Hetsika nataon’ny Taxi tsy mila Omavet, Antananarivo, 19 Septambra 2017.

Nahazo halalana hanao fihetsiketsehana ny Taxi

Nanome alalana ny taxi tarihan’i Clémence hanao fihetsiketsehana ny Préfet de Police. Mipetraka avy hatrany ny fanontaniana manao hoe : Inona no idiran’ny Fanjakana amin’ny hetsiky ny taxi ? Ary rehefa iza no manao fihetsiketsehana dia omena alalana ary rehefa iza dia tsy omena?

Misy politika maloto ao ambadik’izany. Ny kendrena amin’io dia ny hanoloana ho PDS ny Ben’ny tanàna ary efa miketrika mafy izany ny fitondram-panjakana. Izany rahateo no efa nolazain’ny mpitondra fiarakaretsaka tao amin’ny Radio tsy miankina iray io tolakandro io. Na izany na tsy izany dia maro ireo taxi niasa toy ny isan’andro fa tsy nanaraka ny tenin’ny Filohan’ny FTAR.

.

Tsy nahomby ny fihetsiketsehana nataon’ny Taxi tsy mila OMAVET

Tsy nahomby ny fihetsiketsehana nataon’ny Taxi tsy mila OMAVET sy LANTERNE vaovao. Vitsy ireo nanohana ny antson’ny Fikambanana tarihan’i Ramatoa Clémence. Nanodidina ny 130 fotsiny izy ireo no nihodikodina teto Iarivo.

Efa ho 3000 mahery anefa ny Taxi eto Antananarivo Renivohitra. Nozaraina lasantsy maimaimpoana ireto taxi nanao fitokonana ireto. Noteren’ireo taxi mpigrevy hanaraka azy ireo taxi miasa sy nitondra olona. Ankoatra izay dia maro amin’ireo Taxi nanao fihetsiketsehana no tsy mahafantatra akory ny dikan’ny atao hoe OMAVET. Midika izany fa atao fitaovana fotsiny ireto Taxi tsy mila OMAVET sy LANTERNE vaovao ireto satria tsy mahalala izay ambonin’ny tany na dia ny tombotosan’ny mpanjifa sy ny taxi ara-dalàna aza no katsahan’ny Kaominina.

Omavet Taxi1

Omavet Taxi2

Omavet Taxi5

Tsy mila OMAVET nefa ny fiarany, tena mila fanamboarana na « lifting » goavana be

Publicités

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s