« Ry mpitondra diso lalana », Sedera Ravalison.

hery-fitsaram-bahoaka

.

RY  MPITONDRA DISO LALANA

 

Malagasy tena noana no terena hibaby trosa

Fa hofohazina indray ny fanambazana efatrefatra ?

Ianareo no mihamatavy , ny vahoaka mihaosa

Nefa mbola asai-milanja irony entam-be mazefatra ?

 

Malagasy tena maina no terena mbola hitsitsy

F`ianareo handany vola sy hirobaroba foana ?

Ny hitsimbina vahoaka dia tsy hainareo mihitsy,

Tsy ao anaty sainareo ny hoe hijery iretsy noana ?

 

Malagasy mitomany no terena mbola hifaly

Ka hanafina ny sentony any am-pony tsy miloaka ?

Dia hilaza ianao mpitondra f`efa  lasa ny haizi-ngaly

Ka ho avy ny  masoandro manazava ny vahoaka ?

 

… Mety ny misaina kely  ry mpitondra diso lalana,

Ary tsaratsara angamba ny mba midina eny ambany.

Ianao izay zatra toerana avo , mipetraha ambony akalana,

Dia ho hitanao akaiky ireo vahoaka mitomany .

 

              SEDERA  RAVALISON (10-10-17)

 

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Cet article, publié dans Non classé, est tagué . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire