Kianjan’ny 13 May. 18/06/2018, Tsy tonga ireo depiote MAPAR.

Tsy tonga ireo depiote MAPAR

Kianja 18 Jiona13

Mitohy hatrany ny hetsi-bahoaka etsy amin’ny kianjan’ny 13 mey Analakely, ny somary nanaitra omaly, tsy tonga ireo depiote avy amin’ny MAPAR, nitarika ny fotoana teny n-toerana ireo depiote hafa avy amin’ny Fanovana dia ny depiote TIM, ny tsy miankina ary ny avy amin’ny MMM. Tsy fantatra aloha na tena hiala amin’ny tolona tanteraka izy ireo na ahoana satria ny sabotsy teo dia mbola tonga teny an-toerana ireo depiote mpomba an’i Andry Rajoelina ireo. Nisy ny fanfandaharana nataon’ity farany tamin’ ny televiziona tsy miankina ny faran’ny herinandro teo, heverina fa nisy ny toromarika avy aminy omaly, ka nahatonga ireo solombavambahoakany tsy tonga teny an-kianja.

Na izany na tsy izany, ho hita eo anio, na tena tsy ho avy eo amin’ny 13 mey intsony izy ireo, ka hiala amin’ny tolona, satria ny tolona dia mbola tsy vita: mbola tsy miala Rajao, mbola tsy miala ny ministra HVM, ny sendika matahotra ny hisian’ny valifaty any amin’ny ministera,… Raha hiala tokoa izy ireo, dia tena namadika ny tolona, fitadiavan-tseza fotsiny izany no tena nataony teny Analakely. Andanin’izany kosa anefa, ireo depiote hafa ao amin’ny Fanovana dia mbola manohy ny tolona hatrany, mandra-pivalin’ireo fitakiana rehetra, satria efa nilokaloka izy ireo fa tsy hivadi-belirano amin’ny vahoaka sy ny Fanovana imatimatesana. Isambilo. Ny Valosoa Vaovao. 19/06/2018.

Solombavambahoaka TIM “Tsy hamadika ny tolona izahay”

19/06/2018

Tsy mamadika ny tolona ny depiote Tiako I Madagasikara, izay efa nifanao velirano tamin’ny vahoaka sy ireo sendika. Mijoro hatrany hatramin’ny farany, hoy ny depiote Hanitra Razafimanantsoa teny amin’ny Kianjan’ny 13 mey omaly.

Saika ireo solombavambahoaka avy amin’ny antoko TIM sisa no hita teny an-kianja omaly ary tonga navitrika nanampy azy ireo ny avy amin’ny sendika maro noho ny mbola fisian’ny minisitra HVM ao anaty governemanta. Tsy hita teny an-toerana ireo depiote avy amin’ny vondrona MAPAR, izay tsy fantatra mazava ny antony ka dia andrasana izay mety ho fanazavana. Ho an’ny depiote Rahasimanana Paul Bert na Rossy kosa dia “Malade”, hoy ny hafatra tao amin’ny tambajotran-tserasera fesiboky. Ny sabotsy teo anefa, dia mbola hita teny ireo depiote, toa an-dry Tody Arnaud, Tinoka Roberto, … Tsiahivina hatrany, fa ny alahady teo dia nisy ny fandaharana nataon’ny filohan’ny tetezamita tamina fahitalavitra tsy miankina iray. Toa nipasopasoka daomy no nataony, izay mampipetraka ny ahiahy fa efa tsara petrapetraka ny fifanarahana ambadika tany ho any. Tsy mendrika ny Malagasy intsony ny korontana, hoy ny filohan’ny tetezamita teo aloha ka aleo samy mampandefitra ny hambompony. Raha misy ny tsy fitiavana ny filoham-pirenena dia any amin’ny fifidianana no hanehoana izany, ka avoahy ary ny datim-pifidianana dia ho hita mazava eo ireo kandida, hoy i Andry Rajoelina. Raha halalinina io, dia tsy miombon-kevitra intsony amin’ny hoe: “Miala Rajao” ny filohan’ny tetezamita teo aloha.

An-daniny, ny takarivan’ny alahady ihany, dia nitondra fanehoan-kevitra mivaivay somary namaky bantsilana ny fifanarahana tsy mazava nety niseho tany ambadika tany i Marc Ravalomanana, izay nilaza fa tsy nanasonia fifanarahana velively na tamin’iza na tamin’iza. Matoa mbola mitohy ny tolona, hoy izy, dia tsy nisy mahafa-po izany, ary vonona ny hidina eny an-kianja izy raha ilaina. Efa tena afa-po kosa ve izany ny MAPAR matoa tsy tonga teny an-kianja intsony omaly sa antony hafa mihitsy ? Andrasana ny tohiny.

Toky R. TiaTanindrazana.

 

Kianja 18 Jiona8

 

Publicités

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion /  Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion /  Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion /  Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion /  Changer )

Connexion à %s