« Angamba », Mamitiana Randrianarison (Mcm-Tanà).

 ANGAMBA…

 

Angamba efa marenina
Na hoe mahabadenina
Ny vola sy ny seza
Izay efa mievaeva
No hamonoana maso

Angamba dia ankaso
Fa mbola hoe andraso
Hita miha-mivaona
Ilay fampandrosoana
Fa toa lalao maloto…

Angamba efa donto
Na mety misafoto…
Ny tena toe-draharaha
Hitady tsy voavaha
Tsy hahità-maraina

Angamba tsy nisaina
Na tsy niferin’aina
Ny hatran-dreo madinika
Izay tsisy dinidinika
Taraina an-tany efitra

Angamba very hevitra
Na diso mievotrevotra
Fa izao dia hoe lalàna
Miampy famonjàna…
No sazin-dreo mivaza

Angamba manatavy
Fa tongatonga ho azy
Mamango faramparany
Mandroaka izay noloarany
Mitavana…manjifa

Fa taona iraika sisa e…

NARY
20/08/2016

Mamy 1

Mamy 2

Mamy 3

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Cet article, publié dans Non classé, est tagué . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire