« Taratasy ho an-dRajao-Ny Orinasanay sokafy », Dadan’i Zina.

Tiko AAA Andranomanelatra4

TARATASY HO AN-DRAJAO-NY ORINASANAY SOKAFY

 

Raha hidianao ny orinasa , aoka ho fantatrao mazava,

Tsy Ravalo no hijaly na koa handry fotsy lava,

Fa tsy maintsy ny madinika , dia ny mpiasa toa anay

No hizaka ny mangidy indrindra , hisedra koa ny mahamay.

 

Raha hidianao ny orinasa dia diniho ka mihevera:

Hihemotra ny toekarena , ho marobe ireo “sômera”.

K`aza dia minia mikimpy , atsaharonao ny gafy.

Ny antsonay dia tsotra ihany : ny orinasanay sokafy.

 

Raha hidianao ny orinasa ka ataonao ny antsojay,

Dia tsy Ravalo no hijaly fa ny ambany toa anay.

`Zahay hatrany no hibaby sy hivesatra ny mafy,

Ka ny antsonay dia tsotra: ny orinasanay sokafy.

 

Ny olo-noana toa anay  tsy te hisaina politika,

Koa dia tena miala tsiny , tsy hiara-dia isika.

Ianao no voky ranomason`olo-noana tsy mitafy,

Fa ny anay dia tsotra ihany : ny orinasanay sokafy.

 

Ho avy izao ny fifidianana ary ianao dia miomàna

F`efa be ny Malagasy difotry ny fahantrana.

Anisany izahay mijoro , tena reraky ny mihafy.

Ny antsonay dia tsotra ihany : ny orinasanay sokafy.

 

DADAN`i ZINA (10-02-18)

Publicités

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué , , . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion /  Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion /  Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion /  Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion /  Changer )

Connexion à %s