Ny Valosoa Vaovao, 13 Febroary 2018. Tiko AAA, Marc Ravalomanana, CUA-Antananarivo, R Ratsimandrava.

Val 13FEV8

Ny Valosoa logo1

Magro Behoririka

Tokony hiala tsiny amin’ny AAA-Tiko ny mpitondra ary hanokatra azy

 

Taorian’ny mpiasan’ny AAA, dia tonga maro tao amin’ny Magro Behoririka ihany koa ny avy ao amin’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA) ny sabotsy teo, satria araka ny nambaran’izy ireo dia tolona iaraha-mànana no atao, manoloana ny sotasota sy ny antsojay mahazo ny ben’ny tanànan’Antananarivo sy ny mponina Antananarivo renivohitra mihintsy, ary hitohy foana ny tolona ao amin’ny Magro isaky ny sabotsy tolakandro, satria mbola marobe ny tanjona hoy izy ireo, miaraka amin’ny KMMR 2018 sy ny antoko TIM. Nitarika ny hetsika ny filohan’ny KMMR 2018 Constant Raveloson.

Nilaza ny mpandahateny tamin’izany fa efa manomana hala-bato any amin’ny faritra atsimo ny mpitondra, ka izany no antony nanaovan’izy ireo hasomparana tamin’ny filoha Marc Ravalomanana tany. Tsy mitovy tamin’ny taona 2013 niaraka tamin’ny i Dokotera Jean Louis Robinson mpamadika anefa ny fifidianana amin’ity taona 2018 ity fa tsy hanaiky hala-bato ny rehetra, indrindra ny filoha Marc Ravalomanana ary hiady hatramin’ny fandresena farany hoy i Constant Raveloson. Notaterin’ny mpikabary koa fa tsy nahitana zavatra tsy mety ny fisavana tao Antsirabe, tokony hiala tsiny amin’ny orinasa AAA- Tiko noho izany ny mpitondra Hvm hoy izy, ary tokony hamerina ny fihodinan’ny orinasa. Niantso ny mpiasam-panjakana hahay hamindra koa ny mpandahateny. Miantso izay rehetra vonona ny hiara-hiasa amin’ny Tim sy ny filoha Marc Ravalomanana ny KMMR 2018 mba hiara-hiasa aminy sy hifanolo-tanana. Hiaraka isika hanavotra an’i Madagasikara nopotehin’ny mpanongam-panjakana tamin’ny 2009, sy ny mpitondra amin’izao fotoana.

Tsy maintsy faranantsika izao fitondran’ny tandapa tsy mendrika ny repoblika izao hoy ihany ny filohan’ny KMMR 2018. Mbola misokatra amin’ny antoko, na fikambanana, na olon-tsotra rehetra ny KMMR 2018 hoy izy. Marihina fa miha-maro hatrany ny ny vahoaka tonga hatramin’ny nanaovan’ny Hvm antsonjay sy fingana ary fanapotehana ny filoha Marc Ravalomanana izay.

Isambilo

 

Ny Valosoa logo1

Ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana

Notoloran’ny Lions Club International mari-pankasitrahana

 

Tonga nitsidika tamin’ny fomba fifanajana ny Ben’ny Tanànan’Antananarivo Renivohitra,  Lalao Ravalomanana, tetsy amin’ny Lapan’ny Tanàna Analakely omaly ny Filoha Lefitry eran-tanin’ny Lions Club, Ramatoa Gudrun Yngvadottir, teratany avy any Island, izay notronin’ireo tomponandraikitra isan-tsokajiny avy amin’ny Lions Club eto antoerana sy ny faritra misy an’i Madagasikara . Izao fihaonana izao dia manamafy sy hampivelarana misimisy kokoa ny fiaraha-miombon’antoka eo amin’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra sy ny Lions Club International .

Ankoatra izay  dia nisy ny  fanolorana  takelaka mari-pankasitrahana ho an’ny Ben’ny Tanàna Lalao Ravalomanana nataon’ny   vahiny ho fanamarihana ny asa miteraka fampandrosoana nataon’ny CUA tamin’ny Lions Club teto Madagasikara. Nambaran-dramatoa Gudrun Yngvadottir fa afaka fotoana tsy ho ela dia izy no ho lasa Filoha eran-tanin’ny Lions Club, ka tsy hikely soroka izy amin’ny fijerena ny fiaraha-miasa sy fanampiana raha ny Kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA) no resahana, amin’ny alalan’ny fiaraha-miombon’antoka amin’ireo sehatra misahana fampandrosoana eto Madagasikara  sy ny orinasa goavana, izay efa manana ny toerany eo amin’ny fandraharahana sy ny fampiasam-bola . Amin’ny maha vehivavy mpitarika azy koa dia hojereny manokana ny fikarakarana sy fampandrosoana ny tontolon’ny vehivavy eto an-drenivohitra.

