« Antson’ny Tanindrazana », Dadan’i Zina.

ANTSON`NY TIA TANINDRAZANA

 

Aoka ianao tsy holalaovin`ny mpanjanaka intsony,

Ka hanaiky mora foana izay rehetra sitrapony.

Mijoroa ka dia sahia handà  ireo olona nomaniny,

Antsika i Madagasikara fa tsy azy sy tsy taniny.

 

Efa hitanao mazava ny nafitsok`i Mampiesona,

Koa meteza hisaina tsara sady aoka haka lesona.

Tsy dia tongatonga ho azy ny olona tahaka ireny,

F`efa nisy tana-miafina izay nanao ny fanereny.

 

Indro indray ankehitriny misy zava-tiany amboarina.

Efa misy ny voavidiny ary sitrany hakarina.

Koa dia aoka ianao ho mailo sao ho tojo ny tsy telina,

F`efa omaniny haverina ireo ekipan-dRadomelina.

 

… Mijoroa mba tsy holalaovin`ny mpanjanaka intsony,

Dia ny herinao vahoaka no atambaro sy avondròny.

`Ndeha holavina tanteraka ary tena tsy hoekena

Raha ny olon`ny mpanjanaka no hitondra firenena.

 

DADAN`i ZINA (13-08-18)

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Cet article, publié dans Non classé, est tagué , , . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire