Raharaha Mamy Ravatomanga. Enquête en cours… au conditionnel.

 

.

Afera Mamy Ravatomanga Hanakonana ny raharaha Claudine R

10/08/2017

Tamin’ny alatsinainy hariva teo no tonga nisava ny trano fonenan’i Mamy Ravatomanga teny Ambohibao Amboaroy sy ny foiben’ny orinasa SODIAT etsy amin’ny Pradon Antanimena ny solontenan’ny Fampanoavana eto Antananarivo,

Paris ary ny SAMIFIN (Sampan-draharaha misahana ny fandikan-dalàna ara-bola sy famotsiam-bola), raha ny vaovoa mivoaka. Anton’izany ny fisian’ny fanadihadiana momba ny fandikan-dalàna ara-bola sy ny famotsiam-bola nahasaringotra an’i Mamy Ravatomanga izay nividy trano lehibe maro tany Frantsa ary mampanofa izany nanomboka ny taona 2011. Tsy ny fananany ireo trano no olana fa ny fomba nahazoany sy nividianany izany, izay tsy nazava ary noheverin’ny fitondrana frantsay fa « harena azo tamin’ny tsy marina » . Efa tamin’ny taona 2015 no niatomboka ny fanadihadiana momba ity raharaha ity tany Frantsa, ary nisy  ny fakana am-bavany ireo vavolombelona sy ny fananganana ireo porofo rehetra. Araka ny vaovao mivoaka, dia efa tratran’ny fitsarana Frantsay toa azy koa i Teodoro Nguema Obiang Mangue, ilay mpanefoefo sady filoha lefitra avy any Guinée équatoriale ary ireo teratany frantsay sy olo-malaza iraisam-pirenena hafa maro izay manao hosoka amin’ny fandoavany hetra. Raha ny vaovao farany azo omaly hariva kosa, dia fangatahana fanampim-baovao no natao tamin’i Mamy Ravatomanga fa tsy fisavana. Volaza ihany koa fa trano novidiany teo anatrehan’ ny « notaire » tany Frantsa ary nisy resaka findramam-bola tamin’ny banky na « prêt bancaire » no nisy. Misy hidirany amin’ny politika ny resaka, ka raha ny loharanom-baovao iray dia natao mba hanakonana ny raharaha Claudine Razaimamonjy, ity raharaha satria raha ny resaka mivoaka dia miditra amin’ny dingana faharoa ny fanadihadiana lalina ataon’ny Bianco momba ny raharaha mahakasika io mpanolontsain’ny filoha io.

Toky R. TiaTanindrazana.

Mamy Ravatomanga dans le collimateur du SAMIFIN

Mamy Ravatomanga est désormais dans le collimateur du SAMIFIN…D’après les informations, ses résidences en France et à Madagascar auraient été perquisitionnées,  il serait question de blanchiment d’argent…

.

Mamy Ravatomanga dans le collimateur du tribunal français

Mamy Ravatomanga a1

24h Mada 14/08/2017.

MAMY RAVATOMANGA:

NATAON’ I FANGORONAN-KARENA NY TETEZAMITA

Mbola mitohy hatrany ny fanadihadiana mikasika ity mpanefoefo izay enjehin’ ny fitsarana frantsay ity amin’ izao fotoana.
Teo amin’ ny taona 2009-2011 teo dia tafiakatra tany amin’ ny 60 miliara Ariary ny harenany tao anatin’ io vanim-potoana io fotsiny, namatsy ny fanonganam-panjakana i Mamy Ravatomanga hany ka nomen’ ny fanjakana Tetezamita tombotsoa manokana mihitsy ny tenany vao azon’ i Andry Rajoelina ny fahefana. Raha tsaroantsika tsara anefa fa tao anatin’ ireny tetezamita ireny dia nanakatom-baravarana avokoa ny orinasa hafa vokatry ny krizy saingy ny an’ i Mamy Ravatomanga dia nandeha tsara avokoa na ny bizinesy avo lenta na ny teo amin’ ny sehatry ny fandraharana, ny fanondranana harem-pirenena etsy an-daniny izany nisosa avokoa ary tsy nisy nahavita nikasika azy mihitsy noho izy nampiasa feno ny fahefana hananany.

Notendren’ ny fitondrana HAT mpikambana tao amin’ ny Filan-kevi-pitantanan’ ny orinasa TELMA sy JIRAMA ary AIR MADAGASCAR izy tamin’ izany ary tena nigoaka tanteraka ny tombotsoany.
Tao amin’ ny orinasa JIRAMA izay tena nararaotiny ka nahafahany nisintona 15 miliara Ariary narotsany tao amin’ ny kaontiny. Nafindrany vetivety tany amin’ ny kaontim-bolan’ ny orinasa MMP BTP izay orinasany ihany io vola io ny faramparan’ ny fe-potoanan’ ny Tetezamita. Ny  » VILLA PRADON  » etsy Antanimena izay novidianyy ihany koa tao anatin’ ny tetezamita, novidiany tamin’ ny EEM ny ampahan’ ny petra-bola tamin’ io  » VILLA PRADON  » io izay mitentina 2.7 tapitrisa Euros.

Ny volana Oktobra 2011 ihany koa no nahafahany nividy ny orinasa misahana ny fifamoivoizana an’ habakabaka TOA.
Nanana orinasa i Mamy Ravatomanga talohan’ ny Tetezamita saingy tsy nisongadina loatra izany raha tsy teo ny tetezamita izay tena nanome vahana azy.
Nataon’ i Andry Rajoelina sy Mamy Ravatomanga tohatra fiakarana fotsiny ny ràn’ ireo nitolona ho azy ireo satria dia ry zareo no nanan-karena sy mpanefoefo tampoka fa ny vahoaka nataony fitaovana nijanona ho vahoaka madinika.

24h Mada. 10 Août 2017.

Raharaha Mamy Ravatomanga

Ny Fitsarana Malagasy no manampy amin’ ny fanadihadiana.

Mitohy hatrany ny fandihadiana mikasika ny raharaha Mamy Ravatomanga manoloana ireo harena izay fantatra fa azon’ ilay mpanefoefo Malagasy Mamy Ravatomanga, toy ireo trano amina miliara novidiana vola euros tany Frantsa. Hatreto aloha dia fanampiana no nataon’ ny fitsarana Malagasy, izany hoe raha toa misy ny fangatahana fanadihadiana mikasika ilay olona voakasiky ilay raharaha eo amin’ ny fomba fitantanana orinasa izay tsy voatery hitovy amin’ ny any ivelany ny fitantanana dia manampy amin’ izany ny fitsarana Malagasy. 


Tahaka ny fisavana ny trano fonenan’ i Mamy Ravatomanga sy ny orinasany hahafahana manangona ny porofo rehetra izay ilain’ ny fitsarana Frantsay dia nanampy amin’ izany ny fitsarana Malagasy, miampy ny SAMIFIN.
Mbola misy koa ny firenena maro izay nametrahan’ i Mamy Ravatomanga vola toa an’ i Dubaï, Maorisy, Frantsa, Monaco izay fantatra fa hanatanterahan’ ny fitsarana Frantsay fanadihadiana.

Rolly Mercia

Mamy Ravatomanga Panama Papers

Faly manenjika gasy fahavalo ! Jamba sa mody fanina rehefa vahiny ?

 

 

Lire :

Panama Papers, juste des escrocs.

–  Aiza ny lalàna ? Tany, volamena, fiaramanidina (jets privés)… Forbes, Panama papers (dahalo).

 

LaChasse-info.com

Raharaha #Mamy_Ravatomanga :

Miandry ny hetsiky ny mpitsara, indrindra ireo mpikambana ao amin’ny Sendikan’ny Mpitsara (SMM), ny mpanara-baovao rehetra amin’izao hanamarina na nisy tokoa ny fisavana tany amin’ny tranon’i Mamy Ravatomanga sy ny foiben’ny vondrona SODIAT na tsia ? Misy tokoa ny vesatra hiampangan’ny fitsarana frantsay an’ilay olona voalaza ?

Fomba fiasan’ny filohan’ny SMM, Fanirisoa Ernaivo, ny mitondra ny ekipany manamarina sy manamafy ny zava-misy momba ny raharaham-pitsarana mahakasika olona iray, indrindra ny raharaha Claudine Razaimamonjy. Ankehitriny, miandry ny fanambaràny ny olona satria fanaon’izy ireo ny tonga dia miantso mpanao gazety na miteny amin’ny radio na amin’ny fahitalavitra mitondra fanazavàna momba ny raharaha raha nisy fandikan-dalàna raha nisy zava-tsy marina tao anatin’izao raharaha.

Ernaivo Fanirisoa

SMM. Valiny.

Fanirisoa Ernaivo (FB). Na dia efa averimberina foana aza dia mbola misy olona tsy mahalala iany hoe inona no antony mampiteny ary rehefa inona no mijoro ny SMM. Ka averiko iany mba ho fampianarana antsika koa : 


1 rehefa misy fahefampitsarana ka voatohitohina ary hitampoko hitampirenena izany dia miteny ny SMM
2 maro ny raharaha mpitsarana fa tsy voatery hiteny izahay refa mbola tsy misy ny fisakanana na finiavana hanakana na hanararaotra izany
3 raha io raharaha famotorona ny SODIAT io dia miara mahita isika rehetra fa mbola tsy nisy aloha hatreto ny sakana ka nanohitohina ny fahaleovantenan ny Fitsarana ka aleo hanohy ny asany ny mpanao famotorana
4 ny raharaha Claudine dia efa mitohy na dia miadana aza ary dia samy mijery isika ny fivoharany.

Ireo izay milaza fa voakarama ny SMM dia mitandrema iany amin zavatra tenenina fa tany misy lalana eto ka ny fanendrikendrehana ny fanalana baraka dia faizin ny lalana.

Feon-dakolosy hafa…

Zah Ihany Ty à HEVITRA SY TSIKERA HO AN’NY MPITONDRA. 14/08/2017.

#MAMY_RAVATOMANGA_BOUC_EMISSAIRE_DE_L_INCOMPETENCE_DU_HVM

Tsy afaka manome valiny amin’ny zavatra andrasana ny vahoaka amin’ny ingahy Filoha #Hery_Rajaonarimampianina sy ny #ekipany dia te-hampiasa #fandrahonana sy #fanerena amin’ireo mpanao gazety sy ireo olona tsy mitovy hevitra aminy. Ary fahavetavetana manaparitaka #lainga mba hanafenana ny tsy fahaizana mitantana sy ny #halatra_bevava sy #Kolikoly_avolenta ataony #vadiny sy ny #ekipany dia i #Mamy_Ravatomanga, Tale Jeneralin’ny Vondrona SODIAT no potehina amin’ireo lainga afafin’ireto gazetim-panjakana ireto.

Madagate.

 

 

Publicités

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué , , , , , . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s