Kmmr 2018 Diaspora. Tafatsangana soamantsara.

Ravalo tany Frantsa : KMMR 2018 Diaspora, mijoro ihany koa

An-dalam-pijoroana ihany koa amin’izao fotoana izao ny KMMR 2018 Diaspora na ny Komity Manohana an’i Marc Ravalomanana amin’ny fifidianana 2018 any an-dafin’ny riaka, any Frantsa sy any Eoropa. Anisan’ny nisongadina tamin’ny fihaonana tamin’ny Filoha Marc Ravalomanana sy ireo Malagasy monina any ivelany izany ny sabotsy teo, tany amin’ny Complexe du Millénaire de Savigny le Temple any Frantsa, fihaonana ho fifampiarahabana tratry ny Asaramanitra sy fifanakalozam-baovao koa teo amin’ny Filoha Nasionalin’ny antoko Tiako i Madagasikara (TIM) sy ireo Malagasy monina any ivelany. Miroso hatrany ny Filoha Marc Ravalomanana sy ny TIM Frantsa amin’ny fifidianana amin’ity taona ity, na hoe lasa izao hoy ny rehetra tafahoana tany Frantsa io. Nambaran’i Dada tamin’izao fihaonana izao fa toerana miisa 246 eto Madagasikara no efa voatsidiny, hitany sy tsapany tamin’izany fa mijaly sy tena sahirana ny vahoaka Malagasy, lasan’ny olona sasany na ny vahiny ny tany, ny fisongan’ny vidim-piainana dia tsy araky ny sarambabem-bahoaka intsony.

Antoko politika, fikambanana maro ary olon-tsotra no niatrika ny fihaonana tamin’ny filoha Marc Ravalomanana tany Frantsa ny faran’ny herinandro teo io, toy ny : TIM Frantsa, ny GTT IDF, ny IDMM, ny ACOREM, ny Herikerika Madagasikara, ny Malagasy, Mandroso, sy ny maro hafa,… Nanafana ny fotoana tamin’izany ny mpanakanto isany Bodo, Vero avy amin’ny Tarika Feon’Ala, Mahery ary Big MJ. Mila mpitarika mba hamerina indray ny fandriampahalemana eto Madagasikara ny vahoaka hoy i Dada nandritra izany, mila mpitarika hampiakatra ny sandam-bola Ariary, mpitarika hampihena ny vidin’ny solika tsy mitsaha-misondrotra, indrindra ny fitadiavana vahaolana maharitra amin’ny vidim-bary tsy voafehy ankehitriny,…

Nanamafy ny Filoha Marc Ravalomanana fa ho mpitondra fanantenana ho an’ny vahoaka izy. Niray feo ireo Malagasy monina any an-dafy na diaspora fa ho mpiaro ny fiandrianam-pirenen’i Madagasikara koa izy ireo miaraka amin’ny filoha Ravalomanana. Mikasika ny fanetsehana indray ny raharaha 7 febroary 2009, nilaza i Dada fa kajikajy politikan’ny mpitondra izany, tsy hihemotra amin’ny fampitahorana mihitsy aho hoy ihany ity filoha nasionalin’ny antoko TIM ity. Avelao ny vahoaka hoy izy halalaka hifidy izay kandidà tiany hitondra ny firenena indray.

Nasiany teny koa ny momba ny foloalindahy, izay tsy tokony hanao politika, sy tokony ho tsy momba ny atsy na ny aroa. Mikasika ny ho fifanatonana amin’i Andry Rajoelina, miankina amin’ny fahendren’ny andaniny sy ny ankilany izany, ary tsy anjarako no mitsara hoy ihany izy. Niarahaba an-dRavalo koa ireo diaspora ny amin’ny nahazoany ny laharana voalohany tamin’ilay fifaninanana mpitarika mendrika aty Afrika nataon’ny African Leadership Magazine.

Isambilo

Ny Valosoa logo1

.

Kmmr 2018 Ofisialy

 KMMR 2018 – Komity Mpanohana an’i Marc Ravalomanana.

Constant Raveloson no filohan’ny KMMR 2018 araka ny fanambarana nataon’ny filoha Marc Ravalomanana teny Faravohitra nandritra ny fiarabàna nataon’ioreo mpomba azy teny Faravohitra noho ny ASARAMANITRA sy ny naha voafidy an’i Dada ho olon’i Afrika 2017 Gazety Valosoa Rakoto

Faravohitra Janv 2018c

Publicités

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué , , , . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s