« Iza re ry lavasanga ? » Dadan’i Zina.

IZA RE RY LAVASANGA ?

 

Iza moa ry lavasanga ireto taominao indray

Hihoby sy hidera anao fa hoe ianao no “vahaolana” ?

Moa tsy ireo ilay nofitahina sivy taona lasa izay

Fa hovatsiana vary mora sady hanao sahafa volana ?

 

Vola vidin-draopilanina , nahagaga ny olon-tsotra,

Fa tsy fantatra mazava sy tsy hita nanjavonana .

Hay `nareo no nihanatavy sy nanjary botrabotra,

Fa ny Malagasy maro , niesona , nitonantonana.

 

Iza moa ry lavasanga ireto omenao toky indray

Fa hoe ianao no ilay mesia hanaisotra azy ao amin`ny alina ?

Sa ny Tena gasy Vendrana sy ireo tsy mety fay,

No mbola taominao handihy anaty fahantrana lalina ?

 

Tsia dia tsia ry lavasanga izay mirehaka ho mafoaka ,

Ka nangorona harena tamin-kevitra tsy marina .

Ny olon-kendry tsy hifidy anao mpamitaka vahoaka ,

Rain`ny lainga nefa mihoraka amim-peo tsy mety farina!

 

Fa ny azy , ny hofidiany , efa fantany hatry ny ela ,

Dia ilay dada tena tiany sady akaikiny tanteraka.

N`inon` inona hitranga , mbola misy izay tavela:

Dada foana no inoany hampatanjaka ny reraka!

 

DADAN`i ZINA ( 17-10-18)

Harlay comme en 2009

Publicités

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion /  Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion /  Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion /  Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion /  Changer )

Connexion à %s