Rina Rabemananjara

Ny Valosoa logo1

Tsenan’Anosibe

Afaka mandray ny mpanjifa  noho ny fahadiovana  ao anatiny

 

Araka ny toromarika nomen’ny ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana,  nandritra ny fifampiarahabàna  tratry ny taona  tamin’ireo delegen’ny tsena  ,  ny tompon’andraikitry ny filaminana  sy  fanadiovana  ao amin’ny tsenan’Anosibe dia mirindra sy milamina ny tsena ankehitriny.  Araka ny hita eny an-toerana dia madio  na dia ao anatin’ny fahavaratra  aza  ny andro  . Ny indro kely  amin’ny fanadiovana hoy ny  lehiben’ny tsena  ao an-toerana  Andriamatoa  Landry  dia ny tatatra fandehanan’ny  rano maloto   izay mila fanamboarana haingana    noho ny fahatsentsenan’izy ireny  ka mampananosarotra  ny fanadiovan a ao an-toerana . Na izany aza hoy izy  dia miezaka ny tompon’andraikitra isanisany  mijery  ny  firindràn’ny asa  fanadiovana  an’izany   . Natao izao mba ho maro ireo mpanjifa  no  hividy entana ao amin’ity  tsena lehibe indrindra eto Antananarivo ity  ,  ka  ahazoan’ireo mponina manerana ny Nosy misitraka  amin’ny tsena   milamina sy madio hanjakan’ny fandriampahalemana,  araka  ny nambaran’ny  filohan’ny delegen’ny tsena DPA ao Anosibe,  Raharison  Jean de Dieu na Dédé.

Helisoa

Ny Valosoa logo1

Fiainam-pirenena

Ndao hiady amin’ny…..  fahantrana

 

Raha ny fiainam-pirenena ankehitriny dia ADY  no ilaina ary na ny Praiminisitra Olivier Mahafaly aza dia nanambara fa Gouvernement de Combat no entiny. Angamba tsy tongatonga ho azy izany tsangan-kevitry ny Praiminisitra izany fa  raha zohina dia tena manangana ady tokoa ny governemanta tarihany . Manangana ady amin’izay tsy mitovy hevitra aminy  ary manangana ady amin’ny fiainam-bahoaka tsy mandady harona. Ny tiana hambara dia toa variana amin’ny zavatra hafa fa tsy ny fiainam-bahoaka no mahamaika  ny fitondrana , ny famikirana eo amin’ny seza no laharam-pahamehana ary volena avokoa izao « Foyer de tension », na raharaha mafanafana rehetra izao. Tapahana ny karamam-panjakana, akarina ny vidin’ny jiro sy rano , misy foana ny delestazy, akorontana ny vatsim-pianaran’ny mpianatra ambaratonga ambony sy ny any ivelany , kendaina ny CUA, aorina izay tany onenan’ny mponina amin’ny alalan’ny kolikoly avo lenta , arovana ireo mpanao bizina fa izay tsy mahaloa ekolazy dia miditra maka rivotra any  am-ponja aloha.

Tsy afa-bela ihany koa ny fitondram-panjakana amin’ireo fakana an-keriny etsy sy eroa. Tsy tenenina intsony ny tsy fahampiana ara-bola miditra isaky ny tokonam-baravarana , manjaka ny tsy fandriampahalemana na ny eto an-dRenivohitra  na  ny any Ambanivohitra . Miakatra manaraka izay ihany koa ny vidim-piainana amin’ny sehatra rehetra. Mitotongana hatrany ny fari-piainan-dRamalagasy . Andao ary isika Hiady ka ny mifanohitra amin’ireo anie no tadiavina sy nametrahana ireo mpitondra rehetra ireo e ! Andao  Hiady amin’ny fahantrana amin’izay ka ny tombontsoa ambonin’ny vahoaka no banjinina fa tsy hifanipaka toy ny valala an-karona eto.

