Bianco: Patrick Raharimanana a déposé plainte contre le Directeur de Tsiafahy.

15/03/2018 – 21:00 : PATRICK RAHARIMANANA: Nitory ny lehiben’ny fonja na ny « Dirforce » Tsiafahy i Patrick Raharimanana, izay nanome kapila mirakitra ny zavatra heveriny fa kolikoly avo lenta. TiaTanindrazana

Ambohibao Bianco: Patrick Raharimanana a déposé plainte contre le Dirforce Tsiafahy.

Patrick Raharimanana a déposé une plainte et une dénonciation de corruption contre le Directeur de la Maison de force de Tsiafahy cet après-midi 15 mars 2018 à Ambohibao au siège du Bianco.

Tsiahy

Ho an’Andriamatoa Talen’ny Fonja Tsiafahy Zafilahy Vonjy Stéphanson

Hitako ny fanambarana nataonao tamin’ny télévizionina omaly 28 fébroary 2018.
Nilaza ianao fa tsy marina ilay oronam-peo nilaza fa nandray kolikoly 4 million avy tamin’i Houcine Arfa ianao, ary nanambara ampahibemaso fa hametraka fitoriana mahakasika ahy.

Zonao izay.

Fanontaniana kely mba hampazava amin’ireo olona maro manaraka izao raharaha izao.

1-Nanao akanjon’ny mpiambina ny Fonja ianao nandritra io valan-dresaka tamin’ny mpanao gazety io, izany hoe amin’ny maha lehiben’ny Fonja anao izany no nanaovanao fanambarana, nahazo alalana avy amin’ny lehibehinao ve ianao hiteny amin’ny mpanao gazety, tsy ianao amin’ny maha olom-pirenena anao manko no niresaka omaly satria nosaloranao ny ankanjon’ny mpiambina fonja. Misy fepetra arahina manko ny fahafahan’ny mpitandro filaminana na mpiandry fonja miteny, na dia manana responsable communication aza ny fonja. Tohizana ve ny tsy fanarahan-dalàna eo anivon’ny fonjabe tantaninao?

2- Nilaza ianao fa tsy marina ilay oranam-peo, izaho dia manana ny oronam-peo manontolo, fa ampahany ihany iny nivoaka iny, ka dia anjaranao ny mitondra porofo fa tsy marina iny oronam-peo iny. Izaho dia milaza fa marina ny oronam-peo ary azo akana Expert sonore izany.

3- Misy sary vitsivitsy ireto, hilazana fa tafiditra tao amponja ny smartphone, sady nakana feo no nakana sary, mety mikasoaka na ambany ny feo satria ataoko fa tsy haderaderany anao ny téléphone rehefa haka feo izy fa ataony any anaty paosy.

Sa montage koa ireo sary ireo?

Tsy nisy fisavana ary ve rehefa miditra ao amponjaben’ny Tsiafahy nefa hoe Maison de force, araky ny oronam-peo, izay tohin’ilay efa nivoaka dia nekenao fa hiaona amin’i Houcine Arfa ny vadiny, izay heno amin’ny oronam-peo, ka nangataka izy mba tsy ho ao amin’ny parloire na ny toerana voatokana hifampiresahina amin’ny voafonja no hiaonany fa eo an-tokotany, izay voaporofo amin’ireto sary eo an-tokotany ireto. Voahaja ve ny Lalàna mifehy ny famangiana gadra raha ao antokotanin’ny fonja no hiaona fa tsy any amin’ny toerana natokana amin’izany?

Raha tsiahivina, andriamatoa Talé, sao adinonao kely fa ireo tabataba heno anaty oronam-peo ireo dia satria nisy travaux nataon’ny croix rouge tao tamin’ny faran’ny volana jona 2017, izay nanao asa mangahazo.

4- Nisy ny famindranao an’i Houcine Arfa ho any Antanimora, raha ny taratasy nataonao izay feno rature, dia milaza ianao fa nafindranao any Antanimora i Houcine Arfa araka ny baiko an-téléphone azonao, ara-dalàna ve izany, ary na nobaikon’ny lehibenao ve ianao, dia ekenao ny andray baiko tsy ara-dalàna? Inona no nahamaika ka tsy iangavianao ny lehibenao anaraka ny fepetra takiana amoahana gadra izay lazaina fa raindahiny, raha milaza ianao fa narary izy, ataoko fa ny infirmerie ao Tsiafahy no tsara lavitra noho ny any Antanimora, sa dokotera ianao ka afaka ny hilaza fa maika ny amindrana azy, ny vokany ve tsy ny fanekenao ny amindrana azy, tamin’ny fomba tsy ara-dalàna, any Antanimora no nahafahany nandositra, ka mila fanazavana avy aminao satria raha tsy nafindranao tany Antanimora tamin’ny fomba tsy ara-dalàna izy dia ataoko fa tsy afaka nandositra, ka tsy ianao ve izany no voalohany tompon’andrikitra amin’ny fandosiran’i Houcine Arfa?

Ny amongotra ny Kolikoly toy izao no anisan’ny manentana ahy hilatsaka ho Filoham-pirenena, ny mpanao Kolikoly no tokony hatahotra fa tsy ny te hanafoana ny kolikoly.

Manentana antsika rehetra izay nangatahan’ity fonjaben’ny Tsiafahy ity vola na kolikoly na inona antony na inona mba andefa message aty amiko, ary izay vonona hijoro vavolombelona, na gadra efa afaka izy, na fianakaviana, na fianakavian’ireo izay mbola migadra ao Tsiafahy. Aza matahotra fa mijoroa, fantatro ny mety ho tahotra amin’ny antsojay ahazo ny havanareo, fa ny fijoroantsika no hanafoanana ny tsy maty manota.

Vitatsika io
Patrick Raharimanana

Arfa H4

(Sary Gasypatriote)

gasypatriote@gmail.com
www.gasypatriote.com

Publicités

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué , , , , . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion /  Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion /  Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion /  Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion /  Changer )

w

Connexion à %s