CUA-Antananarivo. Hiova endrika tsy ho ela ny Esplanade Analakely.

Mpivarotra sy CUA

Hiova endrika tsy ho ela ny Esplanade Analakely


Tsy ho ela dia hiova endrika ny Esplanade Analakely, ho vita ireo Pavillons vaovao, fiaraha-miasan’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA) sy ireo mpivarotra.

Ny mpanelitsaho toy itony no mila handraisana fanapahankevitra Atoa minisitry ny serasera o! Aza manao mizana tsindrian’ila fa nareo ihany anie ni hi TRIATRA eo amin’ny famafazan’ireo lainga e! Gazety Valosoa RakotoNy VaovaoMadagascar Gazette

L’image contient peut-être : plein air et texte
CUA serasera

· 
Araka ny lahatsoratra navoakan’ny tambazon-tserasera sy gazety iray dia mitondra izao fanamarihina izao izahay eto amin’ny ny CUA serasera, voalohany dia ny fanapahan-kevitra toy ny famarotana tany na tranon’ny Kaominina dia tsy maintsy mandalo “Délibération” eo anivon’ny Mpanolontsain’ny tanàna avokoa ary avy eo dia mbola ankatoavin’ny “Prefecture de Police” raha manaraka ny lalàna.
Araka izany dia fampihelezana vaovao tsy marina ny filazàna fa namidin’ny Kaominina ny tany na ny “Esplanade” etsy Analakely. Efa notanterina teto ny mikasika ny fanavaozana ireo “Pavillons” vaovao amboarina eo fa famatsiam-bolan’ireo mpivarotra teo aloha ihany, ary izy ireo rahateo no hiverina hivarotra sy hampiasa io toerana io fa ny fotodrafitrasa no mijanona ho an’ny tanànan’Antananarivo. Tsara ny manamarika fa nanaovana “AMI Appel à Manifestation d’Intêret” avokoa ireo trano rehetra amboarina ireo ary azon’ny tsirairay hatao ny manontany ny sampandraharaha “DUD Direction de l’Urbanisme et de Développement” ato amin’ny Hôtel de ville, rihana voalohany, varavarana faha-36 manao ny fanadihadiana rehetra mikasika izany.
Faharoa, ny fampidirana ny Ben’ny tanàna mivady ao anatin’izao raharaha izao dia tena mampalahelo satria tonga hatramin’ny tora-po sy teny tsy voahevitra raha toa ka fitadiavana hanatsaràna ity Renivohitra ity no katsahan’izy ireo, dia fanenjehana diso tafahoatra toy izao no setriny, azo lazaina ho “Affirmation gratuite” kosa anefa ity fanasoketana ity satria raha nanana porofo toy ny taratasy fifampivarotana ny namoaka ny lahatsoratra dia efa nasehony izany saingy lainga ny vaovao nahely koa manentana antsika namana rehetra tsy ho voarebirebin’ny fanaratsiana toy izao.
.
CUA a22
Publicités

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué , , . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion /  Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion /  Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion /  Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion /  Changer )

Connexion à %s