« Tsy mahafaly intsony », Dadan’i Zina.

TSY MAHAFALY INTSONY ?

 

Tsy mahafaly intsony i Solo f`efa midororororo,

Ka dia olon-kafa indray no noketrehina hajoro ?

Moa ve hisy fandrosoana raha ny lo no mbola haverina,

Mba hisolo ny efa tonta sy ny efa tandalerina ?

 

Tsy mahafaly intsony i Solo  sady tsy azo ianteherana,

Ka dia olon-kafa indray no nokasaina homena toerana ?

Saingy izany ve hanova ny efa lasa mahaketraka

Raha dia ny tranainy ihany no fongarina , hapetraka ?

 

Raha ny zava-misy mantsy dia ambara tsotr`izao

Fa lany “olona madio” iretsy hery vaovao,

Ka ny efa tonta hatrany  hatrany no asolony ny vizana,

Ary dia ny ratsy foana  no ezahiny hotohizana.

 

… Ka tsy mahafaly intsony izay miseho sy izay hitranga,

N`inon`inona lazain`ity ilay hoe “antoko manga”.

Tsisy zava-mahafaly raha ny vitany sy ny aminy.

Tena tsy antenaina intsony fa hoe mbola hisy maminy !

 

                        DADAN`i ZINA (07-02-18)

Hery et PM

Publicités

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué , , . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion /  Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion /  Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion /  Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion /  Changer )

w

Connexion à %s