Archives par mot-clef : Nitiah Nosy

Madagasikara (II).

Cette galerie contient 2 photos.

– . – Madagasikara.   Gasikarako nosy tiako Ilay anjarako sy niaviako Tsy mba afaka ao antsaiko Tsy misaraka ahy fa lalaiko Ny tanimbary sy ny tany mena Alaina antsary satry ho jerena Ireo tanàna misy ireo havana Mahatamàna fa … Lire la suite

Galerie | Tagué , , , , , | Laisser un commentaire

« Mafy ny ady », Nitiah Nosy.

Cette galerie contient 3 photos.

  Mafy ny ady!   Mba mahalasa ny fisainana, ity hasarotry ny fiainana: ny anana in-droa mitango, no efa tsy azon’ari(ary) zato! Ny hena tsy lazaina intsony, tsy takatry ny oriory! Hany ka mampionon-tena, amin-drony tsisy hena! Tsy homam-bary koa … Lire la suite

Galerie | Tagué , | Laisser un commentaire

« Andriamatoa Filoha ! », Nitiah Nosy.

Cette galerie contient 2 photos.

Andriamatoa Filoha!   Ajanoko any mihitsy aloha, ‘lay hanihaniko hoe « Rajao »! Ataoko Andriamatoa Filoha, sao hiaino ihany ianao! Andriamatoa Filoha! ‘Zaho tsy hanao kabary lava, na hampiasa sasinteny! Fa na dia notampenam-bava, tsy sanatria halemilemy! Nangatahanao porofo, ny fahoriana iainanay; … Lire la suite

Galerie | Tagué , , | Laisser un commentaire

Malagasy-Madagasikara, Nitiah Nosy. 2017.

Cette galerie contient 2 photos.

– Malagasy aho, Malagasy aho, hireharehako izany, asakasakao ho menamenatr’ ihany! Na mody hieboebo fa malagasy ra, ny teo-tsaina nefa: « loko-na vazaha! » Malagasy aho, hajaiko ny fiteniko, ny maha-gasy ahy tsy afenimpeniko! Ianao angaha no asa: hanosihosy azy, nefa tsy … Lire la suite

Galerie | Tagué , | Laisser un commentaire

« Ambanivohitra », Nitiah Nosy.

Cette galerie contient 2 photos.

. AMBANIVOHITRA   Trano bongo fetan-tany, tafo herana na bozaka, vakivakian-dàlan-tany, raha fahavaratra namotaka! Akoho no hita mikarenjy, manilika ny vary mihaha! Sarety mifamezivezy, na an-tànana na an-tsaha! Taninandro andrefan-trano, teny no nifampitaona; nanalana hamohamo, ny folakandron-dohataona! Injany koa misàsasasa, … Lire la suite

Galerie | Tagué , | Laisser un commentaire

« Malagasy miharitra », Nitiah Nosy.

Cette galerie contient 2 photos.

  Nitiah Nosy . Malagasy miharitra! Moa reraka sy refona, no toa milavo lefona? Sa leo sy lonilony, no tsy miteny intsony? Moa manaiky ho resy, no tsy mihoa-pefy? Milanja ny tsy rariny, ‘zay ampiharina aminy? Noletseny haharitra, ho Malagasy … Lire la suite

Galerie | Tagué | Laisser un commentaire

« Lozanao ra-olombelona! » Nitiah Nosy.

Cette galerie contient 2 photos.

Lozanao ra-olombelona!   Lozanao ra-Olombelona, ‘zao ianao mimenomenona! F’ianao ihany no namotika, ity tontolo rotidrotika! Tena lozanao mihitsy e, nikapa ala, tsy nitsitsy! Ireo tanety koa tsy tratra, donotranao tsy nisy antra! Lozanao ho’aho lozanao: ny fako naparitakao; ny setro-piara … Lire la suite

Galerie | Tagué | Laisser un commentaire

« Malagasy aho », Nitiah Nosy.

Cette galerie contient 2 photos.

– Malagasy aho, Malagasy aho, hireharehako izany, asakasakao ho menamenatr’ ihany! Na mody hieboebo fa malagasy ra, ny toe-tsaina nefa: « loko-na vazaha! » Malagasy aho, hajaiko ny fiteniko, ny maha-gasy ahy tsy afenimpeniko! Ianao angaha no asa: hanosihosy azy, nefa tsy … Lire la suite

Galerie | Tagué , | Laisser un commentaire

« Ny Noelinay aty », Nitiah Nosy.

Cette galerie contient 2 photos.

Ny noelinay aty… Fa ny noelinay aty, tsy dia irony hanimpy fa vary sy hena iray lovia, no nolafiham-boatabia ! Ka ny hazo noelinay, foto-manga anankiray ; no noravahana papay , sy songosongo dia izay ! Ry Ketaka sy Vonifanja, … Lire la suite

Galerie | Tagué , | Laisser un commentaire

« Aza ianao… », Nitiah Nosy.

Cette galerie contient 3 photos.

AZA IANAO.. Aza ianao manaiky resy, noho ny ady mifanesy; alao hery ihany aloha, mitsangana, mirosoa! Aza ianao malaky kivy, noho ilay masoandro dify; fa ny lalam-piainana eto, hifandimbiasan-tsoa sy sento! Aza ianao manary toky, tsy hiroso fa himpody; andrandrao … Lire la suite

Galerie | Tagué | Laisser un commentaire