URGENT. Des avocats internationaux pour nos paysans spoliés de leurs terres. Ny Rado Rafalimanana.

Après les Expulsions des 500 familles Malagasy à Moramanga par un Français et des complices (malgaches). Maintenant c’est à Antananarivo.

Trop c’est trop… Là, la coupe est pleine… Une famille Indo-Pakistanais Opérateur économique oeuvrant dans tous business à Madagascar est en train de récupérer aussi des Hectares de Terrains des paysans à Ambohitrimanjaka, Antananarivo.
Non et non… Ce n’ est pas que nous Malagasy, sommes Pacifique et acceptons toujours les répressions par leur voie de Corruption à haut lieu avec les autorités locales pour rendre vos actes légales…

En ce sens, je viens de décider avec mon equipe et notre ONG internationale #Ny_Fanahy_Maha_Olona de mettre à la disposition à tous ressortissants Malagasy #Fokonolona une armée d’Avocat nationaux et internationaux pour que la justice soit rendu à son droit…
Comme ces Malfaiteurs ont des passeports Français, Indiens, Pakistanais… Que Par miracle de la corruption, ces familles Indo-Pakistanais ont eu des Passeport Malagasy (qu’un jour on va procéder une enquête approfondie pour l’obtention de tout cela).

Nous allons user les juridictions compétentes de leurs pays d’origine avec leurs pays d’affaires comme France, Monaco, Suisse, Maurice, Dubaï, Hong Kong et Singapore vu que leurs sociétés Offshores y résidaient.

J’ incite au Diaspora Malagasy dans le monde entier de prendre acte pour s’entraider contre ces Profiteurs de la nativité de nos compatriotes Malagasy et combattre la corruption de haut lieu de nos Traîtres Compatriotes Malagasy qui osaient vendre nos terres de nos ancêtres.

Commençons à cela, et il faut s’entraider pour les restes dans toute l’ile car il y a Les certains opérateurs Chinois, les certains Français, etc…

Les Ennemis de Madagascar ne sont pas seulement ces quelques politiciens Malagasy ou ces certains Malagasy gouvernants traitres corrompus qui vendaient leurs Âmes contre une petite liasse de Ariary mais aussi ces Profiteurs soient disant Opérateurs Économiques qui succaient à long feu notre économie nationale et maintenant ils sont arrivés à accaparer nos terres par la voie de corruption.

N’oublions jamais que s’il y a la Corruption, il y a d’abord ceux qui donnaient de l’argent.

Aidons nos compatriotes Malagasy et surtout nos prochains de revendiquer nos patrimoines et que le plus sacrée est la Terre.

Qui va défendre nos Compatriotes Malagasy si personne ne prenait acte… ?

À nous qui avons les moyens de rendre l’ascenseur à notre Nation et au peuple Malagasy d’ unir ses forces avec notre devise Soatoavina Malagasy.

Au nom de notre ONG NyFanahyMahaOlona, nous remercions déjà les organismes Internationaux qui ont deja manifeste aupres de notre cause.

God bless our lovely MADAGASCAR
@Nyrado Rafalimanana
Président of ONG Ny Fanahy Maha-Olona
www.nyfanahymahaolona.org

Tany Ny Rado1

Tany Ny Rado2

Tany Ny Rado3

Ambohibary-Moramanga, Tanindrazana sy vahiny. Des villageois expulsés, l’Etat complice.

Filoha Rajaonarimampianina « Tsy mivarotra tany amin’ny vahiny izahay »

15/09/2017

Sesilany ny kiana mahazo ny fitondrana Rajaonarimampianina amin’ny resaka fivarotana tanindrazana amin’ny vahiny.

Tsy nivarotra tany tamin’ny vahiny izany ny fanjakana, hoy kosa ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina nandritra ny fanehoan-kevitra nataony omaly tamin’ny fanokafana ny Foara Iraisam-pirenena momba ny fambolena teny Forello Tanjombato. Nolazainy koa fa hohamoraina ny fahazoan’ny tantsaha tany mba hampiroboroboana ny fambolena. Nasiany teny ny ezaka ataon’ny fanjakana amin’ny fanatsarana ireo lalàna isan-karazany momba izany, indrindra ny politikan’ny fananan-tany, izay nohatsaraina hatramin’ny taona 2015. Maro ny mankasitraka ny fanehoan-kevitra ary tehaka mirefodrefodrefotra no azon’ny filoha. Ny mampalahelo, dia ny mifanohitra amin’izay no tena iainan’ny Malagasy. Ny eo am-pelatanany aza bodoina.

Tsy fitia te hanakiana fa tsy tambo isaina ny fibodoana tany ataon’ny vahiny eto amintsika, raha tsy hilaza afa tsy ny any Moramanga. Tany 130 ha, efa nivelomana hatramin ny taona 1966 ary vita « reconnaissance » tamin’ny 2006 no nahavitan’ny vazaha baorina teny ambony latabatra. Misy ny firaisana tsikombakomba amina tompon’andraikitra ambony sy manampahefana matoa tanteraka. Ny toe-javatra tahaka ireny no ilana ny fijoroan’ny filoha sy ny fanjakana tarihiny, mba hanehoany fiarovana ny Malagasy. Toa tsy mba misoka-bava manoloana ireny anefa ny tenany. Miandry izay tena fandraisana andraikitra ataon’ny Filoha ny rehetra.

Toky R . TiaTanindrazana.

15/09/2017. Ambohibary Moramanga : Tonga any an-toerana ny ekipan’ny ONG Ny Fanahy Maha-Olona Moramanga, tarihin’i Ny Rado Rafalimanana amin’izao fotoana izao nitondra trano lay ho an’ireo fokonolona voharoaka ny tananany tamin’ny taniny satria lasana teratany vahiny ny tanàna. TiaTanindrazana.

2017 Sept 13, Vao naharay fitarainana avy any Moramanga ny tenako…Fianakaviana Fokonolona #Malagasy maro no voaroaka amin’ny Tanindrazany fa dia lasan’ny Vahiny Vazaha ny tanin’izy ireo.
Na ahoana na ahoana ny Fomba nahazoan’ireo teratany Vahiny izao tany izao, Izay mbola tantara hafa izay, dia tsy misy mihintsy fanajana ny Maha-Olona…
Andraikitra feno ho anareo Mpiadidy Mahefa isan-tsokajiny no miahy ny Mponina ao Aminy indrindra fa Malagasy tompon-tany no roahin’ny Vahiny.
Tsy fanairana intsony ny Antso atao fa Fiantsoana anareo ampindramina fahefana hanao ny asa aman-drakitrareo.
Ary ianareo Solombavam-bahoaka voafidy koa dia tokony manao ny Asanareo ka hanokatra fanadiadiana (enquête parlementaire) faran’izay haingana satria Izay no asanareo.
Aiza ianareo Raimandreny eto amin’ny Firenena tsy re feo fa dia mangina amin’izao tranga mamoafady izao.
Aza adinontsika Taranaka aty afara fa ny Tany dia mananjina amintsika Malagasy fa tsy zimbaina toy izao.
Ary miantso antsika rehetra n’y tenako hiaraka hitsinjo ireo Mpiray tanindrazana Malagasy amintsika Izay tsy havanana ara-taratasy ka araraotin’ireo mpiravotra tanindrazana.
Maka lesona ny omaly hanatsarana ny anio hampandrosoana ny ampitso.
Hampitampitao ry Mpiray tanindrazana mba ho ren-tany ren-danitra.
N’y Fanahy Maha-Olona ny Hery tsy mahaleo ny fanahy.
@Nyrado Rafalimanana. Ny Rado RAFALIMANANA

Ny Rado Rafalimanana I 15/09/2017. Dubaï, United Arab Emirates · 

Dear mes Amis du monde,

Suite à l’ explusion abusive des milliers de Paysans Malagasy de leurs Villages dans la commune Ambohibary Moramanga, par des ressortissants Français et des Malagasy traîtres qui ont accaparé un terrain de 230HA ou se situait plusieurs Villages avec des Tombeaux, barrage, habitations depuis 40ans plus et avec la complicité évidemment de la Grande corruption de tout genre dans le système administratif selon les dires du Maire de cette commune rurale (qui a survenu depuis 2009).

Mon ONG internationale Ny Fanahy Maha-Olona vient de ramener des Abris de fortunes (Tentes) venant du Croix Rouge Malagasy par le biais de l’association Mifanampy et des vivres pour ces compatriotes Malagasy privés de leur DROIT HUMAIN.

En ce sens, je lance un appel de détresse internationale pour donner assistance à ces Malagasy illettrés abusés de leur pacifisme et de leur coutume de respect humain, car leur DROIT DE L HOMME est totalement bafoué.

En ce sens, nous comptons amener cette affaire à Genève au siège de la Nation Unie pour le Droit Humain, à la justice Francaise, vu qu’un ressortissant Français est parmi l initiateur de tout ça, et évidemment à la justice de Madagascar pour continuer les procès entamés depuis la nuit des temps.

Notre ONG Ny Fanahy Maha-Olona va déposer aussi une requête de Plainte pour Corruption auprès de la BIANCO Bureau Indépendant Contre La Corruption de la République de Madagascar.

Si tous ceux là vous concernent en tant que Compatriote Malagasy, et avoir le sens de Devoir de la Patrie, Prenons actes et agissons intelligemment et Partageons dans le plus large diffusion mondiale possible…

God bless all Malagasy, God bless Madagascar

@Nyrado Rafalimanana
Président of ONG Ny Fanahy Maha-Olona
www.nyfanahymahaolona.org

.

Nofantsiana ny trano dia noroahina ny vahoaka.

Ny Rado Moramanga9

Ny Rado Moramanga10

Ny Rado Moramanga13

Ny Rado Moramanga12

Ny Rado Moramanga11

Vonjy maika.

Ny Rado Moramanga3

Ny Rado Moramanga4

Ny Rado Moramanga6

Ny Rado Moramanga1

Ny Rado Moramanga2

Ny Rado Moramanga8

Ny Rado Moramanga15

Marihina fa tsy nisy solontenam-panjakana tonga na iray aza… Ministra, PM, PRM, Solombavam-bahoaka, sns… Sa « Tany tsy misy Fanjakana ka manjaka ny Jiolahy ! ».

 

« Tsy mankatelina », Mamitiana Randrianarison (Mcm-Tanà).

Nary Mami1

TSY MANKATELINA

 

aoka aloha hazava e…

ianareo no nahazo baojiny avy any ananona any
dia izahay ve no terena ny hanaiky ny ohatr’izany?
ianareo no nifanaraka dia izahay no afindra monina?
tsy hisy hanaiky izany eo fa ny eto aza tsy antonona

ianareo no nahazo doka, na sera metimety…
dia indreo ireo sirianina hitombina etsy sy etsy?
ny eto Gasikara fa tsy tany arabo akory
ny aty tsy ho fieren’izay mpampihorohoro

ianareo no lany atao dia izahay no andeha terena?
terena hiara-hiaina sy hanaiky am-pahalemena?
ianareo no te ho deraina, mampiadana vahiny
manoa ireo sitra-pony, manao ny rehetra tiany

tsy hoe tsy tia vahiny fa ny eto manan-kasina
tsy izay ahilika any dia aty no atsinkasina
izahay tsy tsinontsinona na ino(na) fahantrana
tsy fanariana fako ny taninay ry nama!

ka aoka…aoka mihitsy

tsy niady tany izahay na hoe nahita tombony
any ny azy ireo…na inona izay rombony
ny eto aza efa sarotra ny miaina sy mivelona
ambaranay mazava: « izahay tsy mankatelina »

NARY. Mamitiana Randrianarison
06/09/2017

« Dia hangina vé ? » Nitiah Nosy.

Tanana Tahina R

Ph. Tahina R’mampianina

DIA HANGINA VE?

 

Tsy ho haiko ny hangina
sy ho mody tsy hahalala,
Noho ity mba fitondrana , 
miziriziry, mody adala!
Tena sahy manao zinona
ny vahoaka izay nifidy,
ny toky izay nifanekena
no tsy tratra fa namidy!

Ataoko ahoana ny hikipy
anoloan’ny zava-misy,
ry zareo miliba harena,
ny vahoaka mitampify!
Efa hiala hatramin’ny aina
vao mahita ny ho anjara,
atsy nefa fafy katrana
ny vola amina miliara!

Enga anie hangarahara,
hitsikafona ny marina
raha sanatria tokoa
harem-bahoaka no hangalarina
ny nitranga teto mantsy
dia ny toy izany hatrany
ny vola eto no miteny,
ny marina hafitsaka any

Raha harena no robaina
mbola leokoleoko ihany
f’ity safidy nandamoka
no mahakivy ambony any
ireo nantenain-kanirina
no indrisy mampivandra,
dia aiza indray no hitaraina,
amin’iza no hiandrandra?

 

Nitiah Nosy – Poeta

Publicités

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué , , , , , . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

3 commentaires pour URGENT. Des avocats internationaux pour nos paysans spoliés de leurs terres. Ny Rado Rafalimanana.

  1. GEILS Kutta Jaomitera dit :

    Mananjina ny tany , masina ny tanindrazana ….mila fongorina mintsy reo fahavalo ambony latabatra fa sakana lehibe ny fampandrosoana. Olona toy ianao no ilay ny firenena RADO RAFALIMANANA…mes respects.

  2. André T dit :

    Zay tsy tiany vahiny sisa no anjakan’ny Malagasy eto. Manerana ny nisy izany fa tsy toerana iray, ary sehatra rehetra fa tsy karazan-javatra iray. Kely saina anoloan’ny vola isika ka ambakain’ny vahiny. Na ny tompon’andraikitra ambony na ny eny @ antoerana dia samy tsy tehalala ny malagasy mitovy aminy rehefa mahita vola.

  3. iarivo dit :

    Toute cette argumentation soulevé ici relève de l’absurdité.

    D’abord, historiquement, les terres à Madagascar n’ont jamais été la propriété d’une quelconque personne individuelle (tantsaha ou non) mais celle du mpanjaka (et autres membres de l’autorité), et était exploité collectivement.
    C’est à partir de la période coloniale que la propriété privée est apparue.

    Ensuite, lors de l’indépendance, du transfert du pouvoir, toutes les propriétés privées préexistantes devaient être sauvegardé juridiquement (principe de droit). Pourtant, dès 1972, ces droits de propriété ont été remis en question unilatéralement et des milliers de personnes ont été spolié de leurs biens (foncier et non foncier), dans l’écrasante majorité sans aucune indemnité ou compensation.

    Enfin, avec le principe du Développement Durable (Sustainable Développent) et les Accords de Rio, toutes les richesses naturelles (terre, eau, air, pétrole, minéraux, …) sont des biens communs, et cela est valable à Madagascar qui y a souscrit et doit donc les respecter et les appliquer.

    L’absurdité absolue, c’est que nous passons notre temps à râler et à menacer alors que nous ne bougeons même pas le petit doigt pour développer le pays, et cela dure depuis près de 50 ans !!!

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s