Betafo-Savorovoro. Zaza iray maty, trano may ary fiara potika.

Savorovoro tany Betafo sy Antsirabe Zaza iray maty, voaroba sy may ny tanàna

18/07/2018

Ny zazakely 18 volana maty, trano niisa 7 no rava sy potika ary norobain’ny vahoaka, ka toeram-pivarotana ny 4 tamin’ireo, fiara niisa 3 ihany koa no potika sy norobaina niaraka tamin’ny kisoa manodidina ny 40 sy vokatra an-taoniny maro.

Ireo no ampahany tamin’ny nahazo an-dRajosoa mpandraharaha taoAmbaniharana Betafo noho ny fielezan’ny resaka nilazana azy ho mpangala-taova, ary nambara fa nahitana lamban-jaza misy ra efa maina tao an-tranony. Tsy nisy afaka nitompo teny anefa fa tena marina io resaka afera maizina io, fa kihonohono no betsaka. Raha ny fanazavana netin’ireo niharam-boina dia nisy lehilahy iray tonga tao amin’izy ireo ny harivarivan’ny alatsinainy, nilaza fa mitady ny olon-dehibe fa misy olona hivarotra tany ka sao ilain’izy ireo. Alatsinainy moa ny andro, izay tsenan’i Betafo ka nilaza ny tao an-trano fa mbola tany an-tsena ireo olona. Efa mpiasa tao amin’ity fianakaviana ity ihany io, ka niditra tany an-trano niandry ny tompon-trano. Tonga tokoa ny nandrasana ary dia voalaza fa norobain’ilay lehilahy ny vola teny amin’ilay ramatoa tompon-trano. Niezaka nanohitra io, sady niantsoantso satria nisy kitapokely toa nisy vato tany aminy ka iny no namonoany ireo tao an-trano.

Rehefa nifamonjena ilay renim-pianakaviana sy ireo zaza niisa 4, izay voatsindrona antsy mihitsy ilay vavikely 18 volana dia tonga ireo vinanton’ny tompon-trano ary niady tamin’ilay lehilahy izay nidaroka azy. Rehefa nanavotra aina io dia niantso vonjeo tamin’ny fokonolona ary tonga ny vahoaka, saingy tonga dia nandroba sy nandoro. Mbola norobaina ihany koa ny fivarotana niisa 3 teny akaikin’ny lapan’ny Tanànan’i Betafo, ary omaly hariva dia rakotra olona vonona handroba ihany koa ny tsenan’ny fianakavian’i Josoa tao Andrefantsena Antsirabe, izay nodoran’izy ireo ihany koa. Manomboka anio ny fanadihadiana lalina mikasika ity raharaha goavana tany Betafo sy Antsirabe ity.

Caius R sy Toky R. TiaTanindrazana

Publicités

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion /  Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion /  Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion /  Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion /  Changer )

Connexion à %s