Tokony ho fantatr’ireo mpitondra milaza azy ho mahay fa matoa mikaikaika ny ankamaroan’ny vahoaka dia misy maharary azy ao, mahantra sy sahirana ary fadiranovana ny Malagasy. Fifanomezan-tanana  sy firaisankina no tokony hanjaka raha tena hampandroso ity tanindrazana malalantsika ity.

Rajaonary

Ny Valosoa logo1

 

Kolonely Ratsimandrava

Ny misterin’ny nitifirana sy ny nahafatesany

 

Lavo teo amin’ny faha- 44 taonany, ny 11 febroary 1975 ny kolonely Richard Ratsimandrava ary 43 taona lasa, ny 11 febroary 2018 teo izay no namonoana azy. Teraka ny 21 martsa 1931 teto Antananarivo izy, ary maty ny 11 febroary 1975 teto Antananarivo ihany. Izy ilay namindran’ny jeneraly Gabriel Ramanantsoa ny fahefana feno mba handamina ny savorovoro ara-politika sy ara-pitantanana teto Madagasikara tamin’ny 1975, telo taona taorian’ny nirodanan’ny repoblika voalohany. Tsy niamboho adidy fa nanaiky izany tokoa ny kolonely Ratsimandrava, ary mbola tsaroan’ny maro hatramin’izao ilay teniny nanao hoe : « Tsy hiamboho adidy aho mon general… ».

Voahosotra ho filoham-panjakana ny 5 febroary 1975 ny lehilahy, 6 andro nitondrana monja dia nisy nitifitra teo Ambohijatovo ambony. Voalaza tamin’izany fa ry Jumbo tao amin’ny GMP no nitifitra azy rehefa avy niasa avy teny Anosy izy. Anisan’ireo manamboninahitra Malagasy voalohany nandalim-pahaizana tany Frantsa sy nianatra tao amin’ny sekoly miaramila manokana Saint-Cyr , any Coëtquidan. Indrisy anefa, enina andro ihany no naha filoha azy dia nisy nitifitra izy ary maty. Mbola mijanona ho mistery ny famonoana ny kolonely Ratsimandrava hatramin’izao, ary marobe ny resaka momba azy io, ny hany azo antoka fotsiny dia vondron’olona tsy nankasitraka ny politika noheverina napetraka teto Madagasikara ka nanomezana vahana ny fahefan’ny fokonolona sy namerenana tamin’ny laoniny ny hasin’ny fiarahamonina tena Malagasy no nikononkonona ny famonoana azy, anisan’izany ireo Malagasy saribakolin’ny Frantsay sy ny Frantsay rahateo.

Raha tsiahivina kely eto, ny Jeneraly Ramanantsoa dia nahazo fahefana feno ihany koa avy tamin’ny Filoha Philibert Tsiranana, izay voatery niala tao aorian’ny fitsapan-kevi-bahoaka tamin’ny 8 oktobra 1972. Fitsarana miaramila no nitsara ity raharaha famonoana ny kolonely Ratsimandrava ity tamin’ny taona 1975 io tao amin’ny Lapan’ny Fitsarana Anosy, nisy ireo nigadra vokatr’izany nefa tsy hita marina ny namono na ny nampamono azy tamin’izany fotoana izany ka hatramin’izao.

Tao aorian’izay, natsangana ny « Directoire militaire  » , ny 21 desambra 1975 dia nisy indray ny fitsapan-kevi-bahoaka mikasika ny fanovana ny Lalàm-panorenana. Lany ny « ENY ». Teo no manomboka ny Repoblika faha-II. Ny Capitaine de Frégate Didier Ignace Ratsiraka, izay minisitry ny Raharaham-bahiny tao amin’ny governemanta Ramanantsoa no lasa Filoham-pirenena. Nirafitra toy izao ny Andrim-panjakana tamin’izany : Filohan’ny Repoblika, ny Filan-kevitra fara-tampon’ny Tolom-piavotana( Conseil Suprême de la Révolution na CSR), ny Antenimieram-pirenena entim-bahoaka (Assemblée Nationale Populaire na ANP), ny Governementa, ny Komity Miaramila ho an’ny Fampandrosoana (Comité Militaire pour le Développement na CMD), ny Fitsarana avo momba ny Lalàm-panorenana (Haute Cour constitutionnelle na HCC). Mbola fito taona ihany ny fotoam-piasanan’ny Filoha. Lasa Repoblika Demokratikan’i Madagasiraka ny Firenena Malagasy.

Ny Antoko Revolisioneran’i Madagasikara na AREMA ( Avant-garde de la Révolution Malgache) sy ny Boky Mena( Livre rouge) no nisolo ny Pisodia. Avy tamin’io Boky mena io no nandrafetana ny Satan’ny Revolisiona sosialista (Charte de la Révolution socialiste) izay nisary marxisma tokoa. Tsy nisy antoko mpanohitra fa natambatra tao amina vondrona roa (FNDR na Front National pour la Défense de la Révolution sy CSR). Màzana ny sivana sy ny fanampenam-bava tamin’izany fotoana izany satria najoro koa ny DGID ( Direction Générale des Investigations et de la Documentation) lasa DGIDIE (Direction Générale des Investigations et de la Documentation Intérieures et Extérieures) taty aoriana… Izay ny tantara, ary taona maro aty aoriana dia tsy fantatra hoe i Jumbo teo Ambohijatovo ambony marina ve no nitifitra ka nahafaty ny kolonely Richard Ratsimandrava sa efa novonoina mialoha teny an-dalana na tany amin’ny biraony teny amin’ny ministeran’ny Atitany teny Anosy izy, araka ny resa-be mandeha hatramin’izay?

Ny Valosoa

Ny Valosoa logo1

Kolonely Ratsimandrava Richard: ny asany nanaraka azy tokoa

Raha hijery ny tantaran’ny firenena maneran-tany, na tany Amerika (Avaratra sy Atsimo) na tany Eraopa na tany Azia na taty Afrika dia nisy ireo filoham-pirenena maty novonoina noho ny fifanoherana ara-politika amin’ny ankapobeny. Nisy nivoaka horonantsary izy ireny izay mety ho famerenana ny tena zava-nitranga tokoa (reconstitution), niainga tamin’ny fanadihadihana lalina natao. Nalefa tamin’ny fahitalavitra na tany amin’ny trano fijerena horonantsary ny sasany ka anisan’izany ny “JFK”, ny “Il pleut sur Santiago”… Ny taty Afrika kosa dia toa nijanona ho “mistery” araka ny filazana azy ny famonoana filoaham-pirenena toy ny tany Egypta sy Burkina Faso… Anisan’ny nitrangana izany famonoana filoham-panjakana izany koa teto Madagasikara teloambiefapolo taona lasa izay, ny 11 Febroary 1975.

Raha ny fitantarana azy dia tratran’ny vela-pandrika teo Ambohijatovo Ambony ny Kolonely Ratsimandrava Richard ka ilay polisy tao amin’ny GMP (Groupe Mobile de la Police), Zimbo no nanao tifitra variraraka ny fiarakodia nitondra azy. Araka ny fantatra anefa ny dokotera izay nanao ny fitiliana dia nanambara fa ora maro talohan’io vela-pandrika io no efa maty izy. Araka izany dia teny amin’ny biraony tao amin’ny Minisiteran’ny Atitany izany no nisy namono izy. Na izany na tsy izany dia tsy mbola misy porofo mivaingana sy fanadihadihana lalina momba iny tantara iny hatramin’izao saingy azo atao ny manao tombatombana momba ny anton’ny namonoana azy.

Iverenana ny toe-draharaham-pirenena nanomboka ny taona 1971 izay mety tsy fantatry ny ankamaroan’ny Malagasy.

Ny volana Aprily 1971 dia nisy ny hetsi-bahoaka notarihan’i Monja Jaona tao Toliara noho ny tsy fisian’ny vary nohanin’ny mponina kanefa nisy tao amin’ny trano fitehirizana iray izay notafihan’ny olona namoahana izany. Maro ny maty tamin’izany fotoana izany. Niaraha-nahatsiaro fa ny Kolonely Ratsimandrava Richard no nibaiko ny zandary nanao ny iraka nandrava izany hetsika tany izany ary toy ny manamboninahitra rehetra, na amin’izao fotoana izao aza, dia tsy maintsy manatanteraka ny baiko omen’ny mpitondra fanjakana.  Herintaona sy iray volana taty aoriana, ny volana Mey 1972 dia voatendry ho minisitry ny Atitany tao amin’ny governemantan’ny Jeneraly Ramanantsoa Gabriel izy. Telo taona latsaka kely no nitondran’ny Jeneraly Ramanantsoa Gabriel (Mey 1972 – Febroary 1975). Iraikambinifolo ny minisitra nandrafitra izany governemanta izany. Azo lazaina fa samy nandray andraikitra feno ary nanatontosa ny asa nanandrify azy tao anatin’ny fitiavan-tanindrazana ny tsirairay.

