Mitohy ny Tolon’ireo mpampianatra, Analamanga sy ny Faritra…

Mbola mitohy ny tolona tsy miverina mianatra amin’ny alatsinainy

Mitazona ny teniny ireo mpampianatra ary tsy hiverina hampianatra fa mpamono afo sy miaro ny sezany ireo nilaza fa hiverina hampianatra amin’ny alatsinainy na eto Analamanga na any amin’ny faritra. Mifanome fotoana rahampitso eny amin’ny ministeran’ny fanabeazam-pirenenana ireo mpitolona. Midi Madagasikara

Tsy hiverina hiasa mihitsy ny mpampianatra raha tsy voavaly zato isan-jato ny fitakian’izy ireo. Tsy manaiky ny hanaovana ny fanadinana amin’ny 14 aogositra izao ihany koa izy ireo fa mangataka ny hanomezana telo volana farafaharatsiny hanaovana ny famerenana hoy ny Filohan’ny Aneffa, Elidio Randrianjafy. Mbola nanohy ny fitokonana teny amin’ny CEG Antanimbarinandriana izy ireo androany.LaChasse-info.com

Guy Ryder1

Patrick Raharimanana

Guy Rider: Tohina mandre ny karaman’ny mpampianatra malagasy

Naneho ny heviny tamin’ny gazety amerikanina iray  » New-York Job » momba ny karaman’ny mpampianatra eto Madagasikara, i Guy Ryder, Tale jeneralin’ny Fikambanana iraisam-pirenena momba ny asa nanomboka ny taona 2012. Mahatsiaro ho tohiny ity tomponandraikitra ambony manerantany momba ny asa ity, rehefa nandre sy nahafantatra ny karama raisin’ny mpampianatra Malagasy.

Nambarany fa raha misy olona mendrika homena ny hasiny ao amin’ny firenena iray dia ny mpampianatra, koa tsy sahaza ary tsy mifanentana amin’ny asa aman’andraikitra sahaniny ny karama 50 dolara isam-bolana. Na ny mpangataka eny amoron-dalana aza, hoy ity Tale jeneralin’ny OIT ity, mahazo 4 dolara isan’andro.

(Sary Net)

gasypatriote@gmail.com
www.gasypatriote.com

Ambilobe

Mr Le Directeur Régional de l’Éducation Nationale DIANA, Les cinq Chefs de la Circonscription Scolaire dans la DREN DIANA, Tous les Chefs ZAP, tous les chefsd’établissement public (EPP-CEG-LYCÉE) et tous les enseignants (fonctionnaires et maîtres FRAM), nous sommes dans un même corps. Iray vatsy iray aina isika. Iray vavarano raha atao hoe tanimbary satria iray ihany no mpandoa ny karamatsika. Samy mpampianatra fa izany hoe ny andraikitra no tsy itovizana ary tsarovy fa mandalo ny seza (place), izany hoe anao aloha ny androany fa mety ho an’ny hafa indray rahampitso fa ny KARAMA DIA MANDRAPAHAFATINAO, izay amelomanao ny vady aman-janakao. Ka alao hery ary ry mpampianatra namana, aleo halalaka NY TOLONA. Aza asiana ramatahora fa izany no fototra tsy nampahomby antsika hatramin’izay, mila miray hina isika ary mila miray saina ka atambaro ny HERY mba tsy hanaovan’ny olona ho tsinontsinona antsika. Noho izany dia MITOHY NY TOLONA ary tsy mifarana raha tsy mivaly ny fitakiana.


Ho antsika ato anatin’ny DREN DIANA izay misy CISCO 05 (Diego 1-2, Ambilobe, Ambanja, Nosy-Be) dia manana tsara miomana ho fisorohana ny CEPE raha tsy mivaly ny tolona ka asehoy eo ny herintsika fa TSY HANAO IZANY ISIKA, TSY HANATONTOSA IZANY ka mba hipaka any amin’ny Ministeran’ny Fanabeazam-pirenena ny lazan’izany. Marihina moa fa efa misy ZAP maro dia maro ato anatin’ny DREN DIANA tsy hanao izany CEPE izany.
Mbola averina ihany fa samy mpampianatra isika IRAY ADY, IRAY AVANTAGE.
MASINA NY FANABEAZANA.
MITOHY NY TOLONA TOMPOKO.
PARTAGEZ S’ IL VOUS PLAIT.

Publicités

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué , , , , . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion /  Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion /  Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion /  Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion /  Changer )

Connexion à %s