Ny Valosoa, 12 Aogositra 2017 (I). Marc Ravalomanana-Toamasina, Fampihavanana (CFM), Krizy, vola …

Ambatomanga, Toamasina

Rôla hatrany ny filoha Ravalomanana

Tato anatin’ny andro maromaro izao dia tsy mipetraka mihitsy ny filoha Marc  Ravalomanana, filohan’ny komitin’ny jobily fankalazana ny faha-50 taonan’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy eto Madagasikara (FJKM), sady filoha nasionalin’ny antoko Tiako i Madagasikara (TIM). Na manana izay kasikety roa izay aza i Dada, miavaka tsara ny hetsika ataony amin’ireo faritra lalovany, misaraka tanteraka ny hetsika ara-pinoana eo amin’ny sahan’ny finoana FJKM, sy ny hetsika politika hiarahany amin’ny antoko izay najorony. Tamin’ireo toerana rehetra nolalovany ireo dia hita fa tena rôla araka ny fitenin-jatovo azy mihitsy i Dada, ifanotofan’ny rehetra, na lehibe, na kely, na antitra, na tanora, na olon-tsotra, n any sahirana, na ireo olona manana ny maha-izy azy.

Tamin’ity herinandro ity dia tany Ambatomanga Manjakandriana faritra Analamanga, sy tany Toamasina renivohitry ny faritra Atsinanana ny filoha Marc Ravalolanana. Tany Ambatomanga dia nitondra ny traikefany eo amin’ny fahaiza-mitarika na leadership ho an’ireo talen-tsekoly FJKM manerana ny Nosy nivory tany izy. Tany Toamasina, nitondra izay fahaiza-manaony sy fahaizany mitarika ary ny traikefany eo amin’ny finoana izay, ho an’ireo Sekoly Alahady FJKM manerana ny Nosy koa i Dada. Nifarana omaly tao amin’ny Lycée FJKM David Jones Anjoma izany Fihaonambe faha-VI ny Sampana Sekoly Alahady FJKM izany. « Sekoly Alahady miaina amin’ny Tenin’Andriamanitra, sahy mijoro ho vavolombelon’i Jesoa Kristy », no loha-hevitra tamin’izany. “Fifaliana mandrakariva ny miaraka aminareo zanaka ato amin’ny Sampana Sekoly Alahady”, hoy ny filoha Marc Ravalomanana nandritra ny fotoana.

Tao an-renivohitry ny faritra Atsinanana ihany omaly, niatrika ny faha-500 taonan’ny Refôrmasiôna sy ny faha-150 taonan’ny Fiangonana Loterana Malagasy (FLM), nokarakarain’ny sampana Sekoly Alahady Saloma tao amin’ny fiangonana FLM Morarano izy. “Ny marina amin’ny finoana no ho velona” no loha-hevitr’izany. Anio kosa dia hetsika ara-politika ranofotsiny no hatrehany dia ny fankalazana ny faha-15 taonan’ny antoko TIM, sy ny kongresim-paritr’ity antoko ity any amin’ny faritra Atsinanana sy Analanjirofo. Mbola hotaterina eto ihany ny akon’izay.

Isambilo.

Ny Valosoa a8

 –

Manomboka sahiran-tsaina ny mpamadibadika palitao sy ny mpitrandraka seza politika

Valaka ary hita ho sahiran-tsaina ireo mpamadibadika palitao hatramin’izay satria manomboka voaavaky ny vahoaka izy ireny amin’izao fotoana izao. Tsy afaka mandresy lahatra olona intsony fa efa diso kajy tanteraka ny ankamaroan’izy ireny. Voajonon’ny mena miraviravy hany ka tsy afaka nanafin-kiho fa nitabataba nanenjika ny mpomba ny Filoha Ravalomanana kanefa izao manenina fa hay ity olona nenjehina mbola tena mamim-bahoaka. Saika ireo efa tena mpivadika hatramin’izay avokoa no voa tamin’ity indray mitoraka ity hiroso maty raibe hihemotra maty renibe hany ka zary lasa misitrisitrika fa tsy sahy maneho hevitra intsony. Nisy mihitsy ny sasany tamin’izy ireny no nilaza ny hiala sasatra eo amin’ny resaka politika satria efa mahatsapa sahady fa tsy hahazo olona intsony na handainga fahazato faharivo aza. Ireo izay tafalatsaka ao anatin’ny fitondrana amin’izao fotoana moa efa tsy mahasahy miresaka satria kendan’ny vomanga nasesiky ny tanany.

Nihevitra ny hahatafavoaka baolina kinanjo taraiky farany, hany ka zary lasa miteniteny foana amin’ny fiarovana be fahatany ny antokon’ny mpitondra. Misy kosa ireo nahazo toerana saingy tsy sahy mipoipoitra mihitsy na dia lanonam-panjakana aza satria diso fantatr’olona loatra ny antoko nisy azy teo aloha. Hatreto, matanjaka ny antoko T.I.M sy ny mpanara-dia ny Filoha Ravalomanana Marc raha ny aty Alaotra Mangoro manokana no jerena ary mbola tsy nivadika tamin’ity filoha ity avokoa ny ankamaroan’ny vahoaka fa ireo mpitantana sasantsasany no nidiran’ny valan’aretin’ny fitiavan-tseza ka izao vao manenina.

Raoul.

Komitin’ny  fampihavanana (CFM)

Mahakivy ny fifantenana ireo mpikambana ao anatiny

Lasa resabe eto amin’ny firenena  ny  fomba entina hanendrena  ireo ho  mpikambana vaovao  ao anatin’ny  komitin’ny fampihavanana  eto Madagasikara n any CFM. Toy ireny  manala fanadinana  ireny  ireo  kandida  10  isaky  ny faritra  voafantina , ka ny ao antsain’izy ireo  voalohany  amin’izany   dia  ny ho afa-panadinana  . Vokany  ,  toerana  sy  voninahitra ary   vola avy hatrany no mibahana ao an-tsain’ireo  ho tafita    eto  fa  tsy  izay  resaka  fampihavanana  izany akory .

Hita mibaribary  fa  ireo mpifaninana   mihazakazaka ny  ho tafita  sy  ho  afa-panadinana  voalohany   ao anatin’io   komitin’ny fampihavanana  io dia ireo  mpanao politika,  minisitra ,  depiote  mpikambana  tao amin’ny kongresin’ny tetezamita  teo aloha  , ary  ireo mpanao politika  tsy manana vahoaka mpanaraka  fa mpiandry tataka fotsiny .  Tsy vitan’izany fa  ny maro ao anatin’io  komitin’ny  fampihavanana   io dia ho tendren’ny filohampirenena Hery Rajaonarimampianina  ,  ka   ny loza aterak’izany dia  ireo  tsy manana toetsaina   tsy momba  ny atsy sy eroa  (neutre)  fa mitanila sy manilika  ny hafa   tsy mitovy hevitra  amin’ny mpitondra no ho maro  ao , koa  inona no antenaina amin’izany ?  ny mpitondra fanjakàna HVM no hahazo tombony amin’io , dia ho eto ihany isika Malagasy hifanenjika  an-toerana eto .

Helisoa

8 taona aty aoriana, tsy misy fiafarany ny krizy eto amin’ny Firenena

 

Enina ambiroapolo taona ny alakamisy lasa teo ny 10 Aogositra 1991 ny « diaben’ny fanafahana » notarihan’ny « Herivelona Rasalama » ka nilahatra nankeny Mavoloha ny vahoaka efa amana hetsiny teto an-drenivohitra. Volana vitsy taorian’io andro io rehefa nihiboka andro maromaro teny Andrainarivo, Hôtel Panorama, ireo politisiana mpikambana tao amin’ny antoko politika teo amin’ny fitondrana sy ny tao amin’ny « Herivelona Rasalama » dia namoaka ny « fifanarahan’ny 31 Oktobra » (Convention du 31 Octobre).  Niaraha- nahalala fa nitsoka maneran-tany ny rivo-panafahana (wind of change) tamin’ny taona 1990 ka nirodana ny rindrin’i Berlin (Mur de la Honte), nitresaka ny Firaisana Sovietika (Union des Républiques Socialiste Soviétique), nitsoka teto Madagasikara ihany koa izany rivo-panafahana izany ka nidaraboka ihany koa ny Repoblika Demokratika Malagasy izay nirona tamin’ny firehana sosialista.

Araka ny fifanarahana tamin’izany dia tsy nihoatra ny roambinifolo volana ny tetezamita ka ny Ben’ny tanànan’Antananarivo, Razanamasy Guy Willy no filoham-panjakana nitondra ny Firenena. Azo lazaina fa tsy nisy krizy loatra nandritra  izany fepotoana izany. Raha ny marina dia ny krizy taona maro teto teo aloha, izay  naneran-tany mihitsy, no tena antony nampirodana ny Repoblika II noho ny politikam-pitantanana nanjakan’ny kinamanamana (népotisme, favoritisme) sy ny fiaraha-nisaosy izay nampalaza ilay fitenenana “samy mandeha samy mitady” ka nampikoroso fahana ny fiainam-bahoaka. Samy mahatsiaro ny rehetra fa nilaharana teny amin’ny fokontany avokoa ny entana nilain’ny mponina andavanandro (vary, menaka, sns…). Nitsangana ny Repoblika III-1 ka “Fahafahana-Tanindrazana-Fandrosoana” ny teny filamatra. Nomena anarana ho “rain’ny demokrasia” ny Pr. Zafy Albert kanefa noraisin’ny gasy ara-bakiteny izany ka tsy voafehin’ny lalàna intsony ny vahoaka ary nanjaka ny gaboraraka. Tsy nisy fampandrosoana azo notsapain-tànana teto amin’ny Firenena ary nomen’ny Lalàmpanorenana fahefana be loatra ny Antenimieram-pirenena ka tsy sarotra tamin’ity andrimpanjakana ity no nanongana azy tamin’ny alàlan’ny “empêchement” na dia ny mpikambana tao amin’ny antoko politikany, UNDD, aza no maro an’isa tao. Ny fahatsapana azy dia toa lasa nivezivezy nitety an’i Madagasikara no nataon’ny Pr. Zafy Albert fa tsy nanana programam-pampandrosoana teo amin’ny sehatra rehetra ihany koa izy. Nanampy trotraka ny tsy nahazoana famatsiam-bola avy any amin’ireo mpamatsy vola mahazatra ka nampidirana ny “famatsiam-bola mira zotra” (financement paralèlle) kanefa  tsy nahafahana nanao na inona na inona izany.  Teo koa ny disadisa teo aminy sy ny praiminisitra Ravony Francisque izay nifatraran’ny tsy fahombiazana rehetra ka na dia nosoloina olona nahatoky ny filohan’ny Repoblika III-1 aza izy dia tsy nampiova na toe-draharaha izany. Tsy nisy krizy ara-politika loatra teo amin’ny fifandimbiasam-pitondrana teo amin’ny Repoblika III-1 sy ny Repoblika III-2 satria tsy nisy kandidà nanana ny fahaizana mandresy lahatra ny vahoaka ny mpifaninana ka tafaverina teo amin’ny fitondrana indray ny Amiraly Ratsiraka Didier. Ny nataony voalohany dia ny  fikitihana ny Lalàmpanorenana ary nanaisotra ilay fehefan’ny Antenimieram-pirenena.

Tsy niteraka krizy vaovao ny fifandimbiasam-pahefana kanefa tsy nitondra fampandrosoana ihany koa. Tsy fanonganam-panjakana no nahatongavan-dRavalomanana Marc teo amin’ny fitantanana ny Firenena, ny vahoaka no niaro ny safidiny tamin’ny fifidianana ka nahatonga ny fitokonana lavareny efa ho enim-bolana teo amin’ny Kianjan’ny 13 Mey. Nisy tokoa ny krizy pôlitika kanefa toa niravona ihany izany taorian’ny fifampidinihana tany Dakar- Sénégal indroa niantoana. Hitam-poko, hitam-pirenena anefa tamin’ireny fotoana ireny fa nitsiry tao an-tsain’ny politisiana gasy sasantsasany ny fananganana ny rafitra “federalista” izay tena fizarazarana ny Firenena sy ny fampiharana ny “zarazarao hanjakana” ka nisy ny fametrahana barazy tany amin’ny tetezan’i Kamoro, làlam-pirenena faha-4 sy tao amin’ny tetezan’i Brickaville, làlam-pirenena faha-2 sy ny fanapoahana ny tetezana tao Amboasary, Behenjy, làlam-pirenena faha-7.   Tsy naharitra ela loatra izany krizy politika izany, kanefa tsapa fa mbola misy tarazo mandraka ankehitriny.

Nambara ombieny ombieny tokoa tamin’ny tetezamita fa tolom-bahoaka ho fanafahana azy tamin’ny didy jadona sy ny fanaovan-dRavalomanana ampihimamba ny harem-pirenena no niteraka ny fanonganam-panjakana tamin’ny taona 2009.  Na dia “Fitiavana-Tanindrazana-Fandrosoana” aza ny “teny filamatry” tetezamita sy ny Repoblika IV dia ny mifanohitra amin’izany ny fihetsiky sy ny ataon’ny mpitondra tamin’ny tetezamita sy ny amin’izao Repoblika IV izao. Valo taona aty aoriana dia tsy misy fiafarany ny krizy eto amin’ny Firenena. Tsy eo amin’ny lafiny politika sy ekonomika ihany fa eo amin’ny lafiny kolontsaina sy fisainana sy fomba enti-miaina eo amin’ny fiarahamonina ary indrindra indrindra krizy ara-piarahamonina noho ny tsy fandriampahalemana sy ny fifamonoan’ny mpiray tanindrazana.

Andry Tsiavalona

Ny Valosoa a7

Ny Valosoa a3

 

 

Publicités

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué , . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s