Tsiahiviny amin’izany ny “fifanaraham-piarahamiasa vaovao (nouvel accord de cooperation) teo amin’i Madagasikara sy i Frantsa; ny fangalan’ny Fanjakana ho fananam-pirenena ireo orinasa goavana notantanin’ny voanjo. Tsy azo notsinontsinoavina koa ny nametrahan’ny Kolonely Ratsimandrava Richard ny rafitra vondrombahoaka itsinjaram-pahefana dia ny “Fokonolona” izany. Nandritra ny fotoana nitantanany ny minisiteran’ny Atitany dia tsy nitsahatra nanentana momba ny fanamafisan’orina ity rafitra miverina ifotony sy mifototra amin’ny kolontsaina malagasy ity ny Kolonely Ratsimandrava Richard. Noho ny disadisa ara-politika teo amin’ny fitantanana ny Firenena anefa dia voatery nametraka fialàna ny Jeneraly Ramanantsoa Gabriel, ka namindra ny fahefana feno ho an’ny Kolonely Ratsimandrava Richard. Mbola misitery ihany koa ny anton’ny nametrahan’ny jeneraly fialàna satria ny hoe: “latsaka an-katerena ny firenena…” no nanakoako tao an-tsain’ny Malagasy tamin’izany tetsy andaniny, ary teo ankilany kosa ny hoe: “tsy hiamboho adidy aho mon Général…” Azo inoana fa nahafantatra tsara ny antony naha-latsaka an-katerena ny firenena izany ny Kolonely Ratsimandrava Richard ary azo antoka fa olana sy tsy fitoviam-pijery ary fironana ara-politika nifanipaka teo anivon’ny governemanta ihany koa.

Niaraha-nahatadidy fa vanim-potoana niakaran’ny kolonely teo amin’ny fitondrana taty Afrika ny taona fitopolo izay nirona tamin’ny firehana sosialisma (kaominisma) avokoa. Tsy mitovy velively anefa ny fotopisainana sosialista tatsinanana sy ny rafitra fokonolona eto Madagasikara izay tena fitantanana sy fampandrosoana miainga avy any ifotony mihitsy. Efa nezahan’ny mpanjanaka nopotehina ity rafitra nezahina naverina ity indray ka izay no mety nitsirian’ny hevitra avy any naminganana ny kolonely, indrindra raha izy no lasa filoham-panjakana izay tsy maintsy nitady ny hevitra rehetra nanamafy orina izany. Nametraka ny rafitra miainga amin’ny fokonolona ihany ny fitondrana nifandimby taty aoriana saingy tsy tao amin’ilay fotopisainana tena malagasy.

Amin’izao Repoblika IV izao dia rafi-pitantanana tsy mahefa na inona na inona ny fokontany ka tsy mila ny hevitry ny fokonolona izany intsony fa manatanteraka baiko avy amin’ny distrika sisa ny anton-draharahany. Tsy nisy ary tsy nilaina intsony ny fivoriam-pokonolona hangalana ny heviny momba izay fampandrosoana sy fampivoarana ny fiainana eo anivon’ny fokontany. Tsy mahagaga izany satria na ny lalàmpanorenana aza moa natao “kopi kolé” tany amin’ny firenen-kafa.

Andry Tsiavalona

Ny Valosoa logo1

Sao fikasana hanandratra olombitsy hafa indray ny tetika ?

 

Natao vely sarom-bilany mba haresaka eran’ny tanàna, fa hanao fanambarana lehibe amin’ny vahoaka Malagasy i Andry Rajoelina amin’ny alahady ho avy izao. Mazava loatra fa volabe no naparitaka tamin’izany mba hivoaka amin’ny haino aman-jery sy fitaovan-tserasera samihafa. Mampahatsiahy ny taona 2008 niketrahan-dRajoelina ny fanonganam-panjakana niainga avy any Frantsa ny zava-misy ary nigadona teto an-tanindrazana izy niaraka tamin’ny volabe avy anatiny sy avy any ivelany sy ny fanohanana frantsay mpanao politika maloto. Ny alahady izy no tafaverina teto indray rehefa avy namelabelatra ny eritreriny manokana ny 26 Janoary lasa teo tao Paris tamin’ireo olo-maro izay ny ankamaroany vahiny avokoa. Efa nampieritreritra lalina ny mpanara-baovao sy mpandalina ny fiainam-pirenena ny fahitana ireny karazan’olona marobe ireny, fa tsy mandehandeha ho azy akory.

Miseho ho mahay hamoaka ny firenena ao anatin’izao fahantrana lalina izao ny tenany araka ny vaovao novoizina. Ilay firenena nopotehiny nanomboka tamin’ny taona 2009 tamin’ireo orinasa marobe norobaina, ny haino aman-jerim-panjakana RNM sy TVM nodorana, fiainana Malagasy aman’hetsiny potika noho ny fahapotehana sy ny fikatonana orinasa izay. Nitotongana nanomboka teo ny fiainan’ny Malagasy. Ho an’ny mpandinika dia nanomboka niharatsy ary tsy nitsaha-nikorosy fahana vokatry ny fihetsik’ireo nandrombaka fahefana tamin-kery notarihiny. Niha- nahazo vahana ny asan-jiolahy sy ny firongatry ny habibiana nampihoron-koditra ny vahoaka. Tsy nitsaha-nitontongana ny fahefa-mividin’ny vahoaka, fa ny an’ireo olom-bitsy nitarika sy lohandohan’ny mpisorona tamin’ny fanonganam-panjakana no nitombo harena sy nigalabona tamin’ny fiadanam-be.

Tsy tanteraka akory ny fampanantena nataon-dRajoelina nentina namitahana ny vahoaka nanara-dia azy tamin’izay toy ny hoe ahenany ho 500 Ar ny kilaon’ny vary, ary 1000 Ar ny litatry ny menaka. Sodokan’izany tanteraka ireo marivo salosana sy mihinana amam-bolony ka nanara-dia anjambany fotsiny tsy am-piheverana na dia hizotra ho an’ny fanapotehana ny firenena aza iny lalana iny.  Milaza ho nahavita foto-drafitr’asa izy tao anatin’ny tetezamita, nefa iaraha-mahalala ny vola nanaovana an’izany, fa tsy avy  amin’ny fiharian-karenan’ny firenena akory izay tsy nisy fitomboana mazava akory. Ireo lazainy ho natsangany anefa tsy nampitombo ny vola tao anaty kitapom-bolan’ny isan-tokantrano na ankohonana Malagasy. Porofon’izany mbola marobe ireo very asa ary tsy nisy asa fa nanao izay hivelomana isan’andro fotsiny sisa, tsy nisy ny fitsanganana orinasa, ary niha- nitombo andro aman’alina ireo mahantra teny an-dalambe rehetra teny teto an-drenivohitra, sns…

Ity olona nanapotika firenena sy ny vahoaka Malagasy toy izany no milaza indray ankehitriny ho mahita vahaolana ao anatin’ny fotoana fohy, rehefa mody niseho nangina tsy niteny tao anaty fotoana lavalava.   Hanao resaka mampandry adrisa toy ny tamin’ny taona 2008 – 2009 indray ve mba hampitsonika ny fon’ny vahoaka ka hikasana hiverenana eo amin’ny fitondrana? Leson-dratsy no napetraky ny fitondrana tetezamita ary santionany no raisin’ny fitondrana Hvm amin’izao fotoana izao. Anisan’izany ny fankahalana olona sy fanapotehana ny mpiray tanindrazana aminy ihany. Ny tsy fanekena ny hidinan’ny olona te-haneho hevitra an-dalàmbe na amin’ny toerana mba tiany hanaovana izany. Dia Rajoelina sy ny mpiara-dia aminy indray ankehitriny no mitsikera sy manakiana mafy izany. “IKotozafy ihany no Alexis”, araka ny fitenenana ihany izany rehetra izany.

Raha tsorina ny resaka, ny nanapotika firenena indray no miseho ankehitriny handratra an’i Madagasikara. Tokony handoa onitra amin’ny firenena nosimbaina aloha, izay no tokony hambara voalohany, fa sao dia fikendrena hanandratra olombitsy hafa indray ity resaka voizina tato ho ato ity.

Sôh’son

Ny Valosoa logo1

 

 

Publicités

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué , , , , , . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion /  Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion /  Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion /  Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion /  Changer )

Connexion à %s