Antananarivo. AVCOI (Association des Villes et Collectivités de l’Océan Indien). Arp Helisoa, CUA serasera.

CUA - Antananarivo.

CUA serasera. 6/12/2016.

AVCOI (Association des Villes et Collectivités de l’Océan Indien)
Nanomboka io hariva io teto amin’ny lapan’ny tanàna Analakely ny fivoriana voalohan’ireo mpikambana ao amin’ny Biraon’ny AVCOI na ny fikambanan’ny Ben’ny tanàna sy tanan-dehibe aty amin’ny fari-dranomasina indiana. Mandray anjara amin’izany ny fivoiriana izany ny avy any Kômôro, Mayotte,La Réunion, Maurice , Seychelles ary i Madagasikara. Nandray azy ireo tamim-pomba ofisialy ny Ben’ny tanànan’Antananarivo Rtoa Lalao RAVALOMANANA.

Fametrapetrahana ny fizotran’ny fivoriana no natao ary koa ny fandinihana ny programa ho amin’ny Alarobia sy Alakamisy hanaovana ny fivoriana. Ben’ny tanàna 31 no mandray anjara amin’ity fivoriana tsy ara-potoana ity, fa 60 kosa no isan’ny delegasiona avy amin’ireo nosy 6 ireo. Tao aorian’ny fivoriana dia nisy ny fanaovana sonia ny boky volamen’ny Fiadidiana ny tanànan’Antananarivo Renivohitra. Tsiahivina fa manatrika sy mandray anjara feno amin’ity fivoriana ity ny ben’ny tanànan’i Toamasina, Taolagnaro, Sainte-Marie, Antsirabe, Nosy-Be, Antsiranana, Toliara, Fianarantsoa ary Antananarivo.

Ranomasimbe Indianina I Neny no filoha

07/12/2016

Hisokatra anio alarobia amin’ny fomba ofisialy eto Antananarivo Renivohitra ny fivoriamben’ny AVCOI (Association des Villes et Collectivités de l’Océan Indien).

27 ny ben’ny tanàna handray anjara amin’ny fivoriana ka ny 9 avy eto an-toerana ary ny 18 avy any ivelany. Hivoitra aorian’ny roa andro hihaonan’ireo olom-boafidy tompon’andraikitra avy amin’ireo tanàn-dehibe sy vondrom-bahoaka eto anivon’ny Ranomasimbe Indianina moa ny fitsanganan’ny birao vaovao hitantana ny fikambanana, ny fankatoavana ny volavolana sata vaovao, ny tanàna hisy ny foibe vaovao ary ny toerana handray ny fivoriambe manaraka. Hiditra ao anatin’ny lahadinika isan-karazany kosa ny fampidirana ireo mpikambana vaovao, ny tatitra momba ireo asa vita nandritra ny taona 2016 miaraka amin’ny drafitrasa hotontosaina mandritra ny taona 2017.

Efa nisy moa omaly ny fivorian’ny biraon’ny AVCOI ka voafidy ho filohany Rtoa Lalao Ravalomanana ben’ny tanànan’Antananarivo, 3 taona ny fe-potoam-piasany ary filoha mpanampy kosa ny ben’ny tanànan’i Port Louis-Maorisy Mohammad Oumar Kholeegan. Andraikitra goavana tokoa satria izy ireo izany no tompon’andraikitra voalohany amin’ny fampandrosoam-paritra miainga avy amin’ireo kaominina rehetra ato anatin’ny ranomasimbe Indianina.Hitohy etsy amin’ny Colbert Antaninarenina ny fihaonambe anio, sady hanaovana ny fanokafana ofisialy.

Nangonin-dRamano F. TiaTanindrazana.

CUA serasera

AVCOI (Association des Villes et Collectivités de l’Océan Indien) – jours J
Et c’est parti pour l’Assemblée générale extraordinaire de l‘Association des Villes et Collectivités de l’Océan indien. Pour deux jours dans la grande salle de conférences de l’hôtel Colbert d’Antananarivo, une trentaine de maires des Seychelles, Maurice, Comores, la Réunion, Mayotte et Madagascar vont se pencher sur différents thèmes touchant la gestion des villes et collectivités. La pêche, l’environnement , le changement climatique, la gestion des risques et aléas la recherche de partenariat national qu’international seront abordés lors des panels.
La cérémonie d’ouverture, bien que boudés par les membres de gouvernement s’est déroulée dans les normes. Occasion le Maire d’Antananarivo-Ville Mme Lalao Ravalomanana de mettre l’accent sur la nécessité pour les villes et collectivités de l’Océan indien d’œuvrer ensemble pour le développement. Opportunité également d’échanger des expériences et de tisser une plateforme de plaidoyer pour une décentralisation effective. C’est d’ailleurs pour une grande première dans les annales de l’AVCOI, que l’Association a été dirigée par deux présidents. Une stratégie de redynamisation qui s’annonce riche en actions.

Arp Helisoa

Lapan’ny tanana Analakely. Miara maka sary ireo biraon’ny AVCOI

 

Océan Indien : 32 maires de grandes villes réunis à Tana

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Cet article, publié dans Non classé, est tagué , . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire