Faravohitra, 11 Janoary 2018. Arahaba sy Kabary Marc Ravalomanana.

Filoha Marc Ravalomanana. Olon’i Afrika 2017 Arabaina Dada a! ho ambinin’Adriamanitra hatrany Gazety Valosoa RakotoPhilippe Emile RazafimanantsoaMandroso RandriaLova Rakotonirina.
.
Niarahaba ny filoha Marc Ravalomanana voafidy ho olon’i Afrika 2017 amin’ny resaka fahaizamitarika ny mpanohana azy tao amin’ny trano fonenany ao Faravohitra Gazety Valosoa Rakoto
.

Lohman Rakotonirina, Antoko Zanak’i Dada Zid et Jean-Constant Raveloson II.

Ravalomanana Marc : Mila fahasahiana ny mitarika vahoaka

Tonga niarahaba ny filoha Ravalomanana teny amin’ny trano fonenany teny Faravohitra ny maraina teo ireo mpanara-dia azy. Noho ny fahazoana ny laharana voalohany tamin’ny fifaninana nampanaovin ny gazety boky iray tatsy Afrika ho olon’i Afrika 2017 amin’ny sehatra fahaiza-mitarika politika. Amin’ny maha lanonana azy dia nisy ny lahateny nifandimbiasana nataon’ireo olona hitondra izany. Anisan’ny nanana anjara fitenenana tamin’izany ny filoha Ravalomanana teny an- toerana. Toy izao ny am-pahany tamin’ny lahateny izay nataony :


Tena faly aho fa voafidy ho olon’I Afrika, anisa’ ny niaraka tamiko tamin’ny fifaninana io ny filoha Liberiana niaraka tamiko tamin’ny 2001, ny filoha Keniana am-perinasa. Tsy azoazo foana izany voalohany amin’ny leadership izany. Hatramn’ ny 2009 nisian’ny fihetsiketsehana dia nanara-maso ny olona rehetra. Nivory tany amin’ny foiben’ ny firenena mikambana izahay, tany Dakar, Pretoria, Maputo … mahalala daholo I Afrika. Tamin’izay fotoana izay dia nisy mpaka sary, mpanao film profesora avy any Cophenague, io olona io Loth Mayer no anarany, vehivavy izy io, gaga aho nanaraka ahy foana. Izy tsy niteny mihitsy fa mipetrapetraka eny izy dia maka sary dia gaga aho, efa tezitra ihany aho hoe mandehana mandeha any ianao, mbola tonga ihany izy. Hay nokaramain’ny firenena Danois vola izy. Norvezy, Suedois ireo no tena mampiasa ny demokrasia eto an-tany.

Indray andro, izaho nifamaly tamin’ny prezida Chissano, avy eo niady tamin’ny filoha Zuma.
Noho izany mila fahasahiana, olona mpitarika isany ka tsy sahy ? eh eh, tsy misy hanaraka intsony. Raha mpitarika izany no manenjika ny hafa tsy izy koa izany. Ny olona atao hoe mpitarika dia manana fahasahiana milaza ny marina, manana fahasahiana miteny ny zava-misy marina, manana fahasahiana milaza amin’ny olona ny tanjona ho kendrena dia ahazo tany vaovao. Efa ao anatiko mihitsy izany, tsy amelanay, tsy amelantsika mihitsy raha tsy mahazo tany vaovao dia I Madagasikara miverina amin ny laoniny.

Mahonena ny mahita izany olona tany Toliary, tany aho tamin’ny sabotsy sy alahady. Mahonena ny mahita izany olona izany. Mahonena ny mahita ireo vahoaka ireto rehefa mandeha, omaly aho teny amin’ny rano maloto Paraky, bonbon kely sisa ho hanina. Raha mbola tsy sahy amin’izao ny vahoaka malagasy dia tsy ho sahy mandrakizay intsony. Mila fahasahiana ity na fampitahorana na fandrahonana na fanenjehana tsy misy mandaitra amiko izany. Mila anareo ho sahy hanaraka ahy , mila anareo ho tena hieritreritra , mila manana vision. Manana ianareo fahasahiana sy fanantenana. Rehefa manana fanantenana ianareo dia tsy maintsy misy fiovana io.

Omaly ny omaly nandeha tamin’ny gazety, sy ireo serasera hoe samborina aho, niantso ny Vondrona Eoropeana, niantso ny frantsay , aiza ianao , dia hoy aho hoe ato an-trano aho, antsoy izahay hoy izy ireo. Te hiteny aminareo aho fa tsy isika malagasy ihany no manaramaso antsika fa manerana izao tontolo izao.

Ny voninahitra an-tsobika, aza atao ampatrambary dikany isany dia efa miakatra isika efa mandeha amin’ny lalana tokony hizorana aminy demokrasia. Aza matahotra milaza izany intsony. Aleo izy hisanbotra eo ahitantsika azy. Mila fahasahiana ny mitarika vahoaka ary ny vahoaka tarihana koa mila fanantenanna sy matoky anao mpitarika. Fanantenana sy tombontsoa iombonana no tanjona kendrena. Noho zany dia hanana tany vaovao isika, hanana Madagasikara vaovao isika, hanana fampandrosoana vaovao isika. Rehefa milaza aminareo aho hoe tongava ianareo dia tonga ianareo, izao atao dia izao atao, tonga ianareo hiarahaba dia arahabaho aho, miteny aho , mamaly aho, tsy isika irery ihany fa na ny any ivelany aza manaramaso antsika eto. Raha misy mampatahotra ka misy fahasahiana na misy lalana hisambotra satria ianareo manao izany, te hiteny aho hoe mila miray hina tsara ny vahoaka malagasy.(….)
Faly aho , tena faly arahabainareo eto. Izay fanomezam-pahasoavana sy fahakingako nomen’Andriamanitra ho ahy dia tsy ho tazoniko ho ahy samy irery na ho any vady aman-janako fa ho omeko ho any vahoaka malagasy(….). Kabary Marc Ravalomanana

Faravohitra Janv 2018f

.
Faravohitra Janv 2018c
Faravohitra Janv 2018a1
Faravohitra Janv 2018a2
Faravohitra Janv 2018a3

 

.
Faly. tena faly ! ny hafa aza mifidy ny filoha Marc Ravalomanana ho olon’ny taona 2017, maika fa ny Malagasy? tsy hay tohaina ny hafaliana Gazety Valosoa Rakoto
.
Faravohitra Janv 2018m

Miteny ny Mpandimby any aoriana amin’ny fisaorana ny vahoaka malagasy sy ny Afrikanina tamin’ny nifidianany ny Filoha Ravalomanana ho Olomangan’i Afrika 2017 amin’ny AFRICAN POLITICAL LEADEARSHEAP 2017. QG Faravohitra Tim

Faravohitra Janv 2018a

Faravohitra Janv 2018b

 

Faravohitra Janv 2018g

Faravohitra Janv 2018e

Constant Raveloson filohan’ny KMMR 2018

Constant Raveloson no filohan’ny KMMR 2018 araka ny fanambarana nataon’ny filoha Marc Ravalomanana teny faravohitra nandritra ny fiarabàna nataon’ioreo mpomba azy teny Faravohitra noho ny ASARAMANITRA sy ny naha voafidy an’i Dada ho olon’i Afrika 2017 Gazety Valosoa Rakoto

Ravelson C3

Ravelson C2

Ravelson C1

Faravohitra Janv 2018c

 

 

 

Publicités

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué , . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s