Ny Valosoa, 10 Oktobra 2017.

Valosoa 10 Oct1

Fanalana ny fako amin’ny dabam-pako

Tsy vitan’ny SAMVA sy ny fanjakana ny asany

Tsy vitan’ny SAMVA sy ny fanjakana mihitsy hatramin’izao ny fanalana ny fako amin’ny dabam-pako. Ankoatra izany kosa anefa, manohy ny asa fanadiovana ny tanànan’Antananarivo ny Kaominina Antananarivo-Renivohitra (CUA), eo ambany fitantanan’ny Ben’ny Tanàna Lalao Ravalomanana.

Isan’izany ny fanadiovana ny tsena, ny lalana, ny toeram-pisakafoana sy ny sisa… Arahina famendrahana fanafody mamono ny bibikely sy ny parasy ary ny mikraoba izany . Koa mbola mitaona ny mponin’Antananarivo noho izany ny Ben’ny tanàna sy ny mpiara-miasa aminy hikajy hatrany ny fahadiovana mba hisorohana ny fihanaky ny aretina pesta. Hamafisin’ny Kaominina Antananarivo-Renivohitra fa anjarany ny mamafa sy mitaona ny fako hatreo amin’ny bac à ordures na izay toerana fanariam-pako misy . Anjaran’ny SAMVA, izay eo ambany fiahian’ny Ministeran’ny Rano sy ny Fitondrana foibe , ny mitaona ny bac à ordures na ny fako  ao anatiny amin’ny fiara vaventy hananany ka mitondra izany any amin’ny decheterie na any amin’ny fanatobiana ny fako rehetra. Manentana ny rehetra koa ny Kaominina Antananarivo-Renivohitra fa mahavoasazy ny fanariana fako eny an-dalam-be.

Koa manomboka amin’ity herinandro vaovao ity dia hiparitaka manerana an’Antananarivo Renivohitra ireo inspecteur d’hygiène hanara-maso izany fahadiovana izany. Mbola manentana sy manoro izy ireo amin’ny voalohany, fa miditra amin’ny sazy fandoavana lamandy kosa rehefa avy eo . Izany dia voafaritra mazava ao amin’ny Code d’hygiène na ny fitsipika mifehy ny fahadiovana navoakan’ny Kaominina Antananarivo-Renivohitra araka ny arrêté Municipal nivoaka tamin’ny 27 Aogositra 2013 ,  koa tsy handefitra amin’izay mandoto ny tanàna ny Kaominina. Ny Valosoa

Fikasàna  hanakatona  ny AAA TIKO

Ny vahoaka Malagasy no ho sahirana  amin’izany

Tamin’ny fanonganam-panjakàna notarihin’i Andry Rajoelina  tamin’ny taona 2009  dia ny orinasan’ny filoha Marc Ravalomanana no nataon’ireto lasibatra tamin’izany . Potika sy kilan’ny afo ny orinasa TIKO nanerana ny Nosy , rava tao anatin’ny indray mipi- maso  ny  fananana noharin’ny fianakaviana Ravalomanana nandritra ny taona maro .  

Taty aoriana , nisy ny fifanarahana politika  namahàna  ny olana  teto amin’ny firenena rehefa tao anaty  krizy politika  ny firenena,  tao anatin’izany no nivoaka  ny tondrozotra  izay nivadika  ho lalàna     izay milaza ny  tokony hanoherana  ny  fananan’ireo  orinasa  potika  vokatry ny fanonganam-panjakàna  teto amin’ny firenena  , ao anatin’izany ny orinasan’ny filoha Marc Ravalomanana .  Ankehitriny na mbola tsy voaloa aza ny onitra ho an’ny orinasa TIKO   dia niezaka ny tompony  nanokatra ny orinasa tsikelikely  , ka ny  AAA no  miara-miasa amin’ny TIKO amin’izany . Rehefa hitan’ny fanjakàna indray ankehitriny fa manomboka miroborobo ny orinasan’ny filoha Marc Ravalomanana dia mitady hevitra indray hamonoana  izany  .

Misy ny eritreritry ny fitondràna HVM hanakatona  ny orinasa TIKO indray amin’izao, koa mipetraka eto ny fanontaniana ,   mihevitra ve  ity fanjakàna tarihin’i Hery Rajaonarimampianina ity fa ho potika amin’ ny fanaovana  antsojay ny AAA Magro ny  fianakaviana Ravalomanana?  Tsia avy hatrany no valiny , ny vahoaka Malagasy efa fadiranovana  no tena ho sahirana satria ho politika  ny fitadiavan’izy ireo amin’ny famarotana ny vokatra TIKO;  ny tantsaha mpiompy sy mpamboly izay efa manomboka misitraka ny  fisokafan’ny TIKO AAA Magro ho rava hatreo ny nofinofiny , ary indrindra ireo vahoaka Malagasy mankafy ny vokatra TIKO izay  sady tsara no mahasalama.   Helisoa

Valosoa 10 Oct5

Valosoa 10 Oct4

Resaka pesta, mamita-tena ny fitondrana

 

Miady ny laharana farany i Madagasikara amin’ny resaka fampandrosoana, izay faha- efatra na fahadimy avy any amin’ny gisitra . Tsy omena fahatany ireny laharana ireny fa misy fandrefesana izay tsy maintsy iaingana . Tsotra ny resaka; tsy misy mandeha ny raharaha eto Madagasikara ary tsy afaka miala amin’izany ny fitondrana . Tranga iray ao anatin’ny maro ny pesta . Tsy gaga ny any ivelany  amin’ny firongatr’ity aretina ity satria fantatr’izy ireo amin’ny antsipiriany ny zava-misy .

Mamita-tena ny mpitondra satria hatramin’izay nitondran’ity fitondrana ity dia namboamboarina hatrany ny filazana ny zava-misy hany ka tsy ny tena marina no hita ety ivelany . Niangona ireny ka tsy azo nafenina intsony ka ny pesta no porofo mitohoka amin’ny tendany . Ny manahirana dia tsy mety manaiky ny fahadisoany mihitsy ny fanjakana ary ny tena loza dia mbola manohy ny tsy mety ihany izy ireo .

Milaza ohatra ny Governemanta fa efa voafehy ny aretina pesta saingy mifanohitra amin’izany ny zavamisy , 42 ny maty raha ny tamin’ny sabotsy no raisina . Efa fantatra eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ny raharaha ka mahatonga ireo mpizahatany hihemotra . Ny Kaompaniam-pitaterana an’habakabaka any ivelany mandritra izany efa mandrahona ny tsy ho aty Madagsikara intsony noho ny fisian’ny pesta . Raha toa ary ka  tsy tonga intsony ireo fiaramanidina avy any ivelany dia inona no hitranga ? Hitanatana vava eto isika mianakavy ! Dia isika izao izany no atao hoe : taranaka sisan’ny pesta ! Ohatran’ny tsy mety an, sa ahoana hoy ianao? 

Rina Rabemananjara

Ady amin’ny pesta

Namendrahana fanafody ireo zotram-pitaterana 192 sy 194

Mitohy isan’andro isan’andro ny famendrahana ranom-panafody ireo taxi- be manerana an’Antananarivo izay karakarain’ny Commune Urbaine Antananarivo . Raha ny omaly manokana dia ny zotra 194 izay ao amin’ny Coopérative Mirindra sy ny Coopérative Onja no nanaovana ny asa . Raha ny vokatra azo tamin’izany  dia  tontosa soa aman-tsara avokoa ny fiaraha-miasa ao anatin’izany zotra izany raha 60 ny amin’ny zotra 194 ary 50 kosa ny an’ny 192  . Marihana fa vao maraina amin’ny 7 ora no nanantanterahana ny asa ka teny amin’ny fiantsonana an’izy ireo tsirairay avy izany dia ny teny Alasora ny 194 ary teny Mandroseza ny 192 . Ho fanamafisana ny asa dia nidina teny an- toerana hatrany ny Tale izay misahana ny fifamoivoizana eto anivon’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra, raha ny vinavina anefa dia ho vitaina daholo ireo taxi-be rehetra izay miasa eto anivon’ny Kaominina ka noho izany dia manasa antsika rehetra hitandro ny Fahadiovana ho Fisorohana ny aretina maro samihafa. Aly

Valosoa 10 Oct3

 

Valosoa 10 Oct2

Valosoa 10 Oct8

Ravalo Paris Invitation

Publicités

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué , , , , , , , , , , , . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion /  Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion /  Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion /  Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion /  Changer )

Connexion à %s