Fanirisoa Ernaivo (SMM) : « Ny HCC dia Fahefàna mpampihatra lalàna fa tsy mpamorona lalàna ».

Fehiny tsotsotra :

– Ny HCC dia Fahefàna mpampihatra lalàna fa tsy mpamorona lalàna. Araka ny didy havoakany androany dia namorona lalàna vaovao izy fa tsy nanatanteraka ireo lalàna efa misy. Ohatra : lazaina fa azo raisina ny fangatahan’ny D73, hamafisina fa nandika sy tsy nanaraka ny lalampanorenana ny Filoham-pirenena. Kanefa dia arovan’ny HCC ny Filoham-pirenena izay nandika ny lalampanorenana fa ny Governemanta indray no namoahana didy fa ho ravàna. Izany hoe tsy omena sazy izany izay mandika lalàna.

– Ny Antenimieram-pirenena ihany no afaka mandrava ny Governemanta ary mbola ny Antenimieram-pirenena ihany koa no fahefàna mpamorona lalàna. Requête de déchéance no naton’ny D73 kanefa dia fandravàna Governemanta no didy navoakan’ny HCC. Izany hoe mipetraka eo @ toeran’ny Antenimieram-pirenena izany ny HCC. Tsy vitan’izay fa mbola mamoaka didy tsy misy base légale ihany koa. Manentana my rehetra tsy hanara-dalàna izany rehetra izany.

– Ao @ Article 14 misy soratra hoe « … sauf accord politique en 10 jours ». Tsy mbola nisy eran’izao tontolo izao didim-pitsarana miankina @ accord politika izany @ Firenena iray.

Édition spéciale HCC du 25 mai 2018

TV Plus Madagascar. Rija Rakoto

Hcc 18 Mai1

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Cet article, publié dans Non classé, est tagué , . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire