Faritra Analakely. Nifanome tanana ireo mpivarotra sy ny mpiasan’ny CUA.

Tana maika

Fanadiovana faobe ny faritra Analakely

Niroso tamin’ny fanadiovana faobe ny faritra Analakely sy ny manodidina ny avy ao amin’ny Boriboritany Voalohany ny marainan’ny Talata faha 13 ny volana Septambra 2017.Sampan-draharaha maromaro avy eo anivon’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra no niara-nisalahy nanatanteraka izany asa izany toy ireo ekipa teknika sy mpamafa làlana avy ao amin’ny Boriboritany Voalohany, ny avy ao amin’ny BMH Isotry (Bureau Municipal d’Hygienne), ny polisy monisipaly, ireo solotenan’ny mpivarotra ary tsy hadino ihany koa ny SAMVA.


Nanomboka tamin’ny 7ora maraina ny hetsika ka niainga teo amin’ny pavillon Analakely nitohy teo amin’ny esplanade sy Ambodifilao ary nifarana teo amin’ny lapan’ny tanàna. Asa maro no niandry nandritra izany toy ny famafana ireo loto rehetra tamin’ny sisin’ny arabe sy tao anaty tsena, fanadiovana ireo tatatra, fandrarahana ranom-panafody ireo toerana ahiana ho misy mikraoba, fanesorana ireo 4mi izay nitangorana teo Ambodifilao, fanalàna ireo mpivarotra tsy ara-dalàna ary fametahana « taquet d’arrêt » ireo fiara mijanona eny amin’ny toerana tsy tokony hijanonana.


Ny nampiavaka kely ity hetsika ity dia ny fandraisana anjara mivantana an’ireo solotenan’ny mpivarotra teo Analakely izay miisa 300 teo ho eo.Nandritra ny hetsika dia nentanina ireo mpivarotra ireo mba hanaja hatrany ny fahadiovana izany hoe ny mpivarotra iray dia tokony hanana kifafa iray sy sobika iray ary ny toerana izay avy ivarotana dia tokony hadio lalandava. Nanambara ny lehiben’ny Boriboritany Voalohany fa izao hetsika izao no natao dia ny mba hanairana sy hanentanana ny olona rehetra amin’ny fahadiovana ary eo ihany koa ny fanomanana ny mponina amin’ny fiatrehana ny vanim-potoana ny fahavaratra sy hiarovana amin’ireo karazana valan’aretina izay mety hitranga. Nanamafy hatrany izy fa tsy mora ny manao zavatra ka mbola mila ezaka mafy raha te ho tonga amin’ny tanjona irina.


Tsy mijanona hatreo ny hetsika fa mbola hitohy ary hiezahana hatrany ny hapandraisana andraikitry ny eny ifotony mba hitoetra sy haharitra ao aminy ny fahadiovana.

Horonan-tsary (Vidéo).

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Cet article, publié dans Non classé, est tagué , , . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire