tsy fanenenany tamin’ny zava-nitranga na ny nataony ary toy ny olona tsy tomponandraikitra tamin’izany izy. Ezahiny mandrakariva ankehitriny ny manarona na manakona tanteraka izany tsy ho fantatry ny taranaka ankehitriny ka ataony avokoa sy ny mpiara-dia aminy ity laza masaka rehetra ity mba hanadiovana azy. Anisany fomba iray hanafenana ny marina mba tsy horesahana intsony ny fanitrikitrihana ny raharaha 2002 ary toy ireny voa mafy ireny tokoa izy tamin’izany.

N’inona anefa atao n’inona ambara ankehitriny hanafenana sy hanakonana ny marina, ny lasa tsy fanadino ary tantara tsy ho voakosoka sy  ho voarakitra ho tantaran’ny firenena mandrakizay ireny satria nisy Malagasy, mpiray tanindrazana namoy ny ainy  sy nandatsaka ny rany 26 taona lasa izay noho ny fitiavany ny fireneny mba iriany hivoatra sy handroso ary hisandratra toy ny firenen-kafa.

Sôh’son

Diaben’ny fahafahana 10 aogositra

Tsy nisy ny fitoriana fanamelohana ny Amiraly Didier Ratsiraka hatramin’izao

 

“Ento  miakatra  ity firenena ity  ,  ho ravàna  ny mandan’i Jericho”, Ireo  no teny filamatry ny   tolona nataon’ny  vahoaka Malagasy tamin’ ny taona  1991 nitakiana  ny   fahafahana  hisian’ny  demokrasia  teto  amin’ny firenena  izay nanjakan’ny didy jadona  nandritra ny fitondràn’ny  filoha  teo aloha  ny Amiraly Didier Ratsiraka  tao anatin’ny  16 taona .  Nandritra  ny tolona,    tapa-kevitra ny  vahoaka  teo  amin’ny  kianjan’ny  13 mey  fa hanao diabe eny Mavoloha  ny 10 aogositra  1991  hanatitra ireo lohandohan’ny mpisorona  hifampiresaka  amin’ny filohampirenena  mikasika ny fitakian’ny vahoaka .

Vao taty amin’ny 1 km  miala  ny lapan’i Mavoloha  anefa  dia  pilotra ,  grenady  , basy  no nitifirana  ireo vahoaka nitondra tanam-polo  , vokany ,  maro ny maty sy naratra tamin’izany , nandrika  ny rà teny  amin’ny lalana mihazo an’i Mavoloha .  Ankehitriny  , 26 taona  aty aoriana  , efa dila  ny vanimpotoana , tsy nisy ny  fitoriana   fanamelohana  ny  filoha Didier Ratsiraka  teny amin’ny fitsaràna  raha  nolazaina fa mpamono olona   ity farany , tsy nisy  ny  fahatsiarovana  fa  dia  izay vita dia vita . Alain Ramaroson  filohan’ny antoko Masters   migadra eny Antanimora  no  mba nanatitra voninkazom-pahatsiarovana rehefa tonga ny 10 aogositra , fa ankoatra izay tsy misy .  Antony maro no mahatonga  izany ,  tompon’antoka voalohany  amin’ny nahafatesana  sy nampitondra takaitra olona maro tamin’ny 10 aogositra    ny  nitarika   olona ho eny amin’ny lapampanjakàna  amin’ny maha  faritra mena azy  , vokatr’izany ,    ireo  mpitaritolona  no lasa nitantana  ny firenena tamin’ny taona 1991  rehefa niala  teo amin’ny  sezany  ny Amiraly , tsy te ho voasaringotra  ireo  mpitondra  nanomboka  teo  ka  dia naleony  nangiana .  

Ny 7 feboroary 2009  nanaovan’i  Andry Rajoelina  sorona  ny vahoaka  teny  Ambohitsorohitra  ihany no hafakely  satria   dia  nolazaina fa mpamono olona  ny  filohampirenena  Marc Ravalomanana , ka  nosazian’ny  fitsaràna tsy mahefa  natsangana   teny andalambe  sazy  an-tranomaizina. Tsy mahagaga  izany    satria teo ampelatanan’ny mpanongam-panjakàna  ny  fahefàna  rehetra nanapotehana   azy. Tsy fantany akory  fa heloka  ny  mitondra olona   eny amin’ny lapampanjakàna   izay  faritra mena . Izay no  mahatonga an’i Madagasikara ho ao anaty haizina mangitsikitsoka  ankehitriny ,   tsy fantatry ny olona nitondra ny firenena  teto nandritra ny  tetezamita  5 taona  akory  izany lalàna  izany , hany  ka   mbola mitohy hatramin’izao  ny tarazony .  

    Helisoa

.

Ny Valosoa 10085                 –

 

Publicités

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué , , , . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s