Antsirabe-LMS, Lasy Nationaly. Marc Ravalomanana.

Filoha Ravalomanana

Nanatrika ny lasy nasionalin’ny Pastora FLM tany Antsirabe

 

 Antsirabe indray no nandray ny lasy Nasionaly ho an’ireo Pastora sy Téolojianina manerana ny sahan’ny FLM, hatramin’ny ahalady ho avy izao. Pastora sy vehivavy teolojianina manodidina ny 2000 no tonga eto Antsirabe  hanatanteraka ny Lasy pastoraly Nasionaly mandritra ny enina andro. Nanomboka izany ny talata 14 aogositra ary tsy hifarana raha tsy ny alahady 19 aogositra. Ny andalan-tsoratra masina tao amin’ny Asan’ny Apostoly toko faha-16:5 no lohahevitra voizina : « Ary nihanahery ny finoana ny fiangonana sady mihamaro isan’andro », no teny faneva nentina mandritra ity lasy Pastoraly Nasionaly andiany faharoa ity. Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy izany ny marainan’ny talata 14 aogositra tao amin’ny fianagonana Loterana Malagasy Antampontanàna ka nanokatra izany ny Filohan’ny fiangonana loterana eto Madagasikara ny Dr David RAKOTONIRINA, ary tonga nanome voninahitra izao lanonam-panokafana izao ny solontenan’ny Lehiben’ny Faritra Vakinankaratra miadidy ny lafitany. Nandritra ny toriteny no nanamafisiny fa maro ny andraikitra iandraiketan’ny Pastora satria izy ireo no iraka voalohany hitory ny filazantsary masina. Ny Pastora hoy hatrany izy dia tokony hanetry tena ary tokony hitandrina fatratra ny sakramenta ny fanasan’ny Tompo izay mamelombelona ny fanahin’ny Pastora.

Noraisina nandritra izao ihany koa ny andalan-tsoratra masina ao amin’ny JAONA: 21, 15-17b hoe:  » andrasako ny ondriko, fahanako ny ondriko » teny nentina mamelombelona ny fanahin’ireto Pastora sy vehivavy teolojianina mandritra izao fotoana izao. Nandritra ny kabary nifandimbiasana no nanamafisan-dramatoa DAGT ny Faritra fa mandalo taon-tsarotra ny firenena sy Faritra ka angatahana ny hitondrana am-bavaka lalandava ny Firenena. Teto ihany koa no niarahabany ireo olona tonga manatrika izao lasy izao ary nirariny soa mba ho samy salama sy ny mba hahavita izany hatramin’ny farany. Raha ny fantatra dia ahitana synodam-parintany 25 manerana an’i Madagasikara, fileovana 328, fitandremana 1450 ary fiangonana loterana 8500 ka anisan’izany ny synodam-paritanin’ Avaratr’Imania izay mandray ny lasy pastoraly nasionaly amin’izao fotoana izao. Mandritra izany dia maro ireo fandaharam-potoana ka anisan’izany ny atrikasa hatao isan’andro manomboka amin’ny 4ora sy sasany tolakandro.

Nitsidika ireo mpilasy omaly ny Filohan’ny komitin’ny jobily fahaa-50 taonan’ny fiangonana FJKM, ny Filoha Marc Ravalomanana.

Lezama. Ny Valosoa Vaovao

Nanatrika ny lasy pastoraly nasionalin’ny fiangonana loterana malagasy synaodamparitany Avaratrimania teto amin’ny FLM Antsirabe Antampontanana. Fotoana nizarako ihany koa ny traikefa momba ny leadeship na ny fahaiza-mitantana tamin’ireo pastora.Marc Ravalomanana – Ofisialy

Lms Antsirabe3

Lms Antsirabe4

Publicités

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué , , . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion /  Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion /  Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion /  Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion /  Changer )

Connexion